Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Fitsinjaram-pahefana

Avy amin'i Wikipedia

Nyfitsinjaram-pahefana dia famindrana fahefana sy asa ary ho enti-manana avy amin' nyfanjakana foibe (nagovernemantam-pirenena) ho any amin' ny fikambanana na vondrona madinika kokoa ao amin' ny firenena, izay tsy manam-piandrianana na manana an' izany amin' ny ampahany nefa mananafizakan-tena, izay fehezin' ny lalàm-panjakana, sy miavaka amin' ilay fanjakana foibe, indrindra fa momba ny drafitra sy ny fandraisana fanapahan-kevitra, nefa eo ambany fanaraha-maso na eo ambany fiahian' ny fanjakana foibe, manaja ny foto-kevitry ny fanarahan-dalàna, izay ampiharin' ny fahefam-panjakana. Manana fizakan-tena lehibe na kely, arakaraka ny ambaratongan' ny fitsinjaram-pahefana misy azy, ny fikambanana na vondrona misitraka ny fitsinjaram-pahefana (fanjakana,faritany, faritra,kaominina, sns), ary manana nytetibolany manokana. Ny fitsinjaram-pahefana koa dia azo ampiharina amin' ny fikambanana tsy miankina na amin' ny olom-pirenena mihitsy. Raha lazaina amin' ny teny hafa, ny fitsinjaram-pahefana dia famindrana andraikitra ataon' ny fanjakana foibe amin' nyvondrom-paritra na andrim-panjakana tsy mitovy amin' ilay fanjakana foibe ary manana fizakan-tena ara-pitantanana nefa eo ambany fanaraha-mason' ilay fanjakana. Tsy manomefahaleovan-tena fa fizakan-tena ny fitsinjaram-pahefana.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fitsinjaram-pahefana&oldid=1121864"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp