Amin' nyteny tagalôga dia atao hoeRepublika ng Pilipinas, i Filipina, fa amin’ nyteny anglisy kosa izy dia atao hoeRepublic of the Philippines, amin' nyteny espaniôla diaRepública de Filipinas, amin' nyteny ilôkanô diaRepublika ti Filipinas, amin' nyteny seboanô diaRepublika sa Pilipinas.
Any amin' ny faritra andrefana amin' nyRanomasimbe Pasifika no misy an' i Filipina. Ny firenena manodidina azy dia iTaiwan any avaratra, ny faritany atsinanana amin' iMalezia (Bôrneô), iBroney, ary iIndônezia (faritany indônezianin' i Bôrneô naKalimantan). Nosy maherin' ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary 2 400 no isan' ny nosy tsy manana anarana. Mitana ny 90 % amin' ny velaran' i Filipina ny nosy roa ambin' ny folo lehibe indrindra.
ILuzón sy iBisayas ary iMindanao no faritra ara-jeôgrafia telon' i Filipina. Ny nosin' i Luzon no lehibe indrindra ary avaratra indrindra amin' ilay firenena, ary ao no misy an' iManila renivohitra sy iQuezon City izay ny tanàna lehibe indrindra, misy mponina miisa 15 tapitrisa. Ao amin' ny faritra afovoan' i Filipina no misy an' iVisaya, ahitana ny nosyNegros,Cebu,Bohol,Panay,Masbate,Samar aryLeyte. Any atsimo no ahitana an' iMindanao, nosy faharoa amin' ny velarany. I Davao, i Marawi, i Zamboanga ary i Cagayan no tanàna lehibe ao amin' ny nosin' i Mindanao. Any atsimo-andrefan' i Mindanao no misy nyTangoro-nosy Sulu ahitana koa an' iBasila, iJolo ary iTawi Tawi; akaikin' iBôrneô no misy azy ireo ary ireo nosy ireo dia itoeran' ny vondrona isilamista mpampihorohoro Abu Sayyaf. Any andrefan' i Visaya no misy ny Tangoro-nosin' iPalawan, misy nosy miisa 1 700.
Ny toekaren' i Filipina dia mifototra amin' ny fambolena: ny vary dia nambolena efa 3 000 taona lasa tamin' ny tanimbaryfarafaratany.
Iray amin' ny firenena roa beKatôlika anyAzia (miaraka amin' iTimôro Atsinanana) i Filipina ary iray amin' ny firenena nanandray ny kolontsaina tandrefana indrindra.
Nanaporofo ny fôsily fa olona maro no nipetraka tany Filipina nandritra ny an' arivony taona. Niampita ny tany sy nyranomandry teo aloha nyNegritô mba hipetraka ao amin' ilay vondro-nosy. Vondron' olonaaostrônezianina maro no tonga tany Filipina nandritra ny arivo taona voalohany, nanosika ny mponina teratany ho any anatiny, ary angamba nanangona azy ireo tamin' ny alalan' ny fanambadiana.
Tonga tamin' ny taonjato faha-8 ny mpivarotra sinoa. Ny fitomboan' ny fanjakana bodista dia nahavita nivarotra tany amin' nyVondro-nosy Indôneziana, amin' iIndia, amin' iJapana ary amin' iAzia Atsimo-Atsinanana. Nanamafy ny herin' izy ireo ny ady nifanaovan' ny fanjakana tany Azia Atsimo-Atsinanana. Mandritra izany fotoana izany ny fielezan' nyfinoana silamo tamin' ny alalan' ny varotra sy ny fampielezam-pinoana, sahala amin' nykristianisma izay nentin' ny mpivarotra sy misiônera tany amin' iny faritra iny. Tonga taoMindanao tamin' ny taonjato faha-14 nyArabo. Rehefa tonga ny Eorôpeana voalohany, izay notarihan' iFerdinand Magellan tamin' ny taona 1521, dia nisyrajah tany avaratr' iManila, izay niankina ara-pahefana tamin' ny fanjakana ao amin' nyAzia Atsinanana. Na izany aza dia nizaka tena ireo nosy ireo.
Nanomboka tamin' ny fahatongavan' ny olona tamin' ny alalan' ny tany ny tantaran' i Filipina. IFerdinand de Magellan izay tonga tao amin' ny nosin' i Homonhon, any atsimo-andrefan’ i Samar, tamin' ny 16 Marsa 1521, no Eorôpeana voalohany indrindra tonga tany Filipina. Talohan' ny nahatongavan' i Magellan dia maro ny fanjakana nisy tao Filipina, ohatra amin' izany ilay fanjakana bodistan' i Butuan, ny fanjakan' i Tondo ary i Maysapan, fanjakana natanjaka sy nanan-karena nanomboka tamin' ny taonjato faha-10, na nysoltanata mozilmanan' i Sulu, i Mainila, i Magindanao ary i Lanao. Nifandray tamin' iSina, tamin' iIndia, tamin' iJapana, tamin' iTailandy, tamin' iVietnamy ary tamin' iJava ireo fanjakana ireo, fa tsy misy fanjakana tena nanam-pianjadiana manerana an' i Filipina.
Nanomboka tamin' ny taona 1565 ny vondro-nosin' i Filipina nozanatany espaniôla, tamin' ny nahatongavan' iMiguel Lopez de Legazpi, nanorina ny tanànan' i San Miguel izy teo amin' ny nosin' i Cebu. Tamin' io fotoana io no nanorenana ny tanànan' i Manila eo amin' ny nosin' i Luzon. Haharitra telonjato taona ny fanjanahantanin' ny Espaniôla tao Filipina. Nandritra izay fe-potoana nanjanahany an' i Filipina izay dia nitondra zava-maro avy anyAndrefana ny Espaniôla miaraka amin' ny haifomba tandrefana (kristianisma, fanontanaprinty,taratasy,kalandrie...). Tsy zanatany mitokana i Filipina tamin' izany fotoana izany fa faritra iray ao amin' ny zanatanin' i Espaina Vaovao (Nueva España) manana ny tanànan' iMexico ho renivohitra. Nafindra tanyMadrid ny renivohitra taorian' ny fahaleovantenan' iMeksika nanomboka tamin' ny taona 1821.
Nanjanaka an' i Filipina koa nyBritanika tamin' ny taona 1762 hatramin' ny taona 1764. Nandritra ny fanjanahantany espaniôla dia maro ny tanàna voaorina, ary naorina miaraka amin’ izany koa nyfotodrafitrasa. Nampiova finoana ny teratany hokristianina ny misiônera espaniôla ary nanorina trano fianarana sy oniversite aryhôpitaly manerana ny vondro-nosy Filipina.
Nanomboka tamin' ny Avrily 1896 nytolom-piavotana filipina hialana amin' iEspaina, ary nifarana roa taona tety aoriana tamin' ny fanambaràna ny fahaleovantena sy ny Repoblikan' i Filipina voalohany. Ny fifanekena taoParis nosoniavina tamin' ny taona 1898 namarana ny ady filipina-espaniôla anefa dia nanome an' iEtazonia ny fahefan' i Filipina. Tsy neken' i Filipina izany fifanekena izany ary nanambara ny hiady amin' i Etazonia i Filipina tamin' ny 2 Jona 1899. Ny filoham-pirenena tamin' izany fotoana izany,Emilio Aguinaldo, dia voasambotry ny Amerikana tamin' ny taona 1901 ary nifarana herintaona taorian' izay ny ady. Niaiky ny fandresen' ny Amerikana ny manam-pahefana filipina nefa nitohy hatramin' ny taona 1935 ny ady. Tamin' ny taona 1905 no tena nanomboka ny fitondran' i Amerikana an' i Filipina. Nanomboka naitatra ny fizakan-tenan' i Filipina tamin' ny taona 1935 mba hitondra any amin' ny fahaleovantena izay natao ho amin' ny 1946. Voatery najanona ilay fizakan-tenan' i Filipina noho nyAdy Lehibe Faharoa. Rehefa tapitra ny Ady Lehibe Faharoa dia nahaleotena i Filipina.
Mitovy amin' ny governemantan' iEtazonia ny governemanta filipina. Miasa amin' ny maha filoham-panjakana, lehiben' ny governemanta ary komandin' ny miaramila ao Filipina sy ny tafika ny filoham-pirenen' i Filipina. Voafidy amin' ny alalan' ny fifidianana toy ny any Amerika ihany filoha. Mijanona ho filoha mandritra ny 6 taona izy. Izy no mpitarika ny kabinetra.
Ny sampana mpanao lalàna filipina dia roa efitra, ny Kôngresin' i Filipina, izay misy ny Antenimieran-doholon' i Filipina sy ny Antenimieram-pirenen' i Filipiana; ny mpikambana ao aminy dia voafidim-bahoaka. Misy loholona 24 miasa mandritra ny 6 taona ao amin' ny Antenimieran-doholona fa ny Antenimieram-pirenena dia tsy mihoatra ny 250 ny kôngresista izay samy manana fe-potoana 3 taona.
Tarihin' ny Fitsarana Tampony any Filipina, izay manana ny Lehiben' ny mpitsara ho lohany sy mpitsara mpiara-miasa 14, izay voatendrin' ny filoham-pirenena avokoa, ny sampana mpitsarana ao amin' ny governemanta.
Mpikambana mpanorina ao amin' nyFikambanan' ny Firenena ao Azia Atsimo-Andrefana (ASEAN,Association of the Nations South Asian Nations) sady mpandray anjara mavitrika amin' ny fiaraha-miasa ara-toekarena any Azia-Pasifika (APEC) ihany koa i Filipina, sady mpikambana ao amin' nyVondron' ny 24 ary iray amin' ny firenena 51 nanorina nyFirenena Mikambana tamin' ny24 Ôktôbra1945.
I Filipina dia firenena anyAzia Atsimo-Atsinanana, forininatangoro-nosy ahitana nosy miisa 7 641 ary manana velarana mirefy 300 000 km², any amin' ny faritra andrefana amin' nyRanomasimbe Pasifika. Nosy maherin' ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary ny 2 400 kosa no tsy manana anarana.
800 km miala nyKôntinenta Aziatika no misy azy, eo anelanelan' ny nosyBôrneô sy iTaiwan. Ny firenena manodidina azy dia iTaiwan any avaratra, ny faritany atsinanana amin' iMalezia (Bôrneô), iBroney, ary iIndônezia (faritany indônezianin' i Bôrneô naKalimantan). Mitana ny 90 % amin' ny velaran' i Filipina ny nosy roa ambin' ny folo lehibe indrindra.*
Mizara ho faritra ara-jepôgrafia telo i Filipina, dia iLuzón sy iBisayas ary iMindanao.
Ny nosin' i Luzon no lehibe indrindra ary avaratra indrindra amin' ilay firenena, ary ao no misy an' iManila renivohitra sy iQuezon City izay ny tanàna lehibe indrindra, misy mponina miisa 15 tapitrisa.
Any atsimo no ahitana an' iMindanao, nosy faharoa amin' ny velarany. I Davao, i Marawi, i Zamboanga ary i Cagayan no tanàna lehibe ao amin' ny nosin' i Mindanao. Any atsimo-andrefan' i Mindanao no misy nyTangoro-nosy Sulu ahitana koa an' iBasila, iJolo ary iTawi Tawi; akaikin' iBôrneô no misy azy ireo ary ireo nosy ireo dia itoeran' ny vondrona isilamista mpampihorohoro Abu Sayyaf. Any andrefan' i Visaya no misy ny Tangoro-nosin' iPalawan, misy nosy miisa 1 700.
Firenenaan-dalam-pandrosoana i Filipina. Ny toekaren' i Filipina dia mifototra amin' ny fambolena: nyvary dia nambolena efa 3 000 taona lasa tamin' ny tanimbaryfarafaratany. Tamin' ny taona 1998, ny toekarena Filipina -- izay mampifanampy nyfambolena sy nyindostria maivana ary ny tolotra fanohanana -- dia niharatsy vokatry ny krizy ara-bola aziatika sy nyfiovan' ny toetany. 0,6 % ny fitomboan' ny toekarena tamin' ny taona1998 avy amin' ny 5 % tamin' ny taona 1997, saingy tafaverina hatramin' ny 3 % tamin' ny taona 1999 ary 4 % tamin' ny taona 2000. Tamin' ny taona 2012, dia 6,6 % izany[1].
Mpizaha tany eny amin' ny Chocolate Hills, havoana karstika kitsoloha aoBohol
Nampanantena ny governemanta fa hanohy ny fanavaozana ara-toekarena hanampiana an' i Filipina hanaraka ny dingana fampandrosoana any amin' nyfirenena vao misondrotra maro anyAzia Atsimo-Atsinanana. Ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ny fanamboarana ny rafity ny hetra ho fanampiana ny fidiram-bolan' ny governemanta, ny fanohanana ny orinasa tsy miankina amin' ny governemanta sy ny fampindramam-bola ho an' ny toekarena ary ny fitomboan' ny varotra ao amin' ny faritra no paikady amin' izany. Miankina amin' ireto firenen-dehibe telo ireto ny hoavy ara-toekareny:Sina syEtazonia aryJapana.
Atao hoeFilipina naFilipinô ny mponina ao Filipina. Tamin' ny taona 2023 dia tombanana ho 116 434 200 eo ho eo ny mponina tao Filipina.
Ahitana foko maro samihafa ilay firenena, noho ny fiantraikan' ny singa avy any ivelany sy ny fizarazaran' ny rano ny vondronosy sy ny endriky ny vohon' ny tany. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2020, ny foko lehibe indrindra ao Filipina dia Tagaloga (26,0 %), ny Visaiana [tsy anisan' izany ny Seboanô, ny Hiligainôna ary ny Oaray] (14,3 %), ny Ilôkanô ary ny Seboanô (samy 8 %), ny Hiligainôna (7,9 %), ny Bikôly (6,5 %), ary ny Oaray (3,8 %). Ny vazimba teratany ao amin' ilay firenena dia nahitana vondrom-poko ara-piteny 110, ka ny fitambaran' ny mponina dia 15,56 tapitrisa tamin' ny taona 2020; anisan' izany ny Igôrôta, ny Lomada, ny Mangiana, ary ny vazimba teratany aoPalawan.
NyNegritô dia heverina ho anisan' ny mponina voalohany indrindra tao amin' ny nosy maron' ny Filipina. Ireo teratany voalohany vitsy anisa ireo dia vondronaAostralôida, izay sisa tamin' nyfifindra-monina voalohany avy aty Afrika nankany Aostralia izay mety nentin' ny onjam-pifindra-monina taty aoriana. Ny Negritô sasany ao Filipina dia manana fangaroDenisôvana ao amin' ny fototarazony. NyFilipinô ara-poko amin' ny ankapobeny dia anisan' ny vondrom-poko avy anyAzia Atsimo-Atsinanana, voasokajy ara-piteny hoAostrôneziana mitenymalaiô-pôlineziana. Tsy fantatra mazava ny niandohan' ny Aostrôneziana, fa ny havan' ny teratany Taioaney angamba no nitondra ny fiteniny ary nifangaro tamin' ny mponina efa nisy tao amin' ilay faritra. Ny foko Lomada sySama-Bajao dia misy ifandraisany ara-drazambe amin' ny foko Htina mitenyaostrôaziatika sy miteny mlabry ao amin' ny tanibeAzia Atsimo-Aatsinanana. Hita tamin' ny vahoaka Blaana sy ny fiteny sangira ny fielezana miankandrefana avy anyPapoazie-Ginea-Vaovao mankanyIndônezia atsinanana syMindanao.
Ny taranaky ny mpivady samy hafa firazanana dia fantatra amin' ny anarana hoeMestizos naTisoy, izay tamin' ny andron' nyfanjanahantany espaniôla, amin' ny ankamariany, dia nahitana Mestizos sinoa (Mestizos de Sangley), Mestizos espaniôla (Mestizos de Español) ary ny fifangaroan' izany (Tornatrás). Ny Filipianô Sinoa ankehitriny dia tafiditra tsara ao anatin' ny fiarahamonina filipina. Voalohany indrindra dia ny taranaky ny mpifindra monina avy anyFujian, ny Sinoa Filipinô madiodio nandritra ny vanim-potoanan' nyfanjanahantany amerikana (tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1900) dia voalaza fa niisa 1,35 tapitrisa; raha toa ka 22,8 tapitrisa eo ho eo (manodidina ny 20 %) amin' ny Filipinô no manana razambe sinoa antsasany na ampahany avy amin' ny Sinoa mpifindra monina talohan' ny fanjanahantany sy nandritra ny fanjanahantany ary tamin' ny taonjato faha-20. Nandritra nyVanim-potoana Hispanika (faramparan' ny taompolo 1700), ny Filipinô espaniôla mifangaro dia nahaforona ampahany antonony (manodidina ny 5 %) amin' ny mponina nandoa hetra. TAamin' izany fotoana izany, ny ampahany kely kokoa (2,33 % amin' ny mponina) dia Filipianô meksikana. Efa ho 300 000 ny olom-pirenena amerikana mipetraka ao amin' ilay firenena hatramin' ny taona 2023, ary hatramin' ny 250 000 nyAmeriaziana monina manerana an' i Angeles sy i Manila ary i Olongapo. Ny vitsy anisa tsy teratany manan-danja hafa dia nyIndiana syArabo. Ny Filipinô japôney dia ahitana ny Kristiana nandositra (Kirishitan) izay nandositra ny fanenjehana nataon' nyshogun Tokugawa Ieyasu.
Manana fiteny ôfisialy roa i Filipina: nyfiteny filipinô sy nyfiteny anglisy. Manodidina ny 150 eo ny fiteny sy fitenim-paritra mbola ampiasaina manerana ilay firenena, ny ankamaroany dia ao amin' nyfianakaviam-piteny aostrôneziana. Miisa 12 ny fiteny manana mpiteny maherin' ny iray tapitrisa izay 94 % amin' ny mponina. Samy manana ny faritra ara-jeôgrafiany ny tsirairay amin' ireo fiteny ireo, saingy, nandritra ny taonjato faha-19, ny fampiroboroboana nyfiteny tagalôga (izay lasafiteny filipinô taty aoriana) sy ny fifindra-monina mahery vaika mankany amin' ny nosy lehibeLuzon avy amin' ny nosy hafa dia somary nanova ity fizaràna ity.
Anisan' ireo teny ireo ireto:
nyfiteny seboanô, ataon' ny teratany hoebinisaya., izay fiteny ao amin' ny nosyCebu, 29 %-n' ny mponina no manao azy ho fitenin-dreny. Any amin' ny nosy mifanolo-bodirindrina aminy sasany toa an' iBohol, i Negros Oriental, ny ampahany amin' ny nosyLeyte sy amin' i Samar ary anyMindanao vao tsy ela akory, no itenenana azy io;
nyfiteny tagalôga (izay niavian' nyfiteny filipinô, fitenim-pirenena) dia ampiasain' ny 26 %-n' ny mponina, indrindra any atsimon' iLuzon, anisan' izany iManila. Misy koa ny mpiteny tagalôga any Central Luzon (ao amin' ny faritanin' i Bulacain sy ny faritanin' i Aurora), ary any amin' ny faritr' i Mimaropa (Mindoro Occidental sy Oriental,Marinduque,Romblon aryPalawan);
ny fiteny ilôkanô, fiteny any avaratr' i Luzon, no ampiasain' ny 10 %-n' ny mponina. Miteny izany koa ny vavoaka sasany aoPalawan sy aoMindanao (indrindra ao amin' ny tanànan' i General Santos). Ny ankamaroan' ireo mponina ireo dia mpifindra monina na taranaka mpifindra monina avy amin' ny faritra miteny ilôkanô;
nyfiteny bikôlanô, fiteny ao amin' ny saikinosy Bicol, atsimo-atsinanan' i Luzon, dia ampiasain' ny 5%-n' ny mponina. Ny fiteny filipinô no manana fitenim-paritra betsaka indrindra;
nyfiteny oaray-oaray (navaray-varay), fitenin' i Samar sy ny ao amin' ny tapany atsinanan' i Leyte, dia ampiasain' ny 4%-n' ny mponina;
le maranao et le maguindanao, langues de Mindanao, et le tausug, langue de l'île de Jolo, sont parlés chacune par environ 1,5 % de la population, populations exclusivement musulmanes.
nyfiteny maranaô sy nyfiteny magindanaô, fiteny ao Mindanao, ary nyfitteny taosoga, fiteny ao amin' ny nosy Jolo, dia samy tenenin' ny 1,5% eo ho eo amin' ny mponina, mozilmana irery ihany.
Ilustrados tao Madrid manodidina ny taona1890
Na dia teo aza ny fanjanahantany espaniôla naharittra ela, ny fampiasana nyfiteny kastiliana dia nijanona ho an' ny mpanjanaka sy nyilustrados, izany hoe ny sangany filipiana vitsy izay nahafahan' ny literatiora filipina hisandratra amin' nyfiteny espaniôla tamin' ny faran' ny taonjato faha-19. Na dia iray amin' nyfiteny ôfisialy roa araka nylalàmpanorenana tamin' ny taona 1935 aza izy, dia nosoloina nyfiteny anglisy ny fiteny kastiliana. Nyfiteny tsabakanô,fiteny kreôla voaloko mafy amin' ny fiteny kastiliana, dia mijanona ho fiteny fanampiny.
Ny fiteny anglisy, miaraka amin' ny fiteny filipinô, dia ampiasaina eo amin' ny fampianarana, eo amin' ny fitantanana foibe, eo amin' ny tontolon' ny fandraharahana ary eo amin' ny haino aman-jery maro.
Ny fiteny filipinô kosa dia mandroso, saingy tombanana fa farafahakeliny 20 %-n’ ny mponina no tsy mahafehy azy araka ny tokony ho izy, ka manery ny firenena, arakaraka ny faritra, hampihatra ny fampiasana fiteny roa na telo.
Lamesa katôlika ao amin' ny Basilica del Santo Niño mandritra ny fetiben' ny Sinulog isan-taona anyCebu.
Katôlika ny ankamaroan' ny mponina ao Filipina. Tena mpivavaka be nyFilipina ary ny fotoam-pivavahana alahady sy zoma dia tena be mpanatrika. NyHerinandro Masina dia anaovana matso fampisehoana lehibe sady ahitana tenafanomboana, na dia melohin' ny Eglizy aza. Misy tokoa ny olona ahantona amin’ ny lakroa amin’ nyZoma Masina mba hahatsiarovana nynanomboana an' i Kristy, ary mitoetra toy izany mandritra ny andro. An-tsitrapo izany, izay matetika ataon' ny olona izay lihevitra izany ho endriky nyfivalozana.
I Filipina no firenena faha-3 ahitana Katôlika betsaka indrindra eran-tany aorian' i Brezila sy i Meksika, ary firenena faha-6 misy Kristianina betsaka indrindra eran-tany.