IJapàna[2]diafirenena ao atsinanan'iAzia. Ireo firenena manodidina azy dia iKorea Atsimo syAvaratra sySina aryRosia. Atao hoe 日本Nippon naNihon na (anarana ôfisialy) 日本国Nihonkoku) izy amin'nyfiteny japôney. I Japàna diatangoro-nosy manana halava 2500 km eo ho eo misy nosy efatra lehibe, dia iHonshu, iHokkaido, iKyushu ary iShikoku. Ao amin'ireo nosy efatra ireo ireo ny 97%n'ny mponina manontolon' i Japàna[3], izay miisa 126 tapitrisa mponina. ITokyo izay manana mponina 30 tapitrisa norenivohitra ary tanàna lehibe indrindra ao Japàna ary eto amin' izao tontolo izao.
Manana morontsiraka mirefy 30000 km any ho any ity firenena ity. Tendrombohitra no mandrakotra 75%n’ ny tanin’ i Japàna. Mangatsiaka ny toetany any avaratra izay andalovan’ ny rivotra avy anySiberia fa andalovan’ nyrivodozan-janapehin-tany kosa avy any Azia ny ao atsimo.
Ambony ny hakitroky ny mponina izay mahatratra 2 000 isaky ny km2 ao amin’ ny faritra sasany fa 13 000 any ho any izany aoTokyo renivohitra, tanàna ngeza indrindra maneran-tany. Tandrenivohitra ny ankabetsahan’ ny mponina any Japàna izay mahatratra 80 %, ary ny tangoron-tanànan’ i Tokyo no onenan’ ny 20 %n’ ny mponina ao amin’ ity firenena ity.
I Japàna no firenena matanjaka ara-toekarena faharoa maneran-tany, aorian’ iEtazonia. Taorian’ nyAdy Lehibe Faharoa no nanombohan’ ny tena fandrosoany. Miroborobo ny taozava-baventy any Japàna, izay mitana ny laharana voalohany amin’ ny seha-pamokarana maro toy ny fanamboarana fitaovana elektrônika sy fiarakodia. Ny Yen no vola miasa any, izay ampiasaina betsaka amin’ ny raharaham-barotra maneran-tany, ankoatra nydôlara sy nyeorô.
Miteny ny maribolana fa foaforona tamin' ny taonjato faha-7 tal. J.K. i Japàna, ary ny mpanjakaJimmu hono no namorona azy. Tafiditra tany Japàna ny fomba fanoratan' nyJapôney ankehitriny; ary nypretra no nampiditra azy tany.
Tsy tena mitondra nympanjaka, any amin' ny tanan' ny andriana ny hasina.
Firenena ao Azia:
Afganistàna -Arabia Saodita -Armenia -Azerbaijàna -Bangladesy -Bareina -Botàna -Broney -Emirata Arabo Mitambatra -Filipina -Iemena -India -Indônezia -Iràka -Iràna -Israely -Japàna -Jôrdania -Kambôdia -Katara -Kazakstàna -Kirgizistàna -Kôety -Kôrea Atsimo -Kôrea Avaratra -Laôsy -Libàna -Maldiva -Malezia -Mianmara -Môngôlia -Nepaly -Ômàna -Ozbekistàna -Pakistàna -Palestina (fanjakana) -Rosia -Sina -Singaporo -Siria -Srilanka -Tailandy -Taioàna -Tajikistàna -Torkia -Torkmenistàna -Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany
- ↑Endrika:Category handler/numbered ozy ny[http://www.stat.go.jp/data/kokusei/2005/kihon1/00/01.htmStatistics Bureau of Japan
- ↑https://mg.globalvoices.org/2008/01/19/512/
- ↑https://mg.globalvoices.org/2018/09/14/125993/