Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Genova

Avy amin'i Wikipedia
Genovia

IGenova dia tanàna italiana, renivohitr' i Liguria izay eo amoron' ny Ranomasin' i Liguria, eo amoron' ny Hoalan' i Genova indrindra. Atao hoeGenova izy amin' ny teny italiana,Zêna amin' nyteny ligoriana,Genoa amin' nyteny anglisy aryGênes amin' nyteny frantsay. Io no seranan-tsambo italiana lehibe indrindra ary iray amin' ireo seranana lehibe indrindra any amin' nyRanomasina Mediterane. Tamin' ny taona 2017 i Genova no tanàna fahenina anyItalia ary misy mponina 580 112 ary 846 363 ao anatin' ny faritry ny tangoro-tanàny. Ny fari-tanàn-dehibeny dia misy mponina 1 540 000 eo ho eo.

I Genova dia renivohitry ny iray amin' ireorepoblika an-dranomasina natanjaka indrindra nandritra ny taonjato fito mahery, nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 ka hatramin' ny taoa 1797. Indrindra fa tamin' ny taonjato faha-12 ka hatramin' ny faha-15 dia nitana anjara toerana lehibe teo amin' ny fifanakalozana ara-barotra tany Eorôpa ilay tanàna, ka lasa iray amin' ireo hery an-dranomasina lehibe indrindra tao amin' ilay kôntinenta ary heverina ho anisan' ny tanàna manankarena indrindra eran-tany. Nantsoin' iFrancesco Petrarca hoela Superba koa izy noho ny voninahiny teo amin' ny ranomasina sy ny mari-pamantarany manaitra. Ny tanàna dia iorenan' ny toeram-panamboarana sambo sy fandrendrehanatsỳ nanomboka tamin' ny taonjato faha-19, ary ny sehatra ara-bola matanjaka tao aminy dia nanomboka tamin' nyAndro Antenatenany. Ny Banco di San Giorgio, naorina tamin' ny 1407, no bankim-petra-bolam-panjakana tranainy indrindra eran-tany ary nanana anjara toerana lehibe tamin' ny fampandrosoana ara-toekarena ny tanàna nanomboka tamin' ny tapaky ny taonjato faha-15.

I Genova, miaraka amin' i Milano sy Turino, dia mamaritra ny "telolafy indostrialy", izay faritra be indostria indrindra anyItalia. Foibe manan-danja amin' ny siansa, ny teknôlôjia, ny lamaody ary fanatanjahantena italiana ilay tanàna. Ny foibe ara-tantara, izay fantatra amin' ny anarana hoe Tanàna tranain' i Genova, dia iray amin' ireo lehibe indrindra sy be mponina indrindra anyEorôpa. Ny ampahany manan-danja amin' ilay foibe ara-tantara dia eo ambany fiarovan' nyUNESCO nanomboka tamin' ny taona 2006.

Ny tantara manankarena ara-kolontsainan' ilay tanàna amin' ny sehatry ny zavakanto, ny mozika ary ny nahandro dia nahatonga azy ho lasa Renivohitry ny kolontsaina eorôpeana tamin' ny taona 2004. Io no tanàna nahaterahan' i Guglielmo Embriaco, iCristoforo Colombo, i Andrea Doria, iNiccolò Paganini, i Giuseppe Mazzini, iRenzo Piano ary i Grimaldo Canella, mpanorina ny Maison Grimaldi, ankoatry ny hafa.

    Search Wikimedia Commons I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i :Genova
    Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Genova&oldid=1079743"
    Sokajy :

    [8]ページ先頭

    ©2009-2026 Movatter.jp