NyGestapo dia fanafohezana ny "Geheime Staatspolizei", izay miaramila miafinaalemaina alemanina, nampihorohoro tokoa tamin'ny andron'ny fitondrana nazista notarihin'iAdolf Hitler.Hermann Göring no nanangana azy io tamin'ny taona1933.
NySS no tafika nazista tamin'izany fotoana izany, fa ny Gestapo kosa dia hery niafina izay zary biby fampitahorana an'i Eoropa, noho izy tafiditra an-tsokosoko tamin'ireo sokajin'asa rehetra (birao, ozinina, sekoly,...), natao hitsikilo ary nanana fahefana nanondro sy nanendrikendrika, nisambotra sy nandefa tany amin'ny toby fampijaliana ireo izay lazaina fa nanohitra ny fitondran'i Hitler.
Ny volana aprily 1934 kosa dia nahasahana hatramin'ny SS ny Gestapo, ka iHimmler no natao lehibeny, ary ny volana jiona 1936 izy no lasa lehibe tsy refesi-mandidin'ny polisim-pirenena alemana. Tamin'izany no nizarana ho roa nypolisy :
- ny polisy miandraikitra ny fiarovana -Sicherheitspolizei - i Reinhard Heydrich no lehibeny , ka tafiditra ao anatin'izany ny zandary, ny polisy mpitandro filaminana (Schutzpolizei) ary ny polisim-bohitra (Gemeindepolizei).
- sy ny polisy misahana ny filaminana -Ordnungspolizei - i Kurt Daluege no lehibeny izay nahitana ny polisin-jiolahy (Kriminalpolizei) sy ny Gestapo.
Ny10 Febroary1936 no nivoaka ny "vinavinan-dalàna Goring" izay manome fahefana tanteraka ny Gestapo hiasa tsy misy sakantsakana amin'ny sehatra rehetra, ary tsy azo natao tamin'izany ny nanohitra na nametraka fitarainana. Izay no nahatonga ny Gestapo niasa tanatin'ny tsy rariny tanteraka sy nampanjaka ny fampihorohorona tsy tamin'ahiahy.
NyFivoriamben'i Nurnberg no nanafoana ity endriky ny habibiana sy izay rehetra mamoafady nampiharin'ny fitondrana nazista ity.