Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Fiteny môntenegrina

Avy amin'i Wikipedia

Nyfiteny môntenegrina dia iray amin' ny karazany manara-penitra amin' ilay ataon' ny mpahay teny sasany hoefiteny serbô-krôatiana (na diasistema slava atsimo-afovoany), ary ataon' ny hafa hoefiteny stôkaviana, na fiteny stôkaviana vaovao na BKMS (bôsniana-krôatiana-môntenegrina-serbiana). Amin' ny teny môtenegrina dia atao hoe црногорски (amin' nyabidy sirilika) na crnogorski (amin' nytarehin-tsoratra latina) ity fiteny ity. Arakaraka ny hevitra tiana havoitra koa dia atao hoeštokavski jezik ("fiteny stôkaviana"), nastandardni novoštokavski ("fiteny stôkaviana vaovao") koa ity fiteny ity.

Amin' ny fomba fijery sôsiôlingistika, ny BKMS dia fiteny manara-penitra isan-karazany maro ivon-toetoerana iraisan' nyMôntenegrina, nyBôsniaka, nyKrôatiana ary nySerbiana, mifototra amin' ny fitenim-paritra stôkaviana, ka ny karazany manara-penitra hafa dia nyfiteny krôatiana, nyfiteny serbiana ary nyfiteny bôsniana. Vao haingana ihany ny fampanaraham-penitra ny fiteny môntenegrina, nanomboka taorian' ny nandravana an' iIogôslavia ary nihafaingana izany taorian' ny nisarahan' iMôntenegrô tamin' iSerbia. Ny manam-pahaizana momba ny teny miasa ao dia mikatsaka ny hanavaka ny fenitr' io fiteny io amin' ny an' ny hafa, indrindra amin' ny fampidirana ny toetra mampiavaka manokana iraisan' ny fitenim-paritra rehetra ao Môntenegrô sy ireo toetry ny fitenin' ny literatiora môntenegrina talohan' ny fanavaozana ny fitenin' ny literatiora serbiana nataon' i Vuk Stefanović Karadžić.

Sahala amin' ny karazany manara-penitra hafa amin' ny fiteny iraisana diafiteny ôfisialy ihany koa ny fiteny môntenegrina.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fiteny_môntenegrina&oldid=1080259"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp