Nykafe diazavamaniry isan-karazany, ao amin' ny fianakavianaRubiacea, mamorona ny vondron-karazanaCoffea. Mahatratra 80 hatramin' ny 130 ny karazan-kafe ka ny sasany tenahazo fa ny sasany indrayhazobotry. Any amin' ny faritra mananatoetanin-jana-pehintany atyAfrika sy anyAzia no fiavian' ny kafe. Ny sasany amin' ireo karazana ireo dia ambolena hahazoana ny voany, izay amokaranazava-pisotro mitovy anarana aminy sady sotroina manerana izao tontolo izao. Karazana roa no tena ambolena, dia nyCoffea arabica sy nyCoffea canephora. Misy ihany ny maboly ilay karazana atao hoeCoffea liberica.
Maro amin' ny karazana 130 ao amin' nyCoffea no mety amin' ny famokarana zava-pisotro, fa nyC. arabica no tena sarobidy indrindra. Ny karazana hafa — indrindra fa nyC. canephora (robusta) — dia ambolena amin' ny tany tsy mety amin' nyarabica. Nyrobusta, izay mora vidy kokoa sy mora ambolena kokoa noho nyarabica, dia ampiasaina amin' ny famokarana zava-pisotro kafe vita eo noho eo. Ny fambolenaC. stenophylla, izay manana tsiro tsara toy nyarabica tsara indrindra sy mifanaraka amin' nymari-pana isan-taona ambony kokoa (25 °C fa tsy 19 °C), dia heverina ho fanolo azo atao ho setrin' nyfiovan'ny toetany.
Efa tany amin’ ny taonjato faha-7 tal. J.K. no nambolen’ ny olona ny kafe, izay vanimpotoana namokarana azy tanyArabia, teny amoron’ nyRanomasina Mena. Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-15 dia niitatra nankany Iemena ny fambolena kafe, avy eo nankany amin’ny Atsinanana manontolo eto amin’ izao tontolo izao.
Nandritra ny taonjato faha-17 dia nitombo tsikelikely ny fisotroana kafe taoEorôpa. Nanomboka namboly kefe nyHôlandey tao amin’ ny zanataniny toa an’ iJava sy i Seilana. Nandritra ny ampahefany voalohany amin’ ny taonjato faha-18 dia nanomboka namboly kafe tany Martinika ny Frantsay. Nanomboka namboly kafe amin’ ny tany midadasika tanyJamaika ny Britanika tamin’ ny taona 1723 ary ny Espaniôla tanyFilipina tamin’ io taona io ihany. Nitatra nankanyAmerika Latina ny fambolena kafe, ny taoBrezily dia efa tamin’ ny taona 1723 no anomboka.
Miovaova ny filaharan' ny firenena mpamokatra kafe araka ny habetsahan' ny vokatra, nefa i Brezily no lohalaharana amin’ ny fambolena kafe aoAmerika Atsimo sy manerana izao tontolo izao. Niely atyAfrika koa ny fambolena kafe nandritra ny taonjato faha-20, ka iMadagasikara no lohalaharana taty Afrika, izay arakarahin’ i Kôngô sy iKamerona ary iAngôla. Tonga tanyAzia koa ny fambolena kafe, na dia tsy tena mandroso be aza, toy ny anyIndônezia.
Tamin' ny taompolo 2000, ny mpamokatra kafe voalohany dia iBrezily, manaraka azy iKôlômbia, i Indônezia, iJapana, iKôtidivoara, iMeksika, iGoatemala, iOganda ary iEtiôpia. Ny ankabetsahan’ ny kafe vokarina maneran-tany dia avy anyAmerika, ka ny kafearabica no vokariny amin’ izany.