Ny lanjan'ilay tablety dia eo amin'ny 680—730 grama. Ny endriky dia mifototra amin'ny endrik'ireo smartphone an'i Apple izay efa nahomby ary amin'ny endrik'ireo solosaina finday. Telo tapitrisa ny iPad efa lafo tanatin'ny iray volana sy tapany nanaraka ny famoahana azy.
Mitovy amin'i iPhone ary ny iPod touch ny mpandrindra milin'i iPad, izany hoe iOS 5 nanomboka ny 12 Oktobra 2011, ka afaka mandefa rindrankajy natao ho an'nyiPhone aryiPod touch ilay iPad. Azo alaina eo amin'ny App Store ny rindrankajin'i iPad ohatra ny rindrankajin'ireo milina iPod sy iPhone.
Mikasika ny fomba fankanesana eo amin'i aterineto, ny iPad dia manana fanohizana Wifi, ka mila foto-drafitrasa vao afaka mankeo amin'ny aterineto. Ny iPad3G dia afaka mankeo amin'i aterineto tsy mila foto-drafitrasa Wifi, fa mila karatra SIM mila famandrihana ("abonnement") manokana.