Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Fiteny etroska

Avy amin'i Wikipedia
Tava anoloan' ny tsangambaton' i Perugia, izay fantatra amin' ny anarana hoeCippo perugino.

Nyfiteny etroska diafiteny nampiasain' nyEtroska tao amin' ny tanin' iEtroria (Etruria) tamin' nyAndro Taloha, taoItalia afovoany, izay mifanitsy amin' i Toscana ankehitriny, nanomboka tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K., mandra-pahatapitry ny mahafiteny velona azy, ​​manodidina ny taonjato faha-2 tal. J.K. Nisy fiantraikany tamin’ ny fiteny latina ny fiteny etroska nefa voasolony tanteraka tamin' ny farany.

Ny marimaritra iraisana eo amin' ny mpahay teny sy ny etroskôlôga dia ny hoe ny fiteny etroska dia fiteny talohan' nyfiteny indô-eorôpeana sy talohan' ny fiteny paleô-eorôpeana, mifandray akaiky amin' nyfiteny retika izay notenenina tany amin' ny faritry ny Alpes. Ny hany fiteny voamarina fa misy ifandraisany amin' ny fiteny etroska dia nyfiteny lemniana tao amin' ny nosy Lemnos (nosy grika ao amin' nyRanomasina Egea), talohan' ny nanafihan' nyAteniana (taonjato faha-6 tal. J.K.), izay nahitana tsangambato misy soratsokitra natao tamin' ny tarehintsoratra manaakaiky ny nampiasain' ny Etroska.

Misy ny angon-tahirin-kevitra, izay andian-tsoratsokitra amin' ny fiteny etroska voatahiry mandraka androany, voalahatra araka ny tokony ho izy ary ny ankamaroany dia avy any Campania, Latium, Falerii sy Faliscus, Veis, Caeré, Tarquinia ary ny manodidina, ary koa avy amin' ny toerana lavitra kokoa, ivelan' i Etroria, izay nifandray ara-diplômasia na ara-barotra akaiky aminy: faritra izay ho lasaGallia Narbonensis (fr: Narbonnaise) sy i Corsica (fr: Corse), i Sardinia (fr: Sardaigne) ary iAfrika Avaratra izay nanjakan' iKartago, tamin' nyvanim-potoana rômana.

Fiteny tirseniana (etroskana, retika, lemniana)

Ankoatra ireovoanteny am-polony vitsivitsy, izay azo antoka na azo inoana fa tena izy ny heviny, dia mbola tsy azo ny hevitry ny fiteny etroska, ary tsy azo adika amin' ny fiteny hafa ny lahatsoratra lehibe maro mbola tavela.

Nyabidy etroska no abidy nampiasaina hanoratana ny fiteny etroska. Ao amin' ny karazany tranainy dia mananalitera 26 izy (ao amin' ny môdely naverina tamin' ny alalan' ny abesedera tranainy indrindra) izay ny telo amin' ireo litera ireo (B syD aryO) dia tsy nampiasaina velively amin' ny fiteny etroska. Ny niandohan' ny literaC dia mitovy amin' ny an' nylitera latinaG. Toa tsy manavaka ny renisoratra mipoaka an-danilany tsy migoboka sy migoboka ([k] sy [g]) ny fiteny etroska, ny abidy etroska dia nampiasa ny litera fahatelo amin' nyabidy grika, nygamma, mba hanoratana ny feo [k].

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fiteny_etroska&oldid=1067954"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp