Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Jodea

Avy amin'i Wikipedia
Lohasahan' i Elah ao amin' ny Shephelah any Jodea

IJodea naJodia dia faritra be tendrombohitra resahina ao amin' nyBaiboly izay mifanandrify amin' ny ampahan' iJordania Andrefana sy ny ampahan' ny faritra atsimo amin' iIsraely ankehitriny. Izany hoe ao amin' ny tapany atsimon' iPalestina sady voafetran' nyRanomasina Maty ao atsinanana ary nyRanomasina Mediteranea ao andrefana no misy azy.

Avy amin' ny anaran' nyfokon' i Jodà (hebreo: שֵׁבֶט יְהוּדָה /Shevet Yehudah) io anaranaJodea naJodia io. Amin' nyteny hebreo dia atao hoe יהודה /Yehudah i Jodea.

Tamin' nyAndro Taloha dia ivon' ny fanjakana sy faritany maro i Jodea, ka anisan' izany nyFanjakan' i Jodà tamin' nyAndron' ny Vy, ny faritanypersianan' iJodea Medinata (hebreo: /Yehud Medinata), ny fanjakam-pianakavianahasmôneana ary ny fanjakam-pianakavinaherôdiana, ary taty aoriana ny faritany rômanan' i Jodea (latina:Iudaea).

Tsy nitsaha-niova nandritra ny tantara vokatry ny fanjakana nifandimby nifehy azy ny halehiben' ny tanin' i Jodea.

AoJôrdania Andrefana amin' izao fotoana izao (izay nobodoin' iIsraely hatramin' ny taona 1967 no mankaty) ny ampahany lehibe amin' i Jodea. Faritra be havoana sy tany karankaina i Jodea sady ahitana tany lemaka mahavokatra manamorona nyRanomasina Mediteranea, izay miteraka ny fandrosoan' ny fambolena isan-karazany mety amin' ny faritra mediteraneana (indrindra nyvarimbazaha, nyôliva, nyvoasary, nyaviavy ary nyvoaloboka). Ao atsinanan' ireo havoana ireo no ahitana nytany efitr' i Jodea. Ahitana harena an-kibon' ny tany toy nykôbalta sy nybrôma koa ny ao amin' io faritra io. Amin' izao fotoana izao dia iJerosalema sy iBetlehema ary iHebrôna no tanàna foibem-pivavahana.

Talohan' nyfahababoana tany Babilôna sy ny fanafahana nyJiosy tamin' ny taona 538 tal. J.K. dia niforona nyFanjakan' i Jodà taloha, ka i Jerosalema no natao renivohiny. Azon' nyBabilôniana ny ny Fanjakan' i Jodà tamin' ny taona 586 tal. J.K. ka rava i Jerosalema sy nyTempoliny dia natao sesitany ny akamaroan' ny mponina tao. Rehefa avy nanjaka tamin' io faritra io nyPersiana sy ny fianakavianaptôlemaika, dia nySeleokida taoSiria indray no nanjaka taminy avy eo izy nahazo fahaleovan-tena indray tamin' ny taona 141 tal. J.K. teo ambany fitarihan' nyMakabeo (izany hoe nyHasmôneana) izay nandroaka nytsy Jiosy sy ny Siriana. Tamin' ny taona 63 tal. J.K. dia azon' nyRômana i Jodea ka iHerôda Lehibe no mpanjaka voalohany nanapaka azy tamin' ny taona 37 tal. J.K. Rehefa naongana iArkelaosy zanak' i Herôda dia nakambana tamin' iSiria mba hiankina aminy i Jodea. Hatramin' ny taona 41 taor. J.K. ka hatramin' ny 44 taor. J.K. dia natolotra ny mpanjakaHerôda Agripa I izy alohan' ny hanambarana azy amin' nyEmpira Rômana tamin' ny taona 44 taor. J.K.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Jodea&oldid=1090123"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp