IJeôrjia naRepoblikan' i Jeôrjia dia firenena aoEorôpa Atsinanana syAzia Andrefana, ao amin’ ny faritr’ iTranskaokazia, manana morontsiraka ao amin’ nyRanomasina Mainty. Ny renivohiny dia iTbilisiKutaisi. Ny tanàna lehibe indrindra dia Tbilisi. Mirefy 69 700 km2 ny velaran-taniny ary miissa 4 555 911 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013. Ny faritr' ora dia +4.
Sarin-tanin' i Jeôrjia
Mahafaoka faritra mizaka tena iray (iÔsetia Atsimo, izay ao amin’ ny tapany avaratr’ ilay fifrenena) syrepoblika mizaka tena roa (i Ankazia ao avaratra-andrefana eo amin’ ny sisin-tany manasaraka azy amin’ iRosia, sy i Ajaria ao atsimo-tandrefana eo amin’ ny sisin-tany manasaraka azy amin’ iTorkia) ny tanin’ i Jeôrjia. Ny vohon-tanin’ i Jeôrjia dia anjakan’ ny tangoron-tendrombohitra voarakotra ala amin’ ny ankapobeny.
Ny tangoron-tendrombohitra lehibe indrindra ao dia ny an’ i Kaokazy Lehibe ao amin’ ny ilany avaratr’ ilay firenena, izay ahitana ireo tendrombohitra avo indrindra ao amin’ io firenena io (dia ny tendrombohitra Kazbek izay manana haambo 5 037 m), ireo tendrombohitr’ i Kaokazy Kely ao atsimo izay mazàna tsy mihoatra ny 3 000 m. Miova arakaraka ny faritra ny toetanin’ i Jeôrjia: mando izany raha ao amin’ ireo tany lemaka fa maina kosa ao amin’ ireo faritra avo.
Miompana amin’ nyfambolena ny toekaren’ i Jeôrjia ka volena any nyvoasary isan-karazany sy nydite ary nyvoaloboka. Mifototra manokana amin’ ny fanadiovan-tsolitany nytaozava-baventy any. Mandroso koa nyfizahàn-tany ao amin’ ny morontsiraky nyRanomasina Mainty izay ahitana toeram-pandroana manana ny lazanay.
Repoblika sôsialista sôvietika taloha i Jeôrjia (tao amin’ nyFiraisana Sôvietika). Nahazo ny fahaleovan-tenany izy tamin’ ny taona 1991 ary mpikambana tao amin’ nyFianakaviamben’ ny Fanjakana Mahaleo Tena (frantsay:Communauté des États Indépendants -- CEI) nefa niala tamin' ny taona 2009. Nanomboka tamin’ ny nahazoany fahaleovan-tena dia miharatsy hatrany ny toekaren’ i Jeôrjia, tsy tahaka ny zava-nisy talohan’ izany, vokatry ny korontana ara-pôlitika.