Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Firenena

Avy amin'i Wikipedia
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Nyfirenena dia isan'ny endriky ny fikambanana ara-pôlitika sy ara-dalànan'ny fiarahamonina, izany hoe fikambanan' ny olom-pirenena. Manana tany ny firenena, ao anatin'io tany io no misy ny fifehezany sy ny fahafahany. Ambony sy masi-mandidy amin'ny mponina ao aminy, ohatra, izy.

Misy karazany maro amin’ny firenena arakaraka ny rafitra ara-politika, ara-toekarena, ary ara-jeografika. Ireto ambany ireto dia famintinana ireo karazana firenena araka ireo fizarana lehibe ireo:

Araka ny Rafitra Politika

[hanova |hanova ny fango]

Firenena Repoblikana:

Ny fahefana dia avy amin’ny vahoaka, ary soloin’olom-boafidy (filoham-pirenena, solombavambahoaka).

Ohatra:Frantsa,Etazonia,Madagasikara.

Firenena Totaliteranina

Ny fahefana rehetra dia eo am-pelatanan’ny fitondrana tokana, tsy misy demokrasia marina.[1]

Ohatra:Korea Avaratra.

Firenena Mpanjaka

Misy karazany roa:

Mpanjaka tena manana fahefana (toy ny any Arabia Saodita).

Mpanjaka voafetra amin’ny andraikitra ara-panjakana (toy ny any Angletera, Japon).

[2]

Araka ny Toekarena

[hanova |hanova ny fango]

Firenena Mivelatra (Indostrialy)

Manana toekarena matanjaka sy teknolojia mandroso.

Ohatra: Alemaina, Etazonia, Japon.

Firenena Mbola Ampandrosoina

Miankina amin’ny harena voajanahary sy fambolena ny toekarena.[1]

Mbola ambany ny fari-piainana.

Ohatra: Madagasikara, Mali, Nepal.

Firenena Mitombo Indostrialy

Eo anelanelan’ny fivoarana sy ny fampandrosoana ara-indostria.

Ohatra: India, Brezila, Indonezia.

Araka ny Firafitra Anatiny

Firenena Unitaire (tokana)

Ny fahefana dia miorina amin’ny fitondrana foibe, manapaka ho an’ny faritra rehetra.

Ohatra: Madagasikara, Japon.

Firenena Federaly

Mizara fahefana amin’ny faritra na fanjakana kely anatiny.

Ohatra: Etazonia, Alemaina, India

Araka ny Jeografia

Firenena Nosy

Mipetraka amin’ny nosy iray na maromaro.

Ohatra: Madagasikara, Japon, Filipina.

Firenena Antanin-kafa (Continental)

Miorina amin’ny kaontinanta.

Ohatra: Frantsa, Nizeria, Shina.

Araka ny Fampandrosoana Sosialy sy Politika

[hanova |hanova ny fango]

Firenena Demokratika

Vahoaka no mifidy mpitondra, misy fahalalahana maneho hevitra.[2]

Ohatra: Norvezy, Kanada.

Firenena Tena Miankina

Miantehitra amin’ny fanampiana avy any ivelany.

Ohatra: Firenena maro ao Afrika sy Azia Atsimo.


Ireo fepetra Maha-Firenena

[hanova |hanova ny fango]

Ny "maha-firenena" dia tsy avy amin’ny anarana na fanekena fotsiny, fa misy fepetra sy toetra manokana (critères) izay mamaritra ny maha-firenena ara-dalàna sy iraisam-pirenena. Ireo critères ireo dia miorina amin’ny fepetra napetraky ny lalàna iraisam-pirenena, indrindra amin’ny fifanekena Montevideo (Convention de Montevideo – 1933).[1]

Vahoaka maharitra (population permanente)
[hanova |hanova ny fango]

Mila manana mponina na vahoaka mipetraka sy monina amin’ny fomba maharitra ny firenena iray.[2]

Tsy voatery ho maro an’isa, fa ilaina ny faharetan’ny fipetrahana.[2]

Ohatra: Na dia firenena kely toy ny San Marino aza dia heverina ho firenena satria manana vahoaka mipetraka maharitra.[2]

Fitondrana mahaleo tena (gouvernement effectif)
[hanova |hanova ny fango]

Tokony hanana fitondrana miasa sy mahafehy ny vahoaka sy ny faritany ao aminy.[2]

Izany fitondrana izany no misolo tena ny firenena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Ohatra: Raha tsy misy fitondrana mandray fanapahan-kevitra, dia sarotra ny miantso firenena ara-dalàna.[3][2]

Faritany voafaritra mazava
[hanova |hanova ny fango]

Tokony hanana faritany mazava sy voafaritry ny sisin-tany ny firenena iray.[1]

Mety hisy ady amin'ny sisintany amin’ny firenena hafa, saingy mbola azo ekena izany raha misy faritra mifehy sy iasany.[2]

Ohatra: Israel sy Palestina samy manana olana amin’ny sisintany, nefa samy mitaky maha-firenena

Fahaizana miditra amin’ny fifandraisana amin’ny firenena hafa (capacité d’entrer en relation avec d'autres États)[2]
[hanova |hanova ny fango]

Tokony hanana fahaizana ara-diplomatika sy afaka manaiky na mandà fifanarahana amin’ny firenena hafa.[2]

Midika izany fa afaka misolo tena azy amin'ny sehatra iraisam-pirenena izy.

Ohatra: Manana masoivoho any ivelany, mandray solontena iraisam-pirenena, sns.[1]

Fepetra Fanampiny (tsy ofisialy fa manampy)

Fanekena iraisam-pirenena: Na dia tsy takiana ofisialy aza, dia manamora ny maha-firenena raha ekena sy ankatoavin’ny firenena hafa (ohatra: fidirana amin’ny Firenena Mikambana).

Fizakana fahaleovantena (indépendance): Tsy tokony ho eo ambany fifehezan’ny firenena hafa.[2]

Zon'ny firenena: Manana zo hisafidy ny lalàna, hisitraka fiandrianam-pirenena, ary hanao fifanarahana iraisam-pirenena.

Famintinana
[hanova |hanova ny fango]

CritèreHevitra Fototra

Vahoaka MaharitraOlona mipetraka amin’ny faritany[2]

Faritany VoafaritraSisintany na tany iasany

Fitondrana Mahaleo tenaGovernemanta miasa sy manapaka

Fifandraisana Amin’ny HafaFahaizana manao diplomatika

Pejy hafa nyFirenena

[hanova |hanova ny fango]
  1. 1,01,11,2 et1,3[4]
  2. 2,002,012,022,032,042,052,062,072,082,09 et2,10https://www.oas.org/juridico/english/treaties/a-40.html
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Firenena&oldid=1108910"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp