Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Hispania

Avy amin'i Wikipedia

IHispania dia nySaikinosy Iberiana sy ireo faritaniny. Teo ambany fahefan' nyRepoblika Rômana, i Hispania dia nizara ho faritany roa: i Hispania Citerior sy i Hispania Ulterior. Aamin' nyteny latina izy dia atgao hoeHispānia.

Nandritra ny Prinsipata, i Hispania Ulterior dia nozaraina ho faritany vaovao roa, i Bôetika (Baetica) sy i Lositania (Lusitania), fa i Hispania Citerior kosa dia nantsoina hoe Hispania Tarakôniana (Hispania Tarraconensis). Taty aoriana dia nozaraina ny faritra andrefana amin' i Tarakôniana, tamin' ny voalohany hoe Hispania Vaovao (Hispania Nova), izay nantsoina hoe "Callaecia" (na Gallaecia, izay niavian' i Galicia ankehitriny).

Nanomboka tamin' ny Tetrarkian' iDiôkletiano (taona 293 taor. J.K.), ny atsimo amin' ny sisa tavela amin' ny Tarakôniana dia nozaraina indray ho Kartaginiana (Carthaginensis), sy ny faritany hispanika rehetra, miaraka amin' ireo nosy Balearika sy ny faritanin' i Maoretania Tingitana (Mauretania Tingitana) anyAfrika Avaratra, dia nitambatra ho vondrona iray tatỳ aoriana. diôsezy sivily tarihin' nyvicarius. Ny anarana hoeHispania koa dia nampiasaina tamin' ny vanim-potoana nitondran' nyVisigôty.

Ny anaran' ny toerana môderina hoeEspaina syHispaniôla dia samy avy amin' ny hoeHispania.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Hispania&oldid=1064894"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp