NyJiosy naJody dia vondrona ara-poko sy ara-pivavavahana[1] sady firenena[2], avy amin' nyZanak' i Israely naIsiraelita tao amin' ny fanjakana ara-tantaran' iIsraely sy iJodà[3], niaina taorian' nyfahababoana tany Babilôna, ary ny fivavahan' izy ireo dia nyjodaisma[4]. Atao hoe יְהוּדִים /yehudim izy ireo amin' nyteny hebreo, Ἰουδαῖοι /Ioudaĩoi, amin' nyteny grika, aryIudaei amin' nyteny latina. Ny Jiosy tsirairay dia mpikambana ao amin' ny vahoaka iray fantatra amin' ny fivavahany manokana, ny jodaisma, sy amin' ny firazanana ara-poko, amin' ny heviny malalaka, na dia tsy ara-pivavahana aza izany[5]. Mifandray be ny maha foko sy ny fivavahana ary ny fiarahamonina jiosy, satriafivavaham-poko ny jodaisma[6], saingy tsy ny foko jiosy manontolo no manaraka ny jodaisma. Na dia eo aza izany, ny Jiosy ara-pivavahana dia mihevitra ny olona niova fo ho amin' ny jodaisma ho Jiosy koa[7].
Ny lovantsofina jiosy dia mampifandray ny razambeny amin' ny patriarikaAbrahama syIsaaka aryJakôba (izay antsoina koa hoe Israely). Nanenika an' iJodea naJodia sy nyFanjakan' i Isiraely izy ireo ary nandrafitra ny fiainany andavanandro manodidina nyBaiboly hebreo, izay ahitana ny Boky dimy ao amin' nyTorah nomena an' iMosesy naMôizy, nyBokin' ny mpaminany tatỳ aoriana aryasasoratra hafa. Mamaritra nyfinoany, ny tantarany, ny maha firenena azy ary ny lalàna amin' ny lafiny rehetra momba ny fiainany ny Baiboly. Araka nyBaiboly dia nomen' iIahvehAndriamanitra azy ireo io tany io.
Nifindra monina na natao sesitany avy tany Jodea ny Jiosy ary nanorim-ponenana nanerana an' izao tontolo izao, taorian' ny fiovaovan' ny tantarany. Miezaka mitazona ny fomba fiainan' ny razambeny eo anivon' ny vahoaka manodidina izay iarahany monina izy ireo, ka namolavolafomban-drazana ara-pivavahana,nahandro syfiteny ary toetrany manokana hafa. Mifamaly amin' izany koa dia nanintona ny mponina nampiantrano azy izy ireo ary betsaka ny niova finoana ho amin' ny jodaisma tao amin' nyEmpira Rômana. Ny fiantraikany sy ny halehiben' ny isan' ny olona voakasin' izany fiovam-pinoana izany dia ady hevitra eo amin' ny samy mpahay tantara. Ny tantaran' izy ireo nandritra ny roa arivo taona mahery dia voamariky ny fanenjehana, na eo amin' ny tontolo kristiana na silamo; tany Eorôpa dia nifarana tamin' ny fandripahana faobe (Shoah) izany tamin’ ny taonjato faha-20.
Ny revôlisiôna lehibe tamin' ny vanim-potoana môderina dia nitarika ho amin' ny fahaverezana na fandaozana manontolo na amin' ny ampahany amin' ny mari-pamantarana nentim-paharazana teo maro amin' izy ireo. Maro ny ezaka atao mba hamaritana azy ireo ho vondrona ara-pivavahaha, ara-poko na ara-kolontsaina, ka avahana noho izany ny Jiosy ara-poko (olona avy amin' ny vahoakan' iIsraely fahiny) sy ny Jiosy ara-pivavahana (olona manaraka ny jodaisma)[8].
Sarotra ny mombana amin' ny fomba marina ny isan' ny Jiosy ankehitriny[9], ary anaovana fanombanana samihafa, saingy araka ny tombana natao tamin' ny taona 2016 dia manodidina ny 14,4 tapitrisa ny isan' izy ireo[10]. Araka ny fanisana iray hafa notontosain' ny Berman Jewish DataBank tamin' ny taona 2021 dia eo anelanelan' ny 15,2 tapitrisa sy 19,9 tapitrisa izany[11], izany hoe latsaky ny 0,2% amin' ny mponina eran-tany. Ny ankamaroan' izy ireo dia monina anyIsraely sy anyEtazonia, ary ny ambiny dia hita indrindra anyEorôpa, anyKanada ary anyAmerika Latina.
Roa nyteny malagasy voakasika eto dia ny hoeJiosy sy ny hoeJody. Ny teny hoeJiosy, izay ampiasain' nyPrôtestanta malagasy, dia tsy fanagasiana avy hatrany avy amin' nyteny hebreo na grika fa avy amin' nyteny anglisy hoeJews naJewish izay vakina hoe /dʒuːz/ sy /dʒu:iʃ/. Ity indray dia avy amin' nyteny frantsay tranainy hoeGiu izay mbola avy amin' ny teny frantsay talohan' io hoeJuieu. Io indray dia avy amin' nyteny latina hoeIudaeus.
Ny teny malagasy hoeJody, izay ampiasain' nyKatôlika malagasy, dia avy amin' nyteny latina hoeIudaeus. Ny teny latina hoeIudaeus dia avy amin' nyteny grika hoeἸουδαῖος /Ioudaios (Ἰουδαῖοι /Ioudaioi raha milaza maro) izay fandikana ny teny hebreo hoe יהודי /Yehudhi (na יְהוּדִים /Yehudhim raha milaza maro).
Tsy tokony hafangaro ny hoeHebreo (naHebrio) syIsraelita. NyHebreo naHebrio dia vondrom-pokosemitika izay nifindra avy anyMesôpôtamia naMezôpôtamia nankanyPalestina tamin’ ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Izy ireo no heverina fa razamben' ny Jiosy na Jody ankehitriny.
Ao amin' nyTestamenta Taloha, ao amin' nyBaiboly dia manondro ny taranaky ny zanaka lahin' iJakôba, izay lohan' nyfokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely, ny teny hoeIsraelita. Ny Jiosy izany dia tokony ho ampahan' ny Israelita ary ny Israelita (raha tsy manondro manokana ny vahoaka tao amin' nyFanjakan' i Israely na Fanjakan' i Samaria) dia tokony ho ampahan' ny Hebreo.
Nyjodaisma no fivavahan' ny Jiosy, izay fivavahanamônôteista, izany hoe mino andriamanitra tokana, aryYHWH no anaran' izany andriamanitra izany. Io anarana io anefa, araky ny finoan' izy ireo, dia masina loatra ka tsy azo tononina, ka izany no mahatonga ny Jiosy tsy hanonona afa-tsy ny hoeAdonai ("Tompo") naHaShem ("ilay Anarana") rehefa miresaka na mivavaka. Mino ny Jiosy fa tokana Andriamanitra, ka noho izany tsy manaiky nyTrinite kristiana izy. Ny fiteny masin' ny Jiosy dia nyfiteny hebreo.
Andro fitsaharana mifanandrify amin' ny andro fahafito amin' ny herinandro jiosy, izany hoe nyAsabotsy, nySabata izay atao hoe שָׁבַת /Shabbat amin' nyteny hebreo. Araka ny voalaza ao amin' nyBaiboly dia nasain' Andriamanitra notandreman' nyZanak' i Israely ny andro Sabata. Zava-dehibe indrindra ao amin' ny jodaisma ny andro Sabata ka hajain' ny Jiosy fatratra. Tokony hampitsahatra na hampihena araka izay azo atao ny asa rehetra amin' ny andro Sabata ny olona tsirairay mba hifantohany amin' ny fikarakarana ny fianakaviany sy ny ankohonany. Andro tsy fiasana ara-panjakana ny andro Sabata aoIsraely ka mahazo ny trano fivarotana sy ny fitaterana koa izany.
NyPesakh (hebreo: פֶּסַח) noPaska jiosy; ahatsiarovana ny nandalovan' ny fahafatesana eny ambonin' ny tranon' ireo Hebreo tany Ejipta ka tsy nahafaty ny voalohan-terany sady ahatsiarovana koa ny fivoahan' ny razany avy tamin' ny fanandevozana tany Ejipta; ankalazaina manomboka amin' ny faha-15 hatramin' ny faha-22n' ny volanaNisan ao amin' nytetiandro hebreo io fety io.
Ankalazana ny fijinjana ny varimbazaha sy ahatsiarovana ny nanomezan' Andriamanitra nyTorah (ny boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly) tany an-tendrombohitra Sinay (naSinaia) nyShavuot (hebreo: שבועות "herinandro"), izay ataon' ny Kristiana hoePentekôsta naPentekôty; amin' ny faha-6n' ny volanaSivan no anatanterahana izany fankalazana izany.
NySukkot (hebreo: חַג הַסֻּכּוֹת /Hag ha-Sukkot "fetin' ny trano lay" na "fetin' ny tabernakely") dia ahatsiarovana ny nanampian' Andriamanitra nyZanak' i Isiraely tamin' nynivoahany avy any Ejipta, ahatsiarovana ny fivahiniana mandritra ny 40 taona tany an-tany efitra taorian' ny fivoahan' ny Hebreo avy tany Ejipta, ary iravoravoana amin' ny fahataperan' ny tsingerin' ny fotoam-pambolena amin' ny taona. Ankalazaina manomboka amin' ny faha-15 hatramin' ny faha-21 (na faha-22) ao amin' ny volanaTishri io fety io.
NyNevi'im naNebi'im (hebreo: נְבִיאִים "Mpaminany") dia ilazàna ny boky mamorona ny fizaràna faharoa ao amin' nyBaiboly hebreo. Mizara roa nyNevi'im, dia nyNevi'im rishonim ("mpaminany taloha") sy nyNevi'im aharonim ("mpaminany taoriana"). Ny Mpaminany taloha dia ireo boky ataon' ny Kristiana hoe "boky ara-tantara" fa ny Mpaminany taoriana kosa mifanandrifindrify amin' ireo ataon' ny Kristiana hoe "bokin' ny mpaminany".
Jiosy anySina tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20.
"? מיהו יהודי" /Mihu yehudi? ("Iza no Jiosy?"). Ankehitriny ny hoeJiosy naJody dia teny enti-manondro indrindra ny mponina taoJodea (naJodia) tamin' ny andron' iJesoa na ny olona mpivavaka amin' nyjodaisma. Zavatra roa samy hafa ireo, nefa mifampiankina, satria misy ny Jiosy noho ny firenena niaviany (Jiosy ara-poko), mety ho Kristiana na tsy mivavaka ireo; nefa misy koa ny Jiosy noho ny fivavahany (Jiosy ara-pivavahana). Ny dikany voalohany anefa no hita ao amin' nyBaiboly. Mamaritra ny atao hoe "Jiosy" ho olona nateraka reny jiosy na olona niova finoana ho amin' ny jodaisma ny lalàna israeliana ankehitriny[12].
Tsy tokony hafangaro koa ny hoeJiosy (naJody) sy ny hoeIsraelita ary ny hoeIsraeliana.
Anondroana ny Jiosy avy any Afrika Avaratra sy avy anyAtsinanana Akaiky mitenyarabo sypersiana sady tsy manana fifandraisana ara-pirazanana amin' ny Jiosy ao amin' ny faritra eorôpeana koa ny teny hoeSefarada. Ny Jiosy avy anyIndia dia kilasina ho Sefarada koa[13].
NyJiosy askenazy dia ny Jiosy tamin' nyAndro Antenatenany nonina taoEorôpa Avaratra, sy ny taranak' izy ireo na dia tsy mipetraka amin' io faritra io aza. Rehefa noroahina sy nenjehina ny Jiosy askenazy dia nifindra fonenana mankany atsinanana, anyPôlônia sy anyLitoania ary anyRosia tamin' ny taonjato faha-15 sy faha-16. Maro amin' ny Jiosy askenazy ny nifindra monina anyAmerika Avaratra sy anyIsraely tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20. Miteny amin' ny fiteny vokatry ny fifangaroan' ny fiteny hebreo sy nyfiteny alemàna, atao hoefiteny idisy, ny Askenazy.
NySamaritana dia anisan' ny vahoaka milaza fa taranaky nyfokom-pirenen' i Israely very. Misy ny Jiosy mitsipaka izany, nefa ao koa ny Jiosy mihevitra ny maha azo ekena an' izany. Be mpanaraka ny petra-kevitra manohana fa ny 80% amin' ny mponina tao amin' nyFanjakan' i Samaria dia nanohy ny fonenany tao ihany fa tsy natao sesitany (jereo:Fahababoana asiriana), ka ireo no nanjary Samaritana (amin' ny dikan' io teny io ara-pivavahana) araka ny ambaran' nyBokin' ny Mpanjaka[14].
Jiosy nifindra monina anyIndia efa hatry ny ela nyBene Israely. Araka ny lovantsofin' ny Bene Israely dia nifindra tany India ka nifangaro tsikelikely tamin' ny vahoaka manodidina ny razamben' izy ireo, nefa nihazona ny fomba mampiavaka ny Jiosy[15]. Tamin' ny taona 1964 dia nanao fanambaràna ny fikambanan' nyraby ao Israely fa Jiosy tanteraka ny Bene Israely[16]. Ireo Jiosy avy any India ireo dia kilasina hoSefarada; nikambana tsara tamin' ny vahoaka sefarada ao Israely izy ireo[13].
Vahoaka jiosy ao sy avy aoEtiôpia nyBeta Israely, izay atao hoeJiosy etiôpiana koa. Neken' nyFanjakana israeliana ho Jiosy izy ireo sady afaka nifindra monina any Israely noho ny faneken' i Ovadia Yossef (raby lehibe sefarada ao Israely) azy ireo tamin' ny taona 1973 ho taranaky nyfokom-pirenen' i Dana.
Vondron' olonaaziatika monina any amin' ny sisin-tanybirmana any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' iIndia nyBney Menase, izay nanambara, efa hatramin' ny taona 1950, fa taranaky nyfokom-pirenen' i Manase izay nitady fialokalofana tany amin' ny faritra faran' izay lavitra anyAzia. Tamin' ny volana Marsa 2005, rehefa avy nanadihady ny amin' ny mety mbola hahitana ny taranaky nyfokom-pirenena folo very ny raby lehibe sefarada Rabbi Shlomo Amar aoIsraely, dia nekeny ny maha taranaka jiosy ny Bney Menase. Monina ao Israely amin' izao fotoana izao ny 1000 amin' izy ireo, sady efa niova finoana ho amin' nyjodaisma[17].
Maro ny vahoaka eto an-tany izay milaza fa Jiosy naHebreo (ohatra ny vondrom-poko sasany aoEtiôpia[18] sy anySina[19] ary ny mainty hoditra sasany anyEtazonia[20]) na dia tsy fantatry ny olona maro sady mety tsy hinoany na mety ho diso tokoa aza izany, ka anisan' izany nyMalagasy sasany (na rehetra), dia ny olona na vondrom-poko na fikambanana miaiky ny tenany na heverin' ny sasany fa taranaka jiosy na jody etoMadagasikara[21][22].
Nisy fikarohana sasany momba nyfoto-tarazo izay mitsipaka ny mety hisian' ny fifandraisan' io vahoaka io amin' ny Jiosy, nefa ny fikarohana ara-poto-tarazo hafa dia miaiky ny mety hisian' izany fifandraisana izany[26].
IAl-Biruni, ilay manampahaizana mozilmanapersana tamin' ny taonjato faha-11 no voalohany nanolo-kevitra ny amin' ny fisian' ny taranaky ny fokom-pirenena verin' i Israely ao Kasimira. I François Bernier, mpitsabo frantsay tamin' ny taonjato faha-17, sy i Sir Francis Younghusband, izay nizaha ity faritra ity tamin' ny taonjato faha-19, dia niresaka ny amin' ny ny toe-batana mifanahaka eo amin' ny Kasmiriana sy ny Jiosy[29], indrindra ny fihodirany mazava, ny orony somary lava, ny lohany somary mitovitovy[30]. Nilaza i Baikunth Nath Sharga fa na dia misy aza ny fifanahafana eo amin' ny fiforonan' ny anaram-pianakaviana kasmirita sy jiosy dia taranakaindô-ariana ny Pandita ao Kasimira, fa ny Jiosy kosa dia taranakasemita[31].
Nanaraka fanao jiosy mandrakariva nyfoko sefoy (sefwi) aoGanà, indrindra ny fitandremana nySabata, nyfamorana ny zazalahy amin' ny fahavalo andro nahaterahany (brit milah), ny fomba fampidirana ny zazalahy ho anisan' ny lehilahy amin' ny faha-13 taonany, ny fitandremana ny lalàn' ny fahadiovan' ny fianakaviana (taharat mishpcha naniddah). Mihevitra ny manampahaizana sasany fa ny fomban-drazana jiosy dia mety nampidirin' ny Jiosy voaroaka avy anyEspaina tao Ganà tamin' ny taona 1492 ka nifindra monina nankany atsimon' iMarôka. Lasa fantatra amin' ny anarana hoe "Tranon' i Israely" io foko io[32].
I Rabbi Howshua Amariel maneho an' i Rabbi Hi Ben Daniel, filohan' nyvahoaka jiosy igbô miaraka amin' ny takelaka iray
Milaza ny tenany fa taranaka israelita nyJiosy igbô aoNizerià. Tsy voamarin' ny fandinihana tsara ny tantara anefa izany. Nandinika ny literatiora ara-tantaran' iAfrika Andrefana tamin' ny vanim-potoan' nyfanjanahantany ny mpahay tantara sady nanao izay hampazava tsara ny anjara asa sahanin' io petrakevitra io ho an' ny olona nanoratra izany[33][34].
↑Jacob Neusner (1991).An Introduction to Judaism: A Textbook and Reader. Westminster John Knox Press. pp. 375–. ISBN 978-0-664-25348-6. "That there is a Jewish nation can hardly be denied after the creation of the State of Israel"
↑Facts On File, Incorporated (2009).Encyclopedia of the Peoples of Africa and the Middle East. Infobase Publishing. pp. 337–. ISBN 978-1-4381-2676-0. "The people of the Kingdom of Israel and the ethnic and religious group known as the Jewish people that descended from them have been subjected to a number of forced migrations in their history"
↑Eli Lederhendler (2001).Studies in Contemporary Jewry: Volume XVII: Who Owns Judaism? Public Religion and Private Faith in America and Israel. Oxford University Press. pp. 101–. ISBN 978-0-19-534896-5. "Historically, the religious and ethnic dimensions of Jewish identity have been closely interwoven. In fact, so closely bound are they, that the traditional Jewish lexicon hardly distinguishes between the two concepts. Jewish religious practice, by definition, was observed exclusively by the Jewish people, and notions of Jewish peoplehood, nation, and community were suffused with faith in the Jewish God, the practice of Jewish (religious) law and the study of ancient religious texts"
↑Amiram Gonen et Rachel Gilon (dir.),The Encyclopedia of the Peoples of the World, New York, Marwyn Samuels & Michael Zand, coll. "Henri Holt Reference Book, Ethnic Groups - Encyclopaedias", 1993, p. 279-280
↑Israël Finkelstein, Neil Asher Silberman,La Bible dévoilée, Les nouvelles révélations de l'archéologie, 2002, p. 256.
↑Weil, Shalva (2009) [2002]. "Bene Israel Rites and Routines". In Weil, Shalva (ed.).India’s Jewish Heritage: Ritual, Art and Life-Cycle(3rd ed.). Mumbai: Marg Publications. pp. 78–89.
↑Weil, Shalva (2008). "Jews in India". In Ehrlich, M. Avrum (ed.).Encyclopedia of the Jewish diaspora: origins, experiences, and culture.3. ABC-CLIO. pp. 1204–1212. ISBN978-1-85109-873-6.
↑Entine, Jon (2007). Abraham's children: race, identity, and the DNA of the chosen people (1st ed.). Grand Central Publishing. p. 149. ISBN 978-0446580632.
↑Roth C in theEncyclopedia Judaica, p. 1296-1299 (Keter: Jerusalem 1972).
↑The Works of Josephus, Complete and Unabridged New Updated Edition Translated by William Whiston, A.M., Peabody, MA: Hendrickson Publishers, Inc., 1987. ISBN 0913573868 (Hardcover).
↑"Kashmir". Jewish Virtual Library. 2012. Notysidihina talin'ny 28 Oktobra 2012.
↑Bhandari, Mohan C. (2006).Solving Kashmir. Lancer Publishers. p. 107. ISBN8170621259.