Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Glasnost

Avy amin'i Wikipedia
IMikhail Gorbachev sy i Raisa Gorbachev vadiny

NyGlasnost dia pôlitikan' ny fahalalahana maneho hevitra sy ny famoaham-baovao, nanomboka tamin' ny loza nokleary tao Chernobyl ary avy eo nentin' iMikhail Gorbachev tao amin' nyFiraisana Sôvietika tamin' ny volana May 1986. Hevitra mifandraika amin' ny fisokafana sy ny mangarahara tao amin' ny Firaisana Sôvietika nyGlasnost. Manana dikany ankapobeny sy manokana maromaro izy io, anisan' izany ny pôlitikan' ny fisokafana lehibe indrindra eo amin' ny asan' ny andrim-panjakana sy ny fahalalahan' ny fampahalalam-baovao ary ny tsy fanekena ny fampanginana ny olana.

Amin' nyteny rosiana izany dia atao hoeгласность /glasnost [ˈɡlasnəsʲtʲ]. Amin' ny teny rosiana ny teny hoeгласность dia nampiasaina hatry ny ela amin' ny heviny hoe "fisokafana" sy "fangaraharana". Tamin' ny tapaky ny taompolo 1980 dia nataon' i Mikhail Gorbachev ho teny filamatra ara-pôlitika io teny io mba hampitomboana ny fangaraharan' ny governemanta tao amin' nyFiraisana Sôvietika ao anatin' ny rafitry nyperestroika.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Glasnost&oldid=1068533"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp