IHildegard von Bingen dia vehivevymoaninabenediktina, mpahay siansan-javaboahary, mpanoratra, filôzôfaalemana teraka tamin' ny taona 1098 ary maty tamin' ny 17 Septambra 1179.
Mpampianatry ny fiangonana (dokotera), sady nanana talenta maro, sady mamera tao amin' ny abey,mistika,mpahita fahitana, mpanao sary, mpamoron-kira, pôeta, mpanorina ary mpitory teny tao amin' ny Dokean' i Frankônia. Izy koa dia olona manan-danja amin' ny tamin' ny fara tampon' ny siansan' ny fitsaboana tao amin' ny mônastera tamin' ny faran' nyAndro Antenatenany Ambony, izay vanim-potoana tetezamita mankany amin' ny Andro Antenatenany Afovoany izay niainan' i Hildegard.
Olon-tsambatra ao amin' nyEglizy Katôlika nanomboka tamin' ny taonjato faha-12 izy, tamin' ny taona 2012 izy dia nasandratra ho olo-masina sy notononin' ny papaBenoà XVI ho dokoteran' ny Eglizy.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.