Mpinosilamo mpanao fivahiniana masina mandeha manodidina nyKaaba anyMaka.
Nyfivahiniana masina dia fandehanana lavitra izay tanterahin' ny mpino mankany amin' ny toerana na tanàna masina, matetika mankany amin' ny toerana tsy fantatra na any ivelan' ny firenena misy azy, ho mariky ny fitiavam-bavaka; mety hitarika ho amin' ny fiovan' ny tena manokana izany. Manao fivahiniana masina ny mpino ao amin' nyfivavahana abrahamika (indrindra nyjodaisma sy nykristianisma ary nysilamo) sy ny fivavahana hafa toy ny ao amin' nyhindoisma
Fivahiniana masina atao amin' ny fivavahana abrahamika
Nympino silamo dia manaofivahiniana masina anyMaka anyArabia Saodita ka zavatra tsy maintsy atao indray mandeha amin' ny androm-piainana izany raha misy ny hoenti-manana. Misy koa ny fivahiniana masina ataon' ny mpino silamo mankany amin' ny fasan' ny olo-masina maro.
Maro ny fivavahana mamporisika ny fanaovana fivahiniana masina ka anisan' izany ny fivavahan' nyEgiptiana tamin' nyAndro Taloha, ny fivavahan' nyPersiana tamin' ny vanimpotoana nivavahana tamin' iMitra. Ny Grika sy ny Rômana dia nanam-pahazarana mijerympaminany ka nandeha nanontany ny mpaminany tany Delfa any Grisia, ohatra.