Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Filôzôfia

Avy amin'i Wikipedia
Ilay mpandinika, sary vongana nataon' iAuguste Rodin dia tandindon' ny fandinihaha ara-pilôzôfia

Nyfilôzôfia dia fandalinana mikendry ny hahatakatra ny mombaizao tontolo izao sy ny fiainana, amin' ny alalan' ny fandinihana voasaina sy mitsikera. Fikarohana nyfahamarinana izay tarihin' ny fanontaniana momba izao tontolo izao sy momba nyfahalalana ary momba ny fisian' nyolombelona izany. Fandinihana ny fototr' olana – toy ny antom-pisian' ny tena, nyfahalalana, nysoatoavina, nyfahendrena, ny fisainana ary nyfiteny – ny filôzôfia.

Avy amin' nyteny grika hoeφιλοσοφία /philosophia, izay midika hoe "fitiavam-pahendrena", ny teny hoefilôzôfia. Avy amin' ny fikambanan' ny teny roa φιλέω /philéô, "mitia" na "tia" sy σοφία /sophía "fahendrena" na "fahaizana", ny hoe φιλοσοφία /philosophía.

Efa nisy hatramin4 nyAndro Taloha tany amin' nyTontolo Tandrefana syTatsinanana ny filôzôfia, tsy amin' ny maha asa voasaina azy fotsiny fa amin' ny maha fomba fiaina azy. Ahafahana mahatakatra ny fivoarany ny tantaran' ny filôzôfia.

Hatramin' ny niandohany dia nifototra tamin' ny adihevitra momba ny fiheveran' ny besinimaro, mandritra ny fifanakalozan-kevitra eo amin' ny mpampianatra sy ny mpianany tao amin' ny sekoly filôzôfika samihafa ny filôzôfia izay azo raisina ho toy ny asa famoronana, fisaintsainana, famaritana ary famakafakana hevitra toy ny hoetsara,ratsy,hakanto, aryrariny. Azo raisina ho fitadiavana fahamarinana, fahafahana, varany ary fahatsiarovan-tena, sy fikatsahana fahasambarana ny filôzôfia. Raha jerena araka nyteôlôjia kristiana izay ampifandraisina aminy, amin' ny fomba fiasany, dia tokony hitodika any amin' ny fandinihana nyfahamarinana sy ny fitadiavana ny tanjona faratampony ary ny varan' ny fiainana ny zava-kendreny.

Amin' iAristôty dia siansa momba ny vondrona foto-pitsipika voalohany sy ny vondrona anton-javatra voalohany nyfahendrena. Izany no famaritana nianteheran' nyAristôtelisiana taty aoriana tamin' nyAndro Antenatenany mba hahitana ny "filôzôfia voalohany" (izany hoe nymetafizika ankapobeny).

Amin' ny heviny môderina sy amin' ny filôzôfa amin' izao fotoana izao dia tsyfahalalana sady tsy vondrom-pahalalana ny filôzôfia, fa dingam-pirosoana andinihana ny fahalalana ananana.

Afaka mahafaoka andiana taranja, toy nysiansan' ny mahaolona sy ny fiarahamonina, nysiansa arak' endrika ary nysiansan' ny zavaboary, izay mifandray ara-tantara aminy, ny sehatry iasan' ny fandinihana filôzôfika.

Niteraka sehatra fototra anaovana fandalinana ny filôzôfia, ka anisan' izany nylôjika, nyetika (filôzôfia môraly), nymetafizika, ary nyepistemôlôjia (filôzôfian' nysiansa syrijan-kevitra momba nyfahalalana). Rehefa nandeha ny fotoana dia nisampana maro ireo sampan' ny filôzôfia ireo: nyfilôzôfia pôlitika, nyfilôzôfian' ny lalàna, nyestetika (filôzôfian' ny zavakanto), nyôntôlôjia, nyfilôzôfian' ny saina (anglisy:mind), nyantrôpôlôjia filôzôfika, na nyfilôzôfian' ny fiteny, sns.

Ny sampan' ny filôzôfia

[hanova |hanova ny fango]

Mizara ho sampana efatra lehibe ny filôzôfia, dia nymetafizika, nylôjika, nyepistemôlôjia ary nyetika.

Ny metafizika

[hanova |hanova ny fango]

Fandinihana sy fandalinana ny fiavian' ny zava-misy, miaraka amin' ny fifandraisana eo anivon' ny saina sy ny vatana ary ny zava-mitranga, nymetafizika. Fanontaniana mahazatra ao amin' ny metafizika ny hoe: Inona ny fisiana ? Misy veAndriamanitra? Inona moa ny fotoana sy ny habaka ary ny fisian' ny anton-javatra? Anisan' ny zana-tsampan' ny metafizika nyôntôlôjia (metafizika ankapobeny), nykôsmôlôjia filôzôfika, nypsikôlôjia voasaina ary nyteôlôjia voasaina (momba an' Andriamanitra), izay tsy ampitovina amin' nykôsmôlôjia siantifika sy nypsikôlôjia ara-panandramana ary nyteôlôjia vokatry nyfanambaràna ao amin' ny fivavahana).

Ny epistemôlôjia na teôria momba ny fahalalana

[hanova |hanova ny fango]

Sampan' ny filôzôfia mandalina nyfahalalana siantifika nyepistemôlôjia, izany hoe mandalina sy mitsikera nysiansa, ny fivoarany, ny lanjany ary ny fampiharana azy. Io no andalinana ny toetra sy ny loharano sy ny fetra ary ny fahamarinan' ny fahalalana. Anisan' ny fanontaniana ao ny hoe: Inona no atao hoe fahalalana? Afaka mahafantatra ny marina ve isika? Inona no maha samy hafa nymino sy nymahalala?

Ny lôjika

[hanova |hanova ny fango]

Mandalina ny fitsipika mifehy ny fahamarinan' ny fanjohian-kevitra marim-pototra sy ny fanatsoahan-kevitra, ny firafitra araka endiky ny adihevitra ary ny fanaporofoana nylôjika. Fanontaniana apetraka ao ny hoe: Inona no atao hoe fanjohian-kevitra mirindra? Ahoana no hanavahana ny hevitra marim-pototra sy ny diso (sôfisma)?

Ny etika na filôzôfia môraly

[hanova |hanova ny fango]

Sampan' ny filôzôfia mandalina ny fitsarana ara-môraly, mba hametrahana ny fitsipika mifehy sy ny fetran' ny azo atao, nyadidy tokony hefaina, nysoatoavina ary ny tanjon' ny asan' ny olombelona nyetika. Fandinihana ny fomba fitondran-tena eo anivon' nyfiarahamonina sy fandinihana manokana nytsara tokony hatao sy nyratsy tsy tokony hatao ny etika na filôzôfia môraly. Fanontaniana ao amin' ity sampan' ny filôzôfia ity ny hoe: Inona no tokony hataoko? Inona no atao hoe fiainana tsara? Misy ve ny soatoavina iombonan' ny olona rehetra?

Ny filôzôfia pôlitika

[hanova |hanova ny fango]

Fandinihana nygovernemanta sy ny fifandraisan' ny tsirairay (na fifandraisan' nyfianakaviana) amin' ny fikambanana ao amin' nyfirenena nyfilôzôfia pôlitika. Ao no andalinana ny foto-pitsipiky ny fahefana, ny rariny, ny andrim-piarahamonina ary nyzo. Ao ny fanontaniana mahakasika ny fanamarinana, nylalàna, ny fananana, ary nyzo sy nyadidin' nyolom-pirenena. Anisan' ny fanontaniana ao koa ny hoe: Inona no atao hoe fanjakana mananja ny rariny? Inona no endri-pitondrana tsara indrindra? Inona no atao hoefahafahana? Misy fifandraisany nypôlitika sy nyetika, ary miadihevitra amin' ny hoe inona nytsara sy nyratsy ary ahoana no tokony hiainan' ny vahoaka ny foto-panontaniana ao amin' ireo zana-tsampana roa ireo.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Filôzôfia&oldid=1116542"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp