Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Google

Avy amin'i Wikipedia

NyGoogle Inc. (API : [gugœl]) dia orinasa noforonin'iLarry Page sySergey Brin tamin'ny27 Septambra 1998 tany amin'nySillicon Valley anyKalifornia.

Tamin'ny fanombohan'ny taona faha 2008, 210 lavitrisa dollar no lanjan'i Google tany amin'ny toeram-barotr'i Wall Street. Nanana lohamilina 1,8 tapitrisa hono i Google tamin'ny 2009, anefa 4 hetsy fotsiny no isany tamin'ny 2006.

Hanao mpikaroka manana anaranaCaffeine vaovao indray Google[1] i Google ho an'ny taona ho avy.

Tamin'ny fitaona anelanelan'ny Jiona 2000 sy Novambra 2004, efa miisa 8 lavitrisa mahery ny pejy hitan'ny mpikaroka Google. Tamin'ny 2008, iray lavitrisa mahery no isan'ny pejy hitany manerana ny Tranonkala[2].

Tantara

[hanova |hanova ny fango]

Fitombohan'i Google

[hanova |hanova ny fango]

Tamin'ny 1996, i Google, nitondra anarana BackRub tamin'izany fotoana izany, dia tetikasa siantifika iasan'i Larry Page sy Sergey Brin, mpianatra mianatra momba ny rindrankajy fikarohana ao amin'ny oniversiten'i Stanford. Mieritreritra rindrankajy mandinika ny fifandraisan'ny sehatra web izareo, ary io rindrankajy io mety manome valin-karoka tsaratsara kokoa nohon'ny mpikaroka mifaninana aminy tamin'izany, indrindra Altavista.

Novidiana tamin'ny 15 Saptambra 1997 ny anaram-bala « google.com »

Mitady vola anamboarana ny orinasany ireo mpianatra roa. Novainy ho « Google » ny anaran'ilay tetikasa. I Andy Bechtolsheim, anisan'ny namorona ny Sun Microsystem dia nanome azy ireo 100 000 $ tamin'izy nahita ny fandehanan'ny rindrankajy fikarohana google sy ny zavatra afaka nataony. Azony ihany ny 1 000 000 $ avy amin'ny fianankaviany sy ny namany, ary afaka natomboka avy teo ny orinasa Google Inc. tamin'ny7 Septambra1998. Garajy taoMenlo Park no biraony voalohany.[3][4]

Tamin'ny volanaFebroary1999, fikarohana 500 000 no omen'i Google valiny, ary tafakatra telo tapitrisa izy tamin'nyAogositra. Tamin'ny volanaMartsa, nifindra toerana tanyPalo Alto ny orinasa, ary tamin'ny9 Septambra1999, tapitra ny fanandramana.

Mametraka ny fahombiazany i Google

[hanova |hanova ny fango]

Tamin'ny janoary1999, manomboka miresaka sy manoratra momban'ny zavatra afaka ataon'i Google ny gazety. Manoratra ny gazety frantsayLe Monde fa mandraitra ny safidy ara-teknikan'i Google. Raha atsofoka izao ohatra ny teny « Bill Clinton » eo amin'ny Google, dia mamoaka ny tranonkala ny Whitehouse (Tranofotsy) izy, kanefa any amin'nyAltavista, tsy tonga dia asehony avy hatrany izany valiny izany : Tsy maintsy misafidy impolo na mahery vao avoakany ilay valiny. Lafitsara hafa : ataon'i Google soramatavy nykeyword ao anatin'ny fehezanteny, na ao amin'ny lohateny mitondra mankany amin'ilay pejin-tranonkala (raha misy) na ao amin'ny fizaràna misy ilaykeyword, kanefa i Altavista tamin'izany tonga dia manome ny rohy avy hatrany.

Tamin'ny Jiona 2000, Google no mpikaroka voalohany indrindra mafantatra ny fisian'ny pejin-tranonkala 500 tapitrisa. Miara-miasa amin'iYahoo! i Google ary nanomboka mamoaka dokam-barotra mandeha arakaraky nykeyword natsofoka. Tamin'ny faran'ny taona 2000, afaka ampiasaina ny Google toolbar.

Niandry an'i Eric Schmidt ho filohan'i Novell iLarry Page sySergey Brin tamin'ny Martsa2001, mba hiitatra ny orinasa. Tamin'ny4 Septambra2001, manana ny brevet-ny i Google momban'i PageRak. Ankehitriny, fikarohana voalohany eo amin'ny Internet i Google ankehitriny ; 80 isan-jaton'ny internaoty amerikanina no mampiasa ny fitaovam-pikarohana Google, kanefa 35 isan-jaton'ny sinoa monja no mampiasa azy, satria alehany ilay tranonkala sinoaBaidu, mamoaka valim-pikarohana tsaratsara kokoa ho an'ny karoka amin'ny fiteny sinoa.

Sampandraharaha vaovao sy orinasa novidiana

[hanova |hanova ny fango]

Fiavian'ny anarana

[hanova |hanova ny fango]

Google sy ny fananana ara-tsaina

[hanova |hanova ny fango]

Ny loharano ara-bola

[hanova |hanova ny fango]

Ny AdWords

[hanova |hanova ny fango]

Ny AdWords dia fivarotana ireo teny tadiavina ("keyword" na "mots-clés") amin'ireo orinasa izay sahy manome vola betsaka indrindra mba hipoitra voalohany amin'ireo valin'ny fikarohana ny tranon-kala. Izany hoe raha manoratra ieo teny tadiavina izay nisy nividy ianao dia ireo izay nandoa vola betsaka indrindra no mipoitra amin'ireo valiny voalohany.

Ny Adsense

[hanova |hanova ny fango]

Ny Adsense dia fomba iray hanaovan'i Google dokam-barotra, dokam-barotra izay misy rohy ka raha misy olona maromaro mikitika ilay rohy dia mahazo vola avy amin'ireo orinasa nampanao ny dokam-barotra izy. Tsy izy irery anefa no mahazo vola fa ireo tranon-kala izay nisy ilay dokam-barotra koa satria ny olona rehetra dia afaka mametraka dokam-barotra Adsense eo ami'ny tranon-kalany.

AI Investment in Africa

[hanova |hanova ny fango]

Tamin'ny Jolay 2025, Google dia mampiasa vola amin'ny AI, amin'ny programa $37 tapitrisa natao hanafaingana ny fivoaran'ny intelligence artificial (AI) any Afrika, miaraka amin'ny fampiasam-bola avy amin'ny fikarohana eo an-toerana mankany amin'ny tetikasa momba ny fanaraha-maso ny voly fambolena sy ny fampifanarahana ny teknolojia sy ny fiteny afrikanina.[5].

Fifandraisana

[hanova |hanova ny fango]

« Don't be evil »

[hanova |hanova ny fango]

Sampandraharaha elektrônika

[hanova |hanova ny fango]

Google latitude

[hanova |hanova ny fango]

Google books

[hanova |hanova ny fango]

Tsikera

[hanova |hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova |hanova ny fango]

Lahatsoratra mifatotra

[hanova |hanova ny fango]
  1. "kopian'ny arisiva". Archived fromthe original on 2009-10-15. Retrieved2009-10-05.
  2. Google Israel aparecido lima de Araújo a identifié mille milliards d'adresses sur la ToileArchived Septambra 26, 2009 at theWayback Machine((fr))
  3. Brin,Sergey;Page,Lawrence(1998)."The anatomy of a large-scale hypertextual Web search engine".Computer Networks and ISDN Systems30(1–7): 107–117.Endrika:Citation/identifier.http://infolab.stanford.edu/pub/papers/google.pdf. 
  4. Barroso,L.A.;Dean,J.;Holzle,U.(April 29, 2003)."Web search for a planet: the google cluster architecture".IEEE Micro23(2): 22–28.Endrika:Citation/identifier.https://semanticscholar.org/paper/8db8e53c92af2f97974707119525aa089f6ed53a."We believe that the best price/performance tradeoff for our applications comes from fashioning a reliable computing infrastructure from clusters of unreliable commodity PCs." 
  5. "Google dia mampiasa vola amin'ny fampandrosoana $37 tapitrisa Afrique=Africa". 25 Jolay 2025. Retrieved25 Jolay 2025.{{cite web}}:Cite has empty unknown parameter:|1= (help)
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Google&oldid=1127582"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp