Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Fiteny any India

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny faritra itenenana indrindra ny fiteny anyIndia

Nyfiteny any India dia maro dia maro sady ao amin'nyfianakaviam-piteny maro samihafa. Nahitanafiteny miisa 270 ny fanisana natao tamin'ny taona 2011, ka ny 122 dia fiteny lehibe (be mpampiasa). Manao ny 22 amin' ireo fiteny ireo hofiteny ôfisialy nylalàmpanorenana indiana. Ny 77% amin' ny vahoaka indiana dia mitenyfiteny indô-ariana (ka ny be mpiteny indrindra dia nyfiteny hindy izayfiteny nibeazan' ny olona miisa 422 tapitrisa, izany hoe 41% amin' nymponina), ny 20 % amin' ny mponina no miteny amin' ny fiteny ao amin' nyfianakaviam-piteny dravidiana. Ny fianakaviam-piteny hafa hita aoIndia dia nyfiteny aostrôaziatika, nyfiteny sinô-tibetana, nyfiteny tai-kaday, aryfiteny manirery vitsivitsy. Nyfiteny anglisy, izay fitenin' nympanjana-tany britanika, dia fiteny voalohany na faharoa safidin' ny 12 %n' ny mponina. Nyfiteny hindy no fiteny ôfisialin' ny governemanta iraisana. Araka ny lalàmpanorenana dia miato tsy ho fiteny ôfisialy faharoa ny fiteny anglisy dimy ambin' ny folo taona aorian' nyfahaleovantena, nefa noho ny fanoheran' ny fanjakana indiana sasany izay tsy miteny hindy dia nandany lalàna tamin' ny taona 1963 ny Antenimiera izay nihazona ny sata maha fiteny ôfisialy faharoa io fiteny io. Miisa 22 ny fiteny voatanisa ao amin' ny Tovana fahavalo ao amin' ny lalàmpanorenana. Misy fiteny dimy ambin' ny folo hafa koa izay manana sata ôfisialy amin' ny fanjakana na tany sasany ao India.

Ny fiteny indô-ariana

[hanova |hanova ny fango]

Nyfiteny indô-ariana dia sampana iray ao amin' nyfiteny indô-iraniana, izay ao anatin' nyfianakaviam-piteny indô-eorôpeana. AoAzia Atsimo no tena ahitana olona maro miteny azy ireo, isan' izany ny ao India.

Fiteny indô-ariana be mpiteny indrindra

[hanova |hanova ny fango]

Fiteny hindy sy fiteny ordo

[hanova |hanova ny fango]

Fiteny ifandraisana amin’ ny daholobe tao amin' ny tapany avaratr’ iIndia (sy anyPakistàna) nyfiteny hindi-ordo na koafiteny hindostany. Manana endrika ôfisialy roa io fiteny io, dia nyfiteny hindy sy nyfiteny ordo.

Fitenim-pirenen' iIndia ny fiteny hindỳ. Ny isan' ny olona miteny azy dia misy 480 tapitrisa eo ho eo, 360 tapitrisa amin' ireo no manana ny fiteny hindỳ hofitenin-dreny. Any avaratr' i India no misy ny ankabeazan' ny mpiteny hindỳ. Soratana amin' ny alalan' nyabogidadevanagary ny fiteny hindy.

Tsy fiteny anyIndia fotsiny fa anyPakistana koa nyfiteny ordò, izay mitovitovy amin' nyfiteny hindy izy fa soratana amin' nyabidy arabo. Betsaka ny teny indramin' ny fiteny ordò amin' nyfiteny persana syfiteny arabo.

Fiteny bengaly

[hanova |hanova ny fango]

Fiteny tenenina indrindra anyIndia atsinanana nyfiteny bengaly, nefa tetenina koa anyBangladesy, anisan' ny fiteny ôfisialin' i India, indrindra any amin' ny faritanin' i Bengal Andrefana sy any Tripura. Araka ny fanontan' nyWorld Almanac 1999, ny fiteny bengaly dia fitenin-drenin' ny olona miisa 207 tapitrisa. Teny indô-eorôpeana any atsinanana indrindra ny fiteny bengaly, manampy nyfiteny asamey.

Fiteny maraty

[hanova |hanova ny fango]

Fitenin' ny olona miisa 75 tapitrisa any ho any India nyfiteny maraty, indrindra ao amin' ny fanjakan' iMaharashtra syGoa. Iray amin' ny fiteny ôfisialy anyIndia ny fiteny maraty.

Fiteny indô-ariana hafa

[hanova |hanova ny fango]

Anisan' ny fiteny indô-ariana be mpapiasa ao India koa nyfiteny gojaraty sy nyfiteny ôdià (na ôrià) ary nyfiteny penjaby. Nyfiteny gojaraty no fitenin' ny mponina aoGujarat, izay ampiasain' ny olona miisa 46 tapitrisa any India sy maneran-tany.

Ny fiteny dravidiana

[hanova |hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny ahitanafiteny miisa 30 any ho any izay samy aoIndia avokoa nyfianakaviam-piteny dravidiana, ka tenenina indrindra ao amin' ny tapany atsimon' i India. Misy mampiasa azy ireo koa ny anySrilanka sy ny anyPakistàna ary ny vahoaka indiana nifindra monina. Ny tena be mpampiasa dia nyfiteny telogo, nyfiteny tamily, nyfiteny malaialama ary nyfiteny kanada.

Fiteny dravidiana be mpiteny indrindra

[hanova |hanova ny fango]

Fiteny telogo

[hanova |hanova ny fango]

Fitenin' ny olona miisa 70 tapitrisa any ho any nyfiteny telogo, Tenenina indrindra any amin' ny faritraAndhra Pradesh, izay manao azy ho fiteny ôfisialy izy io. Fiteny ôfisialy ihany koa izy any amin' ny faritraKarnataka syMaharashtra ary anyOdissa (na Orissa).

Fiteny tamily

[hanova |hanova ny fango]

Fiteny ôfisialin' iTamil Nadu sy ny tananan' iPondichery aryKarîkâl nyfiteny tamily. Fiteny ôfisialy koa io fiteny io anySingaporo. Miisa 74 tapitrisa mahery ny mpiteny tamily maneran-tany, araka ny voalazan' nyWorld Almanac 1994.

Fiteny dravidiana hafa

[hanova |hanova ny fango]

Anisan' ny fiteny dravidiana be mpiteny hafa koa nyfiteny kanada sy nyfiteny malaialama. Fiteny any amin' ny faritra atsimon' iIndia ny fiteny kanada, izay fiteny tena antitra indrindra amin' ny fiteny diravidiana, fiteny ôfisialin' iKarnataka, ampiasain' ny olona miisa 45 tapitrisa any ho any.

Ny fiteny malaialama dia anisan' ny fiteny tenenina any amin' ny tapany atsimon' i India, fiteny ôfisialin' ny faritany mizakatenan' iKerala, fiteny ôfisialy koa ao amin' ny faritan' i Lakshadweep sy anyPondicherry, fiteny ôfisialin' i India ihany koa, izay misy mpiteny miisa 35,9 tapitrisa any ho any.

Ny fianakaviam-piteny sy vondrom-piteny hafa

[hanova |hanova ny fango]

Fiteny aostrôaziatika

[hanova |hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny anyAzia Atsimo-Atsinanana sy ao amin' ny faritra atsina anyIndia nyfiteny aostrôaziatika. Heverina ho fitenin' ny tompon-tany aoAzia Atsimo-Atsinanana sy any amin' ny tapany atsinanan' iIndia ireo fiteny ireo. Miisa 10 tapitrisa ny mpiteny aostrôaziatika any India, 6 tapitrisa ny mpitenysinô-tibetàna, izany hoe 3 % amin' ny mponina. Anisan' ny fiteny aostrôneziana nyfiteny kasỳ (khasi) sy nyfiteny monda (munda) ary nyfiteny santalỳ (santali). Anisan' ny fiteny ao amin' ny vondro-nosyNicobar. Ankoatry ny fiteny kasy sy ny fiteny santaly dia fiteny tandindomin-doza ny fiteny aostrôaziatika ao India.

Fiteny sinô-tibetana

[hanova |hanova ny fango]

Nyfiteny sinô-tibetana diafianakaviam-piteny anyAzia Atsinanana syAzia Atsimo-Atsinanana syAzia Afovoany aryAzia Atsimo.

Fiteny tai-kaday

[hanova |hanova ny fango]

Nyfiteny tai-kaday diafianakaviam-piteny izay nantsoina hoe fiteny daîka tany aloha, izay ahitanafiteny miisa zato any ho any tenenina ao amin' ny saikanosin' iIndôsina sy any amin' ny faritra atsimo aoSina.

Fiteny andamaney

[hanova |hanova ny fango]

Nyfiteny any Andamàna dia vondrom-piteny ao amin' nynosy Andamàna ao atsimo atsinanan' iIndia, atsinanan' iSrilanka, andrefan' iMianmara, tenenin' ny tompon-tany andamaney. Misy vondrona roa ao amin' izany fianakaviam-piteny izany, dia nyfiteny andamaney lehibe sy nyfiteny andamaney avaratra (atao hoefiteny ônge-jaraoà, mba tsy hisian' ny fampifangaroana azy amin' ny sampan' ny fiteny andamaney lehibe any avaratra).

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fiteny_any_India&oldid=1116672"

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp