Faritra nisy ny fitenin' ny ÔilyNyfitenin' ny Ôily nafiteny ôilitana izay antsoina fotsiny hoeÔily diafiteny rômana izay nivoatra tao amin' ny tapany avaratr' iGalia, avy eo tao amin' ny tapany avaratr' iFrantsa, tao amin' ny tapany atsimon' iBelzika (Belzika rômana) ary tao amin' ireo nosy anglô-nôrmanda, ary notenenin' ny olona tamin' nyAndro Antenatenany. Nifangaro tamin' ny fiteny frantsay tranainy izy, izay mahafaoka tamin' izany fotoana izany ireo fitenim-paritra ôily. Ny fisandratan' ny endri-piteny tokana sady nampanarahim-penitra tamin' ny fiandohan' izany vanimpotoana vaovao izany (dia nyfiteny frantsay ankehitriny) no nahatonga ny fanavahana azy ireo ho maro lasa tsy nisy antony intsony tamin' ny fotoan' ny fiteny frantsay antenatenany: tamin' izany no nanavahana ny fiteny frantsay andaniny sy ireo fiteny ôily hafa ankilany. Navondrona ao amin' nyvondrom-piteny galô-rômana ireo fitenin' ny Ôily ireo. Ity vondrom-piteny any avaratra ity dia nitahiry ireo fototra avy amin' nyfiteny seltika maro indrindra sady niharan' ny akon' nyfiteny jermanika raha mitaha amin' nyfiteny ôksitanô-rômana any atsimo, izany hoe nyfitenin' ny Ôka.