Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Fiteny ao Etazonia

Avy amin'i Wikipedia

Nyfiteny ao Etazonia dia ahitana indrindra nyfiteny anglisy, nefa tsy mbola nisyfiteny ôfisialy noraisina tany amin' ny ambaratonga federaly, na dia ny fiteny anglisy aza no fiteny ampiasain' ny governemanta. Na izany aza, ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy any amin' ny fanjakana 32 amin' ny 50. Fanampin' izany, ny fanjakan' iHawaii dia nisafidy fiteny ôfisialy faharoa (dia nyfiteny haoaiana), i Alaska sy i Dakota Atsimo dia nanaiky nyfitenin-drazan' ny Amerindiana eo an-toerana ary faritany amerikana maromaro no nandray fiteny ôfisialy faharoa (fiteny espaniôla anyPôrtô Rikô, nyfiteny samôrô any Guam, nyfiteny samôana any Samoa Amerikana).

Ny paroasy (fivondronana) sasany anyLouisiana dia mampiasa nyfiteny frantsay, ary misy tanàna sy distrika any Etazonia miteny espaniôla; na izany aza, tsy nisy tamin' ireo fanjakana dimampolo ireo ny nandray ny fiteny frantsay na espaniôla ho fiteny ôfisialy faharoa.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fiteny_ao_Etazonia&oldid=1054079"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp