Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Fiteny gôtika

Avy amin'i Wikipedia
Takila ao amin' nyCodex Argenteus

Nyfiteny gôtika dia fiteny maty ao amin' nysampana jermanikan' nyfianakaviam-piteny indô-eorôpeana, izay nampiasain' ny vahoakaGôty tamin' ny faramparan' nyAndro Taloha sy tamin' ny fiandohan' nyAndro Antenatenany.

Io no tranainy indrindra amin' ny fiteny jermanika voamarim-pisiana, ary iray amin' ny fiteny jermanika atsinanana manana angon-dahatsoratra, izay asehon' nyCodex Argenteus indrindra, izay sora-tanan' nyBaiboly tamin' ny taonjato faha-6. Ny fiteny gôtika dia tsy niteraka fiteny jermanika amin' izao fotoana izao na iray aza, fa ny maha tranainy azy no mahatonga azy ho sarobidy indrindra amin' ny haitey fampitahana.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fiteny_gôtika&oldid=1067673"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp