Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Gregôrio Lehibe

Avy amin'i Wikipedia
Gregôrio Lehibe
Ankapobeny
AnaranaGregôrio Lehibe
Terakataona 540
Maty15 Martsa 604
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaItalia
Asa :Tsy fantatra
Fiainana manokana

IGregôrio Lehibe naGregoara Lehibe , izay atao hoeGregôrio I naGregoara I koa, nopapa faha-64 ao amin' nyEglizy Katôlika. Izy no nanao ny asasoratra lehibe maro momba nypatristika izay nanamarika sy mbola manamarika nytantaran' ny Fiangonana. Teraka tamin' ny taona 540 teo ho eo taoRôma izy, voafidy ho papa tamin' ny taona 590 ary maty tao Rôma tamin' ny 12 Marsa 604.

Mpampianatry ny Fiangonana izy sady iray amin' nyRain' ny Fiangonana Tandrefana dimy, miaraka amin' iAmbrôsio avy any Milano, iAogostino avy any Hipôna, iHierônimo avy any Stridôna ary iIreneo avy any Logdonoma. Nisy vokany be nandritra nyAndro Antenatenany ny asany.

Ho fanomezam-boninahitra azy ny hira novolavolaina tao amin' ny Abein' ny diôsezin' i Metz, taonjato roa taorian' ny nahafatesany, antsoina hoe "hira gregôriana" (tsy fantatra mazava ny anjara asany amin' ny fivoarana sy ny fanaparitahana io hiralitorjika io).

Nanomboka tamin' nyKônsily Vatikana Faharoa dia nankalaza azy ny Eglizy Katôlika isaky ny 3 Septambra; mankalaza azy foana nyFiangonana Ôrtôdôksa amin’ny 12 Martsa.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova |hanova ny fango]
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Gregôrio_Lehibe&oldid=1078269"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp