Fidinan' i Jesoa tany amin' ny fiainan-tsy hitaSary hosodoko mampiseho ny fiainan-tsy hita (1411 -1416)
Nyfiainan-tsy hita nafitoeran' ny maty dia toerana misy ny olona na ny zavamananaina hafa aorian' ny fahafatesanan araka ny finoana sy ny fivavahana maro. Amin' ny heviny mifintina dia toerana anasaziana mandrakizay ny olona voaozona ny fiainan-tsy hita (ka atao hoehelo naafobe koa).
Nyfoto-pampianarana sy nytenim-pinoana ao amin' ny fivavahanamônôteista momba ny fisian' ny fiainan-tsy hita dia nateraky ny foto-kevitra mitaky ny fanamarinana ny fahamarinan' Andriamanitra amin' ny fitsarana, izay misy ifandraisany amin' ny fahatsapan' ny olona ny fisian' ny asa sy toetra ratsy izay tsy nahazo sazy ampy nandritra ny fiainan' izay nanatanteraka izany asa ratsy izany na nanana izany toetra ratsy izany.
Niely tamin' nyAndro Taloha sady hita amin' ny ankamaroan' ny fivavahana eto amin' izao tontolo izao ny finoana ny fiainan-tsy hita. Ny famaritana ny fiainan-tsy hita dia miovaova arakaraka ny fivavahana ary indraindray anaovana fivoasana samihafa ao amin' ny fivavahana iray. Ao amin' nybodisma, ohatra, dia toetran' nyfanahin' ny olona itambesaran' ny faniriana sy ny fahamaizam-po ny fiainan-tsy hita.
Ny hoehelo dia fanagasiana nyteny anglisy hoehell, izay nandikana ao amin' io fiteny io nyteny hebreo hoe שְׁאוֹל /sheol sy nyteny grika hoeΓέεννα /gehenna (avy amin' ny teny hebreo hoe גֵי־הִנֹּם /ge-Hinnom) sy Τάρταρος /Tártaros. Tsy ny fiainan-tsi-hita manontolo anefa no tondroin' nyBaiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy amin' ny hoehelo fa "toerana [...] inoan' ny mpivavaka kristianina ho fitoeran' ireo ratsy fanahy teto an-tany ka ijaliany amin' ny tsy fahitany an' Andriamanitra". NyBaiboly katôlika amin' ny teny malagasy kosa mampiasa ny hoeafobe.
Ao amin' nyHadesin' nyfedràn' ny kolontsaina grika sy rômana no itoeran' ny fanahin' ny olona maty ka nyandriamanitraPlotô no mpanapaka ao. Ny fiainan-tsy hita na ny fitoeran' ny maty na ny fanjakan' ny maty ao amin' nyfedrà grika dia atao hoefanjakan' i Hadesy naHadesy. Toerana any ambanin' ny tany izany izay anjakan' ilay andriamanitra atao hoeHadesy, ka izany no ilazana izany toerana izany hoe "fanjakan' i Hadesy". Ny Hadesy ao amin' ny fedrà grika dia tsy mitovy amin' ny an' ny fivavahana kristiana. Amin' ny teny grika dia ᾍδης /Hádēs na Ἅιδης /Háidēs no iantsoana ny Hadesy. Ny Rômana dia manao amin' nyteny latina ny Hadesy hoeInferni.
Ny fiainan-tsy hita na ny fitoeran' ny maty na ny fanjakan' ny maty ao amin' nyfivavahana jiosy dia atao hoeSeôla na Seôly (amin' nyteny hebreo dia atao hoe שאול /Sheol). Izany dia tsy inona fa ny ny fasana iraisan' ny olombelona rehetra. NyBaiboly hebreo dia manoritsoritra azy ho sahala amin' ny toerana tsy misy fahafinaretana izay itoeran' ny olona rehetra, na marina na meloka, na mpanjaka na andevo, na tia vavaka na tsy mivavaka, mba hitioerany amim-pahanginana sy hiandrasany ny fiverenany ho vovoka. Tsy izany anefa no iafaran' ny olombelona fa misy ny hovoavonjy avy ao amin' ny Seôla, araka ny lahatsoratra sasany, toy ny hita ao amin' nyBokin' ny Salamo (Sal. 86.13) sy ny hafa koa.
Mampiasa ny teny hoeHades nyTestamenta Vaovao amin' nyteny grika hanondroany ny fonenana na ny toetran' ny maty. Amin' ny andalan-tsoratra sasany dia toa maneho toerana sady tsy soa tsy ratsy izay iandrasan' ny maty ny fahafatesana, ny fandevenana, ary nyfitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty ny Hadesy. Maro ny andalana ao amin' ny Testamenta Vaovao no azo anatsoahana hevitra fanidina tany amin' izany fanjakan' ny maty izany i Kristy, mba hitondra ny olo-marina ho any any amin' nyLanitra na noho ny antony hafa, arakaraka ny fivoasana teôlôjika. Misy andalana hafa ao amin' ny Testamenta Vaovao izay azo anatsoahana hevitra fa toeram-pijaliana ho an' ny olon-tsy marina ny helo, ka izany dia mitarika ho amin' ny fiheverana fa mety misaraka roa miavaka tsara izany toerana izany.