Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Israelianina

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Israely

NyIsraeliana naIsraelianina dia ny olom-pirenen' iIsraely amin' izao fotoana izao. Mety hoJiosy ara-pirazanana naara-pinoana izy ireo, mety hoArabo, mety hoMozilmana naKristiana, ary mety ho avy amina vahoaka hafa koa. Mety ao Israely na any amin' ny firenena hafa ny fonenan' ny Israeliana.

Amin' nyteny hebreo izy ireo dia atao hoe יִשְׂרְאֵלִים‎/Yīśreʾēlīm; , fa amin' nyteny arabo kosa dia إسرائيليين/Isrāʾīliyyīn.

Ny mponina ao amin' ilay firenena diaJiosy syArabo, izay 75 % sy 20 % amin' ny olom-pirenena; arahin' ireo vahoaka hafa vitsy anisa ara-poko sy ara-pivavahana, izay mahatratra 5 %.

Ny kolontsaina israeliana tany am-boalohany dia nofaritan' ireovondrom-piarahamonina jiosy am-pielezana izay nanaoaliyah ho any Palestina notantanin' ny Britanika avy anyEorôpa syAzia Andrefana aryAfrika Avaratra tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Taty aoriana ny fifindra-monina jiosy avy anyEtiôpia, ny fanjakan' nyFiraisana Sôvietika teo aloha, sy iAmerika dia nampiditra singa ara-kolontsaina vaovao tao amin' ny fiarahamonina israeliana ary nisy fiantraikany lalina teo amin' ny kolontsaina israeliana môderina izany.

Nanomboka tamin' ny fahaleovantenan' i Israely tamin' ny taona 1948 dia manana zanaka am-pielezana be dia be ny Israeliana sy ny taranaky ny Israeliana, izay mifanipaka amin' ny ankamaroan' ny Jiosy am-pielezana sy amin' ny an' ny vondrona ara-poko sy ara-pivavahana hafa; tombanana fa efa ho ny 10 % amin' ny mponina israeliana amin' ny ankapobeny no mipetraka any ivelany, indrindra fa anyRosia (ka iMôskoa no ahitana vondrom-piarahamonina israeliana lehibe indrindra ivelan' i Israely), anyIndia, anyKanada, any amin' nyFanjakana Mitambatra, anyEtazonia, ary manerana an' iEorôpa.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Israelianina&oldid=1081318"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp