Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Goatemala

Avy amin'i Wikipedia
República de Guatemala((es))
((es))
Repoblikan'i Goatemala((mg))
Sain'i GoatemalaMari-piandrian'i Goatemala
(Antsipirihany)(Antsipirihany)
Teny filamatra: Libertad
Teny ofisialyEspaniola
RenivohitraGuatemala
14°37′N90°31′W / 14.617°N 90.517°W /14.617; -90.517Coordinates:14°37′N90°31′W / 14.617°N 90.517°W /14.617; -90.517
Tanàna lehibe indrindraGuatemala
Fitondrana sy governemanta
 -Filoha
 -Filoha faharoa
Repoblika
Bernardo Arévalo
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 104
108 890km²
0,4 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 -hakitroka
faha 68
13 824 463[1] mpo.
125,6 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponinaGoatemaliteka,
IDH (2004)0,673 (moyen) faha 117
Sandam-bolaQuetzal goatemaliteka,Dollar amerikana (GTQ)
Faritr'oraUTC -6
Hiram-pirenenaGuatemala Feliz
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+502

IGoatemala dia firenena aoAmerika Latina izay manana morontsiraka ao amin' nyRanomasimbe Atlantika sy ny ao amin' nyRanomasimbe Pasifika. Ny renivohiny dia iGuatemala. Manana velaran-tany mirefy 108 890 km2 izy ary misy mponina miisa 17 153 288 tamin' ny taona 2020. Atao hoeGoatemalteka ny mponina ao.

Mamakivaky ny tanim-pirenen' i Goatemala avy any atsinanana ka hatrany andrefana i Sierra Madre, izaytandavan-tendrombohitra ipoiram-bolkano (ny tendrony avo indrindra amin' izany dia nyafotroa Tajumulco izay manana haavo 4 220 m). Vokatr' izany dia manana vohon-tany ahitana endrika mifanohitra io firenena io: mifanohitra amin' ny lemaka amoron-tsirak' i Pasifika sy amin' ny tany mafana ao Petén (izay lembalemba midadasika any avaratry ny firenena ary rakotra ala mikitroka) ny tany avo ao afovoany. Ny ankamaroan' ny afotroa any Goatemala dia maty, nefa miseho matetika nyhorohoron-tany.

Mizara roa ny fiaraha-monina goatemalteka, izaykatôlika ny ankamaroany: ao nyIndiana avy amin' ny Maia (65 %-n' ny mponina) izay mahantra, monina indrindra any amin' ny faritra avo tsy mahavokatra; ary ao ny Ladinô (safiotra sy taranaky espaniôla) izay mipetraka any an-tanàn-dehibe; lehibe ny tsy fitoviana eo amin' ny vondrona roa tonta. I i Goatemala no firenena be mponina indrindra anyAmerika Afovoany. Manodidina ny 60 %-n’ ny mponina no mipetraka any ambanivohitra.

Nykafe no volena indrindra ao amin' ilay firenena, mitentina efa ho ny antsasaky ny vola azo amin' ny fanondranana ny vola azo avy amin' ity fambolena ity. Ny fanodinana sakafo sy ny fanamboarana lamba no asa indostrialy ao. Nanomboka tamin' nyAdy Lehibe Faharoa dia namporisika ny fampiroboroboana ny indostria ny fitondram-panjakana ao Goatemala mba hahatonga ny toekarena tsy hiankin-doha loatra amin' ny famokarana kafe syakondro.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Tsiahy

[hanova |hanova ny fango]
  1. Université de Sherbrook. Perspective Monde, Guatemala,En ligne
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Goatemala&oldid=1095232"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp