Sainan' i IràkaSaritanin' i IràkaSarin-tanin' i Iràka
IIràka dia firenena ao amin’ ny faritraAtsinanana Akaiky anyAzia. Ny renivohiny dia iBaghdad. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. 438 317 km2 ny velarantaniny ary 31 129 225 ny isan' ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny 2012. Ny faritr' ora dia +3.
Tsy manana afa-tsy morontsiraka mirefy 40 km ao amin’ ny tapany atsimo, ao amin’ nyHoala Persika i Iràka. Ny sisa amin’ ny vohon-taniny dia anjakan’ ny lohasahan’ iTigra (naTigrisy) sy ny an’ iEofrata, ony roa lehibe ao amin’ ilay firenena. Ny toetanin’ i Iràka, amin’ ny ankapobeny, dia maina sytany efitra, afa-tsy ireo faritra be tendrombohitra.
Nyvahoaka irakiana dia betsaka tanora (manakaiky ny 45 % ireo latsaky ny 15 taona) ary tsy mitovy ny fitsinjaràny manerana an’ i Iràka: ny ampahany be amin’ ny veleran’ i Iràka dia tsy misy mponina. NyArabo no vahoaka maro an’ isa indrindra, izay mahatratra 73 %n’ ny mponina, sy nyKiorda, izay 22 %n’ ny mponina.
Ny fitrandrahana solitany no loharanom-bola lehibe indrindra any Iràka. Nitontongana izaitsizy anefa ny toekaren’ io firenena io taorian’ ny ady tao amin’ nyHoala Persika tamin’ ny taona 1991 sy 2003.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.