Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Goiana

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Goiana
Toerana misy an' i Goiana

IGoiana naRepoblika Kôperativan' i Goiana (anglisy:Co-Operative Republic of Guyana), Goiana Britanika taloha, dia firenena anyAmerika Atsimo, , ao amin' ny tapany avaratry ilay zana-kôntinanta ary manana morontsiraka ao amin’ny Ranomasimbe Atlantika. Fanapin' izany dia izy no fanjakana tokana ao Amerika Atsimo izay manao ny fiteny anglisy ho fiteny ôfisialy. IGeorgetown no renivohiny.

Misy endri-toerana isan-karazany ny ao Goiana ary ahitana faritra voajanahary maromaro: ny faritra amorontsiraka, any avaratra, izay mitohy any amin' ny faritra misy fasika fotsy; ny avaratra-andrefana, rakotra ala mikitroka; ny afovoany-andrefana, faritra be tendrombohitra izay misy mahatratra 2 875 m eo amin' ny Tendrombohitra Roraima; ary ny atsimo, ahitanalembalemba rakotra nyhivoka. Manana renirano lehibe maromaro i Goiana, anisan' izany ny Ony Essequibo.

Sarin-tanin' i Goiana

Zanatany britanika teo aloha i Goiana izay nahaleotena nanomboka tamin' ny taona 1966 (tamin' io daty io no nitondrany ny anarana hoe Goiana), saingy mbola isan' ny mpikambana ao amin' nyCommonwealth izy.

Firenena mifanolo-bodirindrina

[hanova |hanova ny fango]

Goiana dia eo anelanelan'iSorinama syVenezoela eo amin'ny morontsiraka Atlantika Amerika Atsimo.Manamorona an'iBrezila any atsimo ny firenena

Mponina

[hanova |hanova ny fango]

Ny ankamaroan' ny mponina ao Goiana diaIndianina avy anyAzia, ahitanaAfrikana syAmerindiana koa ny ao. Ny fivavahana roa lehibe dia nykristianisma (55 %) sy nyhindoisma (30 %); ahitanaMozilmana vitsy an' isa ihany koa ilay firenena (eo ho eo amin' ny 10 %). Mipetraka any ambanivohitra ny ankamaroan' ny mponina.


Toekarena

[hanova |hanova ny fango]

Mananaharena an-kibon' ny tany betsaka i Goiana: nybaoksita, nymanganezy, nyvolamena ary nydiamondra. Sehatr' asa lehibe ny fambolena (famokaranasiramamy,vary arykafe).

Fitantanan-draharaha & Tanàna

[hanova |hanova ny fango]

Ny tanàna lehibe indrindra dia:Georgetown 235.017 mponina,Linden 44.690 mponina,New Amsterdam 35.039 mponina aryAnna Regina 12.448 mponina.

Ny Faritra sy ny laharan’ny faritra.
NofaritraRenivohitravelarantany km2Mponina
(2012 census)
Mponina
/km2
1Barima-WainiMabaruma20,33926,9411.32
2Pomeroon-SupenaamAnna Regina6,19546,8107.56
3Essequibo Islands-West DemeraraVreed en Hoop3,755107,41628.61
4Demerara-MahaicaTriumph2,232313,429140.43
5Mahaica-BerbiceFort Wellington4,19049,72311.87
6East Berbice-CorentyneNew Amsterdam36,234109,4313.02
7Cuyuni-MazaruniBartica47,21320,2800.43
8Potaro-SiparuniMahdia20,05110,1900.51
9Upper Takutu-Upper EssequiboLethem57,75024,2120.42
10Upper Demerara-BerbiceLinden17,04039,4522.32
Total214,999747,8843.48

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Goiana&oldid=1094712"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp