Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Kalam

Avy amin'i Wikipedia

NyIlm al-kalam (كلام) nailm al-lahut, izay matetika nohafohezina amin' ny hoekalām, dia fandalinana ny finoana sy ny teôlôjia silamo (عَقِيدَة /ʿaqīdah), izay miezaka mitady ny foto-kevitra ara-teôlôjia amin' ny alalan' nydialektika sy ny fanohanan-kevitra voasaina. Indraindray dia heverina hoteôlôjia silamo nateôlôjia mozilmana ity taranja ity, izany hoe ny fampiasana lahateny voasaina momba ny zava-masina momba an'Andriamanitra.

Azo faritana ho siansa mandalina ny foto-pampianarana lehibe momba nyfinoana silamo (أصول الدين /usūl al-dīn) koa nyKalām, izay miezaka manaporofo ny maha marina ireo foto-pampianarana ireo, na manohitra ny fisalasalana momba azy ireo. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa nykalām dia teraka noho ny filàna ny fametrahana sy ny fiarovana ny foto-kevitry ny finoana silamo hanoherana ny mpisalasala ara-pilôzôfia.

Zava-dehibe ny manamarika fa miova ny famaritana nykalām arakaraka ny fotoana sy ny zava-misy ary ny olona nampiasa azy io. Midika hoe "lahateny", "kabary", "teny", na "fitenenana" ny teny hoekalām. Maro ny fiheverana ny mety ho antony niantsoana an' io taranja io toy izany tany am-boalohany; anisan' izany ny adihevitra lehibe indrindra amin' ity taranja ity, niseho tamin' ny taonjato faharoa sy fahatelo taorian' nyHijra, momba ny hoe "Tenin' Andriamanitra" (Kalām Allāh), araka ny voambara ao amin' nyKor'any, izay toetra mandrakizain' Andriamanitra, ka miezaka mamantatra rahanoforonina izany "teny" izany na tsy noforonina.

Antsoina hoemutakallim (mutakallimun, raha maro) ny manam-pahaizana momba nykalām izay asa izay tsy mitovy amin' ny an' ny filôzôfa sy mpahay lalàna silamo. Avy amin' ny fakana tahaka nyfilôzôfia grika izany fomba fiasa izany nefa niezaka nymutakallimun mba hiavahany amin' io taranja io, ary eken' ny sekoly sasany milaza ho ao amin' nysonisma (indrindra fa nymotazilisma sy nyasarisma). Nykalam dia mikatsaka ny hamaly fanontaniana momba nyteôdikea, nyeskatôlôjia, nyantrôpôlôjia, nyteôlôjia apôfatika, nysafidy malalaka (qadar), ary ny fampitahana ny fivavahana.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Kalam&oldid=1073768"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp