Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Fiteny serba

Avy amin'i Wikipedia

Nyfiteny serba nafiteny serbiana dia iray amin' ny karazana fiteny fenitra ampiasain' nySerba (naSerbiana) ao amin' nyfiteny serbô-krôatiana naserbô-krôaty ao amin' nyvondrom-piteny slava.

Ny fiteny ataon' nympahay teny sasany hoe fiteny serbô-krôaty na serbô-krôatiana, dia ataon' ny hafa hoe "fiteny slava afovoany-atsinanana" na "fiteny stôkaviana" (štokavski jezik) na "fiteny stôkaviana vaovao" (standardni novoštokavski) na "fiteny bôsniana-krôatiana-môntenegrina-serbiana". Atao hoeсрпски (amin' nyabidy sirilika) nasrpski (amin' nyabidy latina) izay tononina hoe /sr̩̂pskiː/) io fiteny io amin' ny teny serba.

Amin' ny fomba fijerin' ny manampahaizana mampifandray ny fiteny sy ny fiarahamonina dia fiteny voafenitra iraisan' nySerba sy nyKrôatiana sy nyBôsniaka ary nyMôntenegrina ny fiteny serba, ka ny fototra dia ny endri-piteny (fitenim-paritra) stôkaviana, ary fanovan' io fiteny io nyfiteny krôatiana sy nyfiteny bôsniana ary nyfiteny môntenegrina. Soratana amin' nyabidy sirilika sy amin' nyabidy latina ny fiteny serba.

Tsy nyvahoaka serba aoSerbia ihany no mampiasa ny fiteny serba fa ao koa ny vondrom-piarahamonin' ny vitsy anisa any amin' ny firenena manakaiky an' i Serbia, sy ireo Serba nifindra monina nankanyEorôpa Andrefana sy anyAmerika Avaratra ary anyAostralia.

Annisan' nyfiteny ôfisialy telon' iBôsnia-Herzegôvina ary fiteny ôfisialy koa aoMôntenegrô ny fiteny serba. Fitenin' ny vitsy anisa ny fiteny serba aoKrôatia, aoMakedônia Avaratra, aoRomania, aoHongaria, aoSlôvakia ary ao amin' nyRepoblika Tseka.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

[[Sokajy:Fiteny]

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fiteny_serba&oldid=1100109"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp