Mpitarika fanonganam-panjakana namely nyRepoblika faharoa espaniola iFrancisco Franco tamin'ny taona 1936. Taorian'io fikomiana io no nanomboka nyady an-trano espaniola (en). Samy nanohana an'i Franco na ny fasista, na ireo orinasa lehibe, nyfiangonana, ireo olonampandala ny nentin-drazana ary ireo Espaniolanasionalista. Governemanta sosialista no nitantana ny Repoblika Espaniola tamin'izany fotoana izany ary nikendry hanangana sampam-pihariana maro sy hanao izay hampihena ny herin'nyfiangonana. Natsangan'nyRepoblika nyantenimiera isam-paritra tany Espaina. Nihevitra ny nasionalista fa tsy mety izany fa mampalemy an'i Espaina.
Maty ny telo tamin’ireo mpitarika nyfanonganam-panjakana. Franco no nitarika ny Tafika Afrikana, vondro-tafika tsara indrindra tamin'ny Tafika Espaniola. Izy irery sisa no mpitarika tamin'izany.