NyIlkanata diakanata niorina avy amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' nyEmpira Môngôly. Ny fanjakan' ny Ilkanida, fantatra amin' ny fomba ôfisialy amin' ny hoeIranzamin ("tanin' i Iràna"), dia nofehezin' ny Tranon' i Hulagu tao amin' ny vahoaka môngôly. I Hulagu Khan, zanak' i Tolui sady zafikelin' iGenghis Khan, no nandova ny faritra afovoany-atsinanana tamin' ny Empira Môngôly taorian' ny nahafatesan' i Möngke Khan rahalahiny tamin' ny taona 1260.
Amin' nyteny persiana dia atao hoe ایل خانان /Ilkhānān, fa amin' nyteny môngôly diaHülegü Ulus (Qulug-un Ulus).
Ao amin' ny faritra misy an' iIràna sy iAzerbaijàna ary iTorkia ankehitriny no tena fari-taniny. Amin' ny habeny lehibe indrindra, ny Ilkanata koa dia nahitana ampahany amin' iIràka, iSiria, iArmenia, iJeôrjia, iAfganistàna, iTorkmenistàna, iPakistàna ankehitriny, ampahany amin' iDagestàna amin' izao fotoana izao, ary ampahany amin' iTajikistàna amin' izao fotoana izao. Niova finoana ho silamo iny mpitondra Ilkanata taty aoriana, nanomboka tamin' i Ghazan tamin' ny 1295.
Tamin' ny taompolo 1330 dia ravan' ny "Fahafatesana Mainty" ny Ilkanata. Maty tamin' ny taona 1335 nykhan farany tao Abu Sa'id, taorian' izay dia rava ny kanata. Ny mpitondra Ilkanida, na dia tsy manam-piaviana iraniana aza, dia nanandrana nanambara ny fahefany tamin' ny fampifandraisana ny tenany amin' ny lasan' nyIraniana, ary naka mpahay tantara izy ireo mba hanolotra nyMôngôly ho mpandova nySasanida (224-651) an' i Iràna talohan' ny silamo.