Ny Faritra francs ao Afrika: ny Franc CFA an' ny UEMOA (maitso) sy ny Franc CFA an' ny CEMAC (mena)
NyFranc CFA dia vola afrikana roa mahazatra (ny "franc de la Communauté financière africaine" sy ny "franc de la Coopération financière en Afrique"), nolovaina tamin' nyfanjanahantany frantsay ary ampiasain' ny firenena afrikana efatra ambin' ny folo izay ampahany amin' ny Faritra franc:
ny "franc de la communauté financière en Afrique" (ISO 4217: XOF sy 952), navoaka sy tantanin' ny Banky Foiben' ny Firenena Afrikana Andrefana (Banque centrale des États de l'Afrique de l'Ouest) ho an' ny firenena valo mpikambana ao amin' ny Union économique et monétaire ouest-africaine (UEMOA);
ny "franc de la coopération financière en Afrique centrale" (ISO 4217: XAF sy 950), navoakan' ny Banque des États de l'Afrique centrale ho an' ireo firenena enina mpikambana ao amin' ny Communauté économique et monétaire de l'Afrique centrale (CEMAC).
Ny firenena mampiasa ny Franc CFA dia nipoitra avy amin' ny fivoarana sy ny fiovan' nyEmpira Mpanjanaka Frantsay teo aloha, ary koa ireo firenena tsy zanatany frantsay, toa an' iKamerona sy iTôgô (zanatany alemàna tamin' ny voalohany, avy teo ambany fiahian' iFrantsay), iGinea Ekoatôrialy (zanatany espaniôla) ary iGinea-Bisao (zanatany pôrtogey).
Ny sandan' ny Franc CFA dia faritan' ny firenena mpikambana amin' ny fomba malalaka sy miorina amin' ny taha raikitra amin' nyEuro, taha raikitra izay iantohan' ny Tahirimbolam-panjakana frantsay. Ampandrenesina mialoha ity farany raha toa ka manapa-kevitra ny hanondrotra na hampihena ny sandan' ny vola ireo firenena mpikambana ireo.
Tamin'ny fandresen'ny zanatany teo aloha ny fahaleovan-tena tamin'ny taona 1960, dia voatahiry izy io, saingy nanomboka nosokajiana ho Vondrona ara-bola Afrikana amin'ny raharahan'ny fanjakana Afrikana Andrefana na ny Fiaraha-miasa ara-bola any Afrika. Afrika Afovoany) amin'ny raharahan'ny Fanjakana Afrikana Afovoany.
Ny hoe CFA dia fanafohezana ny hoe "Colonies françaises d'Afrique" ("Zantany frantsain' i Afrika") nanomboka tamin' ny taona 1945 ka hatramin' ny 1958. Niova io anarana io nanomboka tamin' ny taona 1958 ka hatramin' ny 1960 ka lasa "Communauté française d'Afrique" (“Fianakaviambe frantsain' i Afrika").
Ity fanafohezan-teny ity izay ampiasaina koa ao amin' ny UEMOA dia tsy mitovy amin' ny an' ny CEMAC fa ny hoe "Coopération financière en Afrique" ("Fiaraha-miasa ara-bola aty Afrika") no fanalavana ny hoe CFA.
Ireo firenena ao amin'ny faritra Franc CFA no mahazo tombony voalohany amin'ny fanampiana amin'ny fampandrosoana, ny fidirana manokana amin'ny tsena frantsay ary ny fanohanana ara-bola, amin'ny alàlan'ny CFA franc.
Rehefa nandeha ny fotoana dia niova ny isan' ny firenena mampiasa ny Franc CFA rehefa nanomboka nampiditra ny volany manokana ny firenena sasany. Firenena roa anyAfrika Andrefana ihany koa no nisafidy ny handray ny Franc CFA hatramin' ny nampidirana azy, na dia tsy zanatany frantsay aza izy ireo.
1960: niala iGinea ary nanomboka namoaka Franc Gineana;
1973: niala iMadagasikara (tamin' ny 1972, araka ny loharanom-baovao iray hafa) ary nanomboka namoaka ny volany manokana, dia ny Franc Malagasy, izay niaraka tamin' nyAriary Malagasy (1 Ariary = 5 Franc Malagasy);
1973: niala iMaoritania, nanolo ny Franc CFA amin' ny Ouguiya Maoritaniana (1 Ouguiya = 5 franc CFA);
1984: niverina amin' ny Franc CFA indray iMaly (1 Franc CFA franc = 2 Franc Maliana);