IJohann Maier von Eck dia teôlojiana alemana teraka tamin' ny 13 Nôvambra 1486 tao Eck (anran' i Egg an der Günz taloha, akaikin' i Memmingen, 70km atsimon' iAugsburg any Schwaben, Bavaria), mpanohitra an’ iMartin Lotera ary mpiaro nykatôlisisma nandritra ny fiandohan’ nyFanavaozana Prôtestanta.
Mpampianatra tao amin’ ny Oniversiten’ i Ingolstadt izy nanomboka tamin’ ny 1510 izy ary nampianatra teôlojia tao. Mitana ny fivavahana taloha izy, ka fahavalo mahomby amin’ ireo refôrmatora. Nandray anjara manokana tamin' ny fifandirana natao taoLeipzig nifanoherany tamin' iKarlstadt sy Martin Lotera tamin' ny 1519 izy, tao Baden nifanoherany tamin' iJohannes Œcolampade tamin' ny 1526 ary tamin' ny fifampiraharahana taoRegensburg (frantsay:Ratisbonne) anoheraa an' iPhilipp Melanchthon tamin' ny 1541. Ny asasoratra lehibe nataony,Enchiridion (1525), fanapbarana ny soratra momba ny "fahadisoan' ny finoana" notorin' ny mpombba ny refôrmasiona, no soratra katôlika niely be indrindra tamin' ny taonjato fah-16. I Eck dia nandray anjara lehibe tamin' ny famolavolana nyconfutatio (ny fanoherana) izay valin' nyConfessio Augustana (Kônfesiôna Aogostana) natolotr' i Melanchthon ho an' ny fivoriambe nampanaovin' ny Emperora tao Augsburg tamin' ny 1530. Izy dia teôlôjiana malaza tamin' ny adihevitra teo anoloan' nyKônsilin' i Tredentio.