Ny fiteny anglisy dia fiteny voasokajy ao amin'nyfiteny jermanika andrefana, anyEorôpa. Ny fiteny anglisy dia avy amin' ny fitenin' nyfoko jermanika tonga nipetraka ao Britania (Ilay nosin' i Britania) ary nianjadian' ny fitenin' ny mpanjanatany avy anySkandinavia, avy anyNôrmandia ary avy anyFrantsa Avaratra tamin' nyAndro Antenatenany, ary taty aoriana voaanjadin' nyfiteny frantsay ankehitriny. Tahaka ny fiteny maro aoEorôpa, betsaka ny indran-teny avy amin' nyfiteny latina sy avy amin' nyfiteny grika, hatramin' izay ka hatramin' izao. Nyfiteny rômana hafa sy ny fitenin' ny zanatany taloha dia nianjady tamin' ny fiteny anglisy britanika amin' ny fomba tsy dia lalina. Fa ny fianjadian'ny fiteny vahiny dia samihafa eo anivon' ny firenena miteny anglisy maro samihafa (fianjadian' ny fiteny eo an-toerana), ary manao fomba fiteny iray mety manamarika ny fiteny anglisy britanika. Ny razamben' ny fiteny anglisy ankehitriny — nyfoko jermanika angla sy saksôna ary jiota, dia nifindra tany amin' ny NosyBritanika tamin' ny tapaky ny taonjato fahadimy. Tamin' izany fotoana izany, ny fitenin' izy ireo dia nanakaiky ny fiteny jermanika ambany sy ny fiteny frisiana, saingy tamin' ny fivoarany taty aoriana dia nifindra lavitra ny fiteny jermanika hafa izy io.
Nyfiteny anglisy tsotsotra naBasic English dia teny noforonin' i C. K. Ogden sy i I. A. Richards tamin' ny taona 1930. Miisa 850 ny teny ao anatiny: ireo izay ilaina anatin' ny fiainana miaraka amin' izay ilaina mba hanazava ny dika anatin' ny firesahana.
Nyfiteny anglisy manokana naSpecial English dia mampiasa teny 2 000 sady tononina moramora kokoa nohon' ny fiteny anglisy tsotra.
Nyfiteny anglisy nomoramoraina naSimple English dia ampiasain' ny mpikambana eto amin' nyWikipedia (ao amin' nysimple.wikipedia.org).