Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Hetsi-panoherana 2025 eto Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'nyHetsi-panoheran'ny 2025 eto Madagasikara)
Mpanao fihetsiketsehana

Nyhetsi-panoherana Septambra 2025 eto Madagasikara dia hetsi-bahoaka nitranga noho ny fahatapahan' nyrano sy nyherinaratra matetika isan'andro manerana ny Nosy, izay niova ho fanoherana bebe kokoa ny fitondram-panjakana misy, hetsi-panoherana izay notarihin' ny mpianatra sy ny tanoramalagasy.

Ny mpikarakara avy amin'nyGénération Z naGen Z (fr) dia nampiasa ny fanevan' nyjiolahin-tsambo misatroka mololo notsongaina tamin' ilay andian-tantara an-tsaray japôney Jolly RogerOne Piece[1]. Tombanana ho 400 ny maratra ary 22 ny maty, ka anisan'izany nysolombavambahoakan'iBetioky Atsimo,Jean-Jacques Rabenirina[2]. Nolavin' ny manam-pahefana tamin' izany fotoana izany anefa ireo tarehimarika ireo ka mbola miandry ny antontanisa ôfisialy[3].

Efatra andro taorian'ny fihetsiketsehana dia noravan'ny filohan'ny RepoblikaAndry Rajoelina ny governemanta notarihin'ny praiminisitraNtsay Christian mba ho fampitoniana ny fihetsiketsehana.

Tamin' ny 11 Oktobra dia nisy ampahany tamin' ny tafika (ny CAPSAT) izay nanatevin-daharana ny mpanao fihetsiketsehana nameno ny kianja afovoan' ny renivohitra[4]. Nikomy ny tafika amin' ny ankapobeny tamin' ny farany, ka vaky nandositra any ivelan' iMadagasikara ny filoham-pirenena tamin' ny 12 Oktobra nampian' nyFrantsay[5]. Tamin' io andro io ihany, ny kôlônelyRandrianirina Michael no nandray ny fahefana sy nandrava ny andrim-panjakana ary nampanantena fifidianana ao anatin' ny roa taona[6]. Nolanian'nyantenimieram-pirenena tamin' ny latsa-bato 130 tao anatin'ny 131 ihany ny "empechement" ny filoham-pirenena fotoana fohy taorian'ny nanapahan'i Andry Rajoeliana hanafoana ny antenimieram-pirenana.

Toe-draharaha

[hanova |hanova ny fango]

Toe-draharaha ara-toekarena sy ara-tsôsialy

[hanova |hanova ny fango]

Nandritra ny taona maro dia niatrika fahatapahan' nyherinaratra sy rano matetika ny faritra rehetra etoMadagasikara. Nanambara ny orinasa mpaninjara jiro sy ranoJiro sy Rano Malagasy (na Jirama), fa, noho ny fahanteran'ny fitaovana sy ny tsy fahampian-drano ary ny tsy fahampian'ny solika, ka tsy afaka mampandeha ny famokarana araka ny filàna rano ary indrindra herinaratra, dia nampihodina ny fanapahana aoAntananarivo renivohitra.

Nandritra nyFivoriamben'ny Firenena Mikambana, talohan'ny fihetsiketsehana, dia nanambara nyfilohan'ny Repoblika,Rajoelina Andry, fa nahitana fitomboany 66% tao anatin'ny 6 taona ny tahan'ny famokarana herinaratra eto amin'ny Nosy, tarehimarika izay nolavin'ny mpanao fihetsiketsehana[7].

Antony ara-pôlitika

[hanova |hanova ny fango]

Nitranga tao anatin'ny kihon-dalana ara-pôlitika manohitra ny maha ara-dalàna ny filohaAndry Rajoelina ny fihetsiketsehana, izay tsy nankasitraka nyfifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2023 ny ankamaroan'ny mponina noho ny tsy tokony maha kandidà azy na efa nekena.

Nanomboka herinandro taorian'ny fisamborana nataon'nypolisy nasionaly tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Filankevim-pitananana ny kaominina Antananarivo:Alban Rakotoarisoa syClémence Raharinirina, avy amin'ny vondrona mpanohitraFiraisankina ny hetsi-panoherana, taorian'ny fitoriana nataon'nyAntenimierandoholona noho ny fidirana an-tsokosoko ary napetraka eo ambany fifehezan'ny fitsarana ny ampitson'izay[8].

Zava-misy manodidina

[hanova |hanova ny fango]

Talohan'ny hetsi-panoherana, tamin'ny 24 Septambra 2025 dia namoaka fampitandremana ny tompon'andraikitra ambony ao amin'ny État-major Mixte Opérationnel National (na Emmo-Nat) tamin'ny alalan'ny fanambaràna natao tamin'ny fahitalavi-pirenena TVM, manoloana ny fikasana hanao fihetsiketsehana amin'ny 25 Septambra. Ny général de division Jean Herbert Andriantahiana Rakotondrazaka, komandin'nyZandarimariam-pirenena, dia nanao ny fivoriana hanoherana ny fahatapahan' ny herinaratra, izay nomanina hatao eny Ambohijatovo ho "fandikan-dalàna satria tsy nahazo alalana ôfisialy", sady nilaza momba ny "mety hitarika ny fitomboan'ny herisetra" izy[9].

Tamin'io andro io dia tsy teto Madagasikara ny filohaAndry Rajoelina sy ny delegasiony, fa lasa tanyNew York namonjy ny fivoriana faha-80 amin' nyFivoriamben'ny Firenena Mikambana. Betsaka koa ny manam-pahefana lasa tanyMaorisy.

Fizotry ny hetsika

[hanova |hanova ny fango]

Herinandro voalohany

[hanova |hanova ny fango]

25 Septambra 2025

[hanova |hanova ny fango]

Nanomboka tamin'ny 25 Septambra 2025 ny hetsi-panoherana izay noeritreretina hatomboka teo amin'ny kianjan'ny demokrasia taloha, na koa MDRM Ambohijatovo afovoan-tanànan'Antananarivo. Na izany aza, nosakanan'ny mpitandro filaminana nanomboka vao mangirandratsy anefa io kianja io, ka nanakanana ny fivoriana izay nokasaina hatao. Na dia izany aza dia niely manerana an'Antananarivo sy manerana ny Nosy manontolo ny hetsi-panoherana.

Nihamafy vokatry ny fanoherana sy ny herisetra nataon'ny mpitandro filaminana ny fihetsiketsehana izay nilamina tamin'ny voalohany. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy bala tena izy ary nampiasa fiaram-panafihana avy amin'nytafika an-tanety ny mpitandro filaminana mba hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana[10].

Vokatr'izany fanakanana izany dia nitombo be ny fitakiana, nivaha ny olana momba ny fahatapahan'ny herinaratra tany amin'ny faritra sasany ary nisy ihany koa ny fitakiana momba ny fangaraharan'ny tetibolan'ny fanjakana, ny ady amin' ny kolikoly, ary hatramin' ny fialan'ny filohaRajoelina amin'ny toerany.

Efa ho 400 ny isan' ny maratra tamin'ny fiafaran'ny hetsi-panoherana, izay nentina maika tanyHopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona eny Ampefiloha[11].

Tamin'ny fiafaran'ny hetsi-panoherana, betsaka tamin' ny mpitandro filaminana izay nampiasaina hiambina nyLapan'ny Tanàna no nandao io toerana io haingana[12].

Vokatr'izany, nametraka ny tsy fahazoana mivezivezy amin' ny alina izay manomboka amin' ny 26 Septambra, amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina[13] nyprefen'ny pôlisin'Antananarivo, Angelo Ravelonarivo. Nanaraka an' izany koa ny tanàn-dehibe hafa: amin' ny 8 ora hariva hatramin'ny 4 ora maraina ny anyMahajanga ary amin' ny 7 ora hariva hatramin'ny 4 ora maraina anyAntsirabe.

26 Septambra

[hanova |hanova ny fango]

Ny andron'ny 26 Septambra, nisongadinan ny fandraisana anjara amin' ny fanarenana nataon'ny andaniny sy ny fitomboan' ny fandravana ankilany.

Tamin' ny 4 ora hariva, nisy ny fanambarana momba ny fahafatesan'iJean-Jacques Rabenirina,solombavambahoakan'iBetioky Atsimo izay avy amin'ny vondrona mpanohitraFiraisankina sy sojaben'nyAntenimierampirenena, vokatry ny lozam-piarakodia nahazo azy teny Andoharanofotsy.

Tamin'ny kabary natombony tamin'ny 7 ora sy sasany hariva, dia nanambara ny fanesorana amin' ny toerany an'i Jean-Baptiste Olivier, ministry ny Angovo sy ny Akoranafo iRajoelina Andry tanyNew York, satria "tsy natanteraka ny andraikitra" ity minisitra ity. Nanameloka ny herisetra niseho taorian'ny fihetsiketsehana ihany koa i Rajoelina ka nanao izany ho "hetsika fanakorontanana"[14].

27 Septambra

[hanova |hanova ny fango]

Nitohy ny fivorian'ny mpanao fihetsiketsehana taoAntananarivo tamin'ny 27 Septambra, ary ny sasany tamin'izy ireo dia nitondra satroka jobo miloko ho mariky ny firaisankina[14].

Efa nanana toetra mampiavaka ny mpianatra amin' ny ambaratonga ambony sy ny mpianatra ambaratonga faharoa ity hetsi-panoherana ity, tamin'ny fivoriana natao tamin'ny tanàn-dehibe enina etoMadagasikara. Nabaribarin' ny tanora mpanao fihetsiketsehana ny fahasahiranana ara-pivelomana mahazo azy ary notakiany ny zo hanana fepetra fianarana ara-drariny, indrindra fa hanana fahafahana mitovy amin' ny an' ny zanaky ny mpitondra izay mianatra any ivelany.

TaoAntananarivo dia nampiasa basy AK-47 sy etona mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana mba hanakanana ny mpanao fihetsiketsehana manerana ny Arabe Jeneraly Charles-de-Gaulle eny Tsiadana, hatrany amin'ny toeram-pianarana Ankatso eny amin'nyOniversiten'Antananarivo. Nampitombo ny fahatezerana ity famaizana ity noho ny fisian'ny hôpitaly tsy miankina "Mpitsabo Mikambanana 24/24" eo amoron'ity lalana ity, hôpitaly anisan'ny tsara fandraisana indrindra eto amin'ny firenena[15].

TanyAntsiranana kosa dia nahery vaika kokoa ny famaizana, ary nahafaty mpianatra iray izay lavon' ny bala.

29 Septambra

[hanova |hanova ny fango]

Niantso fanaovana fihetsiketsehana faobe ny fikambanan' ny mpianatra, ary nitaky ny famotsorana ny mpanao fihetsiketsehana voasambotra tamin'ny 27 Septambra, ankoatra ny fanehoan-keviny voalohany momba ny fahatapahan' ny rano sy ny herinaratra[16]. Rehefa niala avy tao amin'nyOniversiten' Antananarivo mankany amin' ny manodidina an' Ambohijatovo ny vondron' ny mpianatra, dia nosakanan' ny mpitandro filaminana, izay niezaka nandrava sy nanosika azy ireo hiverina tamin' ny alalan' ny etona mandatsa-dranomaso. Nanomboka nitaky ny fialan' i Rajoelina ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana[17].

Rehefa nitohy ny fihetsiketsehana, dia nanambara i Rajoelina fa handrava nygovernemanta notarihin' ny praiminisitraChristian Ntsay, ary nanome fe-potoana telo andro hanendrena praiminisitra vaovao[18][19]. Nosamborin' ny mpitandro filaminana ny solombavambahoakaAntoine Rajerison[17]. Novana manomboka amin' ny 8 ora alina ka hatramin' ny 4 ora maraina ny ora famerana ny fivezivezena ao Antananarivo[20].

Araka ny filazan' ny filohan'nyVaomieran' ny Firenena Mikambana misahana ny Zon' olombelona,Volker Türk dia olona 22 no maty ary 100 no naratra nandritra ny fihetsiketsehana, anisan'izany ireo matin' ny mpitandro filaminana sy ireo matin'ny fandrobana sy herisetra nataon'ny mpandroba sy ny andian-jiolahy. Nolavin'nyMinisteran' ny Raharaham-bahiny Malagasy ireo tarehimarika ireo[21].

30 Septambra

[hanova |hanova ny fango]

Nanao antso famoriam-bahoaka iray hafa ao Antananarivo manomboka amin' ny 11 ora maraina (ora malagasy) ny mpanao fihetsiketsehana[22]. An'arivony ny mpanao fihetsiketsehana tafavory tao amin' ny Kianjan' Ambohijatovo ao Antananarivo, ka ny sasany tamin' izy ireo dia avy any amin' ny tanàna any amin' ny faritany tonga manokana mba hanatevin-daharana ny hetsika[23].

Tamin' ny tranga iray, nosakanan' ny mpanao fihetsiketsehana ny fiaran' ny filohan' ny Antenimieran-doholonaRichard Ravalomanana, ka niala tao anaty fiara izy ary nanenjika azy ireo an-tongotra[24]. Nisy koa tatitra momba ny herisetra natao tamin' ny mpanao gazety, anisan' izany i Mendrika Razafindratsima sy i Leonardjo Andriamparany, izay nokapohin' ny mpitandro filaminana avy amin' ny GSIS tamin' ny tolakandro tao Ambohijatovo[25].

1 Oktobra

[hanova |hanova ny fango]

Niely tany amin' ny tanàna sy tanàn-dehibe hafa ny fihetsiketsehana, anisan' izany iToliara, eo amin' ny 925 km atsimon'Antananarivo. Nampangain' ny governemanta ho nanao fandravana sy mikotrikafanonganam-panjakana ny mpanao fihetsiketsehana. Nanambara ny mpitarika ny mpanohitraRivo Rakotovao fa tsy hiditra amin' ny governemanta izay ho eo ambany fitarihan-dRajoelina ny antokony sy ny mpiara-dia aminy, ary nitaky ny tokony hialan' ity filoham-pirenena ity amin' ny toerany[26].

Nanomboka niditra tamin' ny fihetsiketsehana ny sendikà, ary nisy ny antso hanaovana fitokonana faobe. Ny fihetsiketsehana tamin' ny 1 Oktobra dia voafehin' ny mpitandro filaminana kokoa, ary nihena be ny herisetra raha oharina amin' ny andro teo aloha[27][28]. Nifampidinika tamin' ny diplômaty vahiny tao amin' nyLapan' ny filoham-pirenena eny Iavoloha i Andry Rajoelina tamin' ny 1 Oktobra, ary nilaza i Lova Ranoromaro, mpitondra tenin' ny filoham-pirenena, fa niparitaka be ny mpanao fihetsiketsehana ary "tsy mbola nisy mpitarika mazava hita”[28]. Nanomboka nanambara ny vondrona maro mpomba an-dRajoelina fa hanao fihetsiketsehana hanoherana fihetsiketsehana izy ireo[29].

Herinandro faharoa

[hanova |hanova ny fango]

5 Oktobra

[hanova |hanova ny fango]

Anjatony vitsy monja ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fihetsiketsehana, ambany lavitra noho izay nirian-dRajoelina. Saika tsy nisy akory tamin’ izy ireo no nitafy akanjo misy ny sarin-dRajoelina[30].

7 Oktobra

[hanova |hanova ny fango]

Nampiasa etona mandatsa-dranomaso tamin' ny mpanao fihetsiketsehana an-jatony ny mpitandro filaminana. Nosakanan' ny sakana iray ny diabe. Lehilahy iray no nampidirina hôpitaly. Nitsikera ny mpitandro filaminana sy ny fampiasana bala tena izy nyFirenena Mikambana[31].

8 Oktobra

[hanova |hanova ny fango]

Niantso fifampiresahanaRajoelina, saingy nolavin' ny mpanao fihetsiketsehana izany raha mbola ampiharina ny famoretana ny fihetsiketsehana[32].

Herinandro fahatelo

[hanova |hanova ny fango]

9 Oktobra

[hanova |hanova ny fango]

Nampiasaina tamin' ny mpanao fihetsiketsehana ny grenady manaitra sy ny etona mandatsa-dranomaso ary ny bala fingotra[33].

11 Oktobra

[hanova |hanova ny fango]

Nisy ampahany tamin' nytafika an-tanety, nyCorps d’administration des personnes et des services de l’Armée de terre (na CAPSAT), ilay vondrona izay nitarika nyfanonganam-panjakana tamin' ny 2009 — nanao fikomiana ary niaraka tamin' ny mpanao fihetsiketsehana tamin' ny fiarovana azy ireo amin' ny tifitra sy daroka baomba nataon' nyzandary. Niantso ny tafika rehetra mba "hitsangana hiaraka amin' ny vahoaka" sy handà ny endrika kolikoly rehetra ny fitarihan' ny CAPSAT[34].

Noho io fandraisana andraikitra lehibe io, taorian' ny telo herinandro nisesy nanaovana hetsika, dia tafiditra teo amin' ny tokotanin' nyLapan' ny Tanàna, fantatra ihany koa amin' ny hoe "Kianjan' ny 13 Mey 1972" na "Kianjan' ny Demôkrasia" ny mpanao fihetsiketsehana. Avy eo dia voalaza fa nandositra an'Antananarivo ny filohaAndry Rajoelina mba hitady fialofana tanyMahajanga, ary hita teny amin' nyseranam-piaramanidina Philibert-Tsiranana ny fiaramanidiny manokana, na dia teo aza ny antson' ny CAPSAT hanao fanakatonana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo-Ivato.[35]

Tamin' ny hariva dia nilaza ny Fiadidiana ny Repoblika fa mbola eto amin' ny tanin' i Madagasikara ihany Rajoelina, ary nanomboka nihanalefaka fihenjanan' ny toe-draharaha tao Antananarivo ary niparitaka ny mpanao fihetsiketsehana. Na izany aza dia tsy nisy intsony ny fampiasan-kery avy amin' ny mpitandro filaminana na avy amin' ny tafika hitandroana filaminana[36]. Nisy miaramila iray, niandany tamin' ny mpanao fihetsiketsehana, matin' ny fifandonana tamin' ny zandary.

IMamy Ravatomanga, niaraka tamin' ny praiminisitra teo alohaChristian Ntsay, dia voalaza fa nandositra nankanyMaorisy tamin' ny 9 ora alina tao anaty fiaramanidin' ny orinasany manokana. Noho ny fandehanana tampoka dia tsy mbola nahazo alalana hipetrahana ao amin' nyseranam-piaramanidina iraisam-pirenena Sir-Seewoosagur-Ramgoolam ao Maorisy ilay fiaramanidina ka voatery niandry teo amin' ny habakabaka nandritra ny antsasak' adiny iray teo ho eo vao nahazofankatoavana avy amin' ny manampahefana maorisiana[37].

12 Oktobra: fikomian' ny CAPSAT

[hanova |hanova ny fango]

Nanambara ny CAPSAT fa mandray ny fifehezana tanteraka ny tafika, ka mampiray nyhery mitam-piadiana rehetra, anisan' izany nyzandary sy nypolisim-pirenena, hanohana ny raharaha ijoroan' ny mpanao fihetsiketsehana. Nanameloka ny fikasana hanaofanonganam-panjakana ny filohaAndry Rajoelina anyMahajanga, sady nilaza hoe: "misy ezaka haka fahefana tsy ara-dalàna amin' izao fotoana izao"[38].

Etsy ankilany, nyAntenimieran-doholona dia nanisotra ny filohany,Richard Ravalomanana, izay efa nandositra nankanyDubai ny omalin' io andro io.

14 Oktobra 2025

[hanova |hanova ny fango]

Tamin'ny 14 Oktobra 2025 dia namoaka didy fandravana nyAntenimieram-pirenena ny filohaAndry Rajoelina, indray andro taorian'ny nandosirany tany amin'ny toerana tsy fantatra, ary nilaza fa natahotra ny ainy izy taorian'ny fikomiana nataon'ny miaramila. Tsy nanaiky ny didy navoakan-dRajoelina ny Antenimieram-pirenena ary nanao latsa-bato nahafahana nanilika azy, fa nilaza kosa ny miaramila fa efa nandray ny fahefana.

Asa fanimbana nifanindran-dalana

[hanova |hanova ny fango]

Nisy nandoro nandritra ny hetsi-panoherana, ny trano fonenan'ny solombavambahokaNaivo Raholdina sy ny an'ny loholonaLalatiana Rakotondrazafy[10].Tsena maro koa no voaroba, anisan'izany ny Super U izay tantanan'ny Habibo, ny talen' izany, ilay frantsay-malagasyMalik Karmaly dia malaza ho akaiky ny fitondrana ary arovan'ny Fanjakana amin'ny fiampangana kolikoly. Ny orinasa maro ao amin' ny vondrona Inviso sy ao amin' ny vondrona Talys, izay samy akaikin' ny antokon'ny mpitondra, no tena niharam-pahavoazana tamin'ny hetsika.

Tamin'ny faran'ny andro dia nisy halatra sy fandravana, anisan'izany ny fandoroana ny tobin'ny teleferika eo Ankorondrano[39].

Fanehoan-kevitra

[hanova |hanova ny fango]

Eto an-toerana

[hanova |hanova ny fango]

Nahatezitra nyMalagasy sy nampitroatra azy ireo ny fampiasana hery, anisan'izany ny fanetsehana ny fiara mifono vy mitondra tafondro sy ny fampiasana bala tena izy.

Fahasimbana vokatry ny hetsika

[hanova |hanova ny fango]

Ny fanimban-javatra dia nahitana ny fandoroana ny trano fonenan'ny solombavambahoaka Naivo Raholdina sy ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, ny fandoroana ny tsena Super U maro sahanin'ny Habibo, ary koa ny tobin'ny teleferika eo Ankorondrano[39]. May ihany ny tsena maro tao amin'ny Tana Water Front[40] ary ny tsena lehibe "China Mall" ao Ankazomanga izay nisokatra vao haingana ary tantanin'ny Sinoa.

Nisy ny fandrarana ny fivezivezena amin' ny alina napetraka hatramin'ny 26 Septambra manomboka amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina taoAntananarivo, amin'ny 8 ora hariva hatramin'ny 4 ora sasany maraina taoMahajanga ary amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 4 ora maraina anyAntsirabe[13].

Loharano sy fanamarihana

[hanova |hanova ny fango]
  1. https://fr.wikipedia.org/wiki/One_Piece
  2. Violences à Madagascar : au moins six morts lors des manifestations dans la Grande Île surRéunion la 1ère, 2025-09-26. Novangiana tamin'ny 2025-09-26
  3. "Emeutes à Madagascar - Le Gouvernement rejette le bilan de 22 morts avancé par l'OHCHR",laverite.mg
  4. "Madagascar : des soldats rejoignent les milliers de manifestants à Antananarivo",www.lemonde.fr
  5. "Madagascar : le président déchu, Andry Rajoelina, confirme sa fuite à l’étranger",www.lemonde.fr
  6. "Madagascar military leader Colonel Michael Randrianirina sworn in as president",www.rfi.fr
  7. Nations unies – Andry Rajoelina évoque une augmentation de plus de 66 % de l’accès à l’électricité à Madagascar en six ans sur2424.mg - Vaovao maharitra eto Madagasikara, 2025-09-25. Novangiana tamin'ny 2025-09-25
  8. Madagascar: vague d’indignation après l’arrestation de deux conseillers municipaux d’Antananarivo surRFI, 2025-09-20. Novangiana tamin'ny 2025-09-26
  9. Manifestations – Les forces de l’ordre annoncent des “mesures fermes de prévention et de répression contre toute infraction à la loi” ce jeudi sur2424.mg - Vaovao maharitra eto Madagasikara, 2025-09-24. Novangiana tamin'ny 2025-09-25
  10. 10,0 et10,1Tirs à vue et gaz lacrymogènes : ce que l’on sait de la répression brutale des manifestations contre les coupures d’eau et d’électricité à Madagascar - L'Humanité surhttps://www.humanite.fr, 2025-09-25. Novangiana tamin'ny 2025-09-25
  11. Madagascar : plusieurs blessés et des arrestations lors d'une manifestation interdite à Antananarivo surRéunion la 1ère, 2025-09-25. Novangiana tamin'ny 2025-09-25
  12. Manifestations – Des éléments des forces de défense et de sécurité postés devant l’Hôtel de ville ont quitté les lieux précipitamment sur2424.mg - Vaovao maharitra eto Madagasikara, 2025-09-25. Novangiana tamin'ny 2025-09-25
  13. 13,0 et13,1Le préfet d’Antananarivo annonce un “couvre-feu de 17h à 5h du matin » sur2424.mg - Vaovao maharitra eto Madagasikara, 2025-09-25. Novangiana tamin'ny 2025-09-25
  14. 14,0 et14,1"Protesters gather again in Madagascar".RFI. 2025-09-27.
  15. "Madagascar: nouvelle journée de mobilisation après les violences".RFI (in Frantsay). 2025-09-27. Retrieved2025-09-27.
  16. Association des étudiants et Gen Z : Appel à une mobilisation générale, ce jour, *Midi Madagasikara*, 29 Septambra 2025.rohy, voatahiry tamin' ny 29 Septambra 2025 ao amin' nyhttps://web.archive.org/web/20250929075336/https://midi-madagasikara.mg/association-des-etudiants-et-gen-z-appel-a-une-mobilisation-generale-ce-jour/, fiteny fr-FR.
  17. 17,0 et17,1Ankatso – Tsiadana : Fifanenjanana teo amin' ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana omaly, *Midi Madagasikara*, 30 Septambra 2025.rohy, voatahiry tamin' ny 30 Septambra 2025 ao amin' nyhttps://web.archive.org/web/20250930062400/https://midi-madagasikara.mg/ankatso-tsiadana-face-a-face-etudiants-forces-de-lordre-hier/, fiteny fr-FR.
  18. Madagascar president sacks government over deadly protests, *Le Monde*, 29 Septambra 2025.rohy, naverina tamin' ny 30 Septambra 2025, fiteny en.
  19. Deadly youth-led protests force Madagascar’s president to fire the prime minister and his government, *Face2Face Africa*, 30 Septambra 2025.rohy, voatahiry tamin' ny 30 Septambra 2025 ao amin' nyhttps://web.archive.org/web/20250930110122/https://face2faceafrica.com/article/deadly-youth-led-protests-force-madagascars-president-to-fire-the-prime-minister-and-his-government, fiteny en.
  20. OMC-NAT : Antananarivo ville : Couvre-feu de 20h à 4h du matin, *Midi Madagasikara*, 30 Septambra 2025.rohy, voatahiry tamin' ny 30 Septambra 2025 ao amin' nyhttps://web.archive.org/web/20250930062144/https://midi-madagasikara.mg/omc-nat-antananarivo-ville-couvre-feu-de-20h-a-4h-du-matin/, fiteny fr-FR.
  21. Madagascar police fire tear gas as president fails to placate protesters, *BBC News*, 29 Septambra 2025.rohy, voatahiry tamin' ny 29 Septambra 2025 ao amin' nyhttps://web.archive.org/web/20250929220633/https://www.bbc.com/news/articles/c5y5j98p4pjo, fiteny en.
  22. "Nivory indray ny mpanao fihetsiketsehana tany Madagasikara na dia nesorina aza ny governemanta" (in en). France 24. 30 September 2025. https://www.france24.com/en/live-news/20250930-madagascar-protesters-mobilise-despite-firing-of-government. 
  23. "Ambohijatovo : Investi par des milliers de manifestants" (in fr-FR). Midi Madagasikara. 1 October 2025. https://midi-madagasikara.mg/ambohijatovo-investi-par-des-milliers-de-manifestants-2/. 
  24. "Tension politique : Le président du Sénat conspué à Ambatonakanga" (in fr-FR). Midi Madagasikara. 1 October 2025. https://midi-madagasikara.mg/tension-politique-le-president-du-senat-conspue-a-ambatonakanga/. 
  25. "Agression de journalistes: l'OJM condamne et exige des sanctions".Newsmada (in Frantsay). 26 September 2025. Retrieved2 October 2025.
  26. "Madagascar, Maroc : une Gen Z en quête de justice et d'un meilleur partage des richesses" (in fr) (Video). Radio France. 1 October 2025. https://www.radiofrance.fr/franceculture/podcasts/culture-de-l-info/madagascar-maroc-gen-z-en-quete-de-justice-et-d-un-meilleur-partage-des-richesses-7266587. 
  27. "Une accalmie dans le mouvement de contestation" (in fr-FR). Midi Madagasikara. 2 October 2025. https://midi-madagasikara.mg/une-accalmie-dans-le-mouvement-de-contestation/. 
  28. 28,0 et28,1"Mass protests and strikes grip Madagascar amid calls for president to resign" (in en). France 24. 1 October 2025. https://www.france24.com/en/africa/20251001-youth-protests-madagascar-president. 
  29. "Manifestation publique : Les partisans d’Andry Rajoelina préparent une contre-offensive" (in fr-FR). Midi Madagasikara. 2 October 2025. https://midi-madagasikara.mg/manifestation-publique-les-partisans-dandry-rajoelina-preparent-une-contre-offensive/. 
  30. "Madagascar's President Andry Rajoelina loses the battle for the streets". 2025-10-05. https://www.lemonde.fr/en/international/article/2025/10/05/madagascar-s-president-andry-rajoelina-loses-the-battle-for-the-streets_6746110_4.html. 
  31. "Madagascar president appoints army general as PM to defuse protests". 2025-10-06.
  32. Rabary, Lovasoa (8 October 2025)."Madagascar president holds talks spurned by protesters".
  33. Rogers, Abby."Police fire tear gas, rubber bullets as Madagascar protesters rally".
  34. Crise à Madagascar: des militaires appellent leurs pairs à la désobéissance, RFI, 11 Oktobra 2025.rohy, novangianany 11 Oktobra 2025.
  35. Madagasikara : tsy fankatoavana, fanakatonana ny seranam-piaramanidina ary fanohanana ny mpanao fihetsiketsehana, antson' ny miaramila CAPSAT izay mety hampiova ny zava-drehetra,Réunion la 1ère, 11 Oktobra 2025.rohy, novangianany 11 Oktobra 2025.
  36. [Mivantana] Krizy any Madagasikara : toe-draharaha mbola manjavozavo ao Antananarivo, Rajoelina « mbola eto amin' ny tanin' ny firenena », RFI, 11 Oktobra 2025.rohy, nojerena ny 11 Oktobra 2025.
  37. 5R-HMR Suivi et historique des vols,FlightAware, novangiana ny 11 Oktobra 2025.rohy.
  38. À Madagascar, le président affirme qu’une tentative de prise illégale du pouvoir est en cours,Libération, 12 Oktobra 2025.rohy, nojeren' ny 12 Oktobra 2025.
  39. 39,0 et39,1La station du téléphérique à Ankorondrano incendiée et vandalisée. sur2424.mg - Vaovao maharitra eto Madagasikara, 2025-09-25. Novangiana tamin'ny 2025-09-25
  40. https://www.madagascar-tribune.com/Antananarivo-en-flammes-un-jeudi.html

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Lahatsoratra mifandraika

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Hetsi-panoherana_2025_eto_Madagasikara&oldid=1121748"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp