Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Fifandraisana iraisam-pirenena

Avy amin'i Wikipedia

Nyfifandraisana iraisam-pirenena ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin' ny samy firenena sy fanjakana. Lohahevitra fototra halalinina nylalàna iraisam-pirenena, nypôlitika iraisam-pirenena, nytoekarena iraisam-pirenena ary ny tantaran' ny fifandraisana iraisam-pirenena. Halalinina amin' ny alalan' ireo zana-taranja ireo amin' ny ankapobeny nyraharaham-bahiny sy ny lohahevi-delehibe eo amin' ny rafitra iraisam-pirenena: ny andraikitry ny firenena tsirairay, nyfikambanana iraisam-pirenena, nyfikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, ary ny orinasa iraisam-pirenena.

Sady sahanin' ny sehatra akademika no sahanin' ny sehatrapôlitika ny fifandraisana iraisam-pirenena. Azo halalinina amin' ny fomba fijery manoritsoritra na amin' ny fomba fijery mamaritra fenitra izany. Samy mikatsaka ny hamakafaka sy handrafetana nypôlitika iraisam-pirenenan' ny firenena ireo fomba fijery roa ireo.

Na dia tao amin' ny sehatry nysiansa pôlitika aza ny fifandraisana iraisam-pirenena teo amin' ny tantara, dia mihamitombo hatrany ny fanamafisana ny sehatra ara-toekarena amin' ny alalan' nytoekarena pôlitika iraisam-pirenena, izay nivoatra be nanomboka tamin' ny taopolo 1970. Misy sehatra akademika hafa koa izay voakasik' izany: nylalàna iraisam-pirenena, nyfilôzôfia, nyjeôgrafia (indrindra amin' ny alalan' nyjeôpôlitika), nysôsiôlôjia, nyantrôpôlôjia, ny fandalinana nykolontsaina, nysiansa pôlitika.

Lohahevitra dinihina manokana nyfanatontoloana, nyfanjakana, nytontolo iainana sy nyfampandrosoana maharitra, nyfihanaky nyfitaovam-piadiana nokleary, nynasiônalisma, nyfampandrosoana ara-toekarena, nyfitantanam-bola iraisam-pirenena, nyzon'olombelona, ​​sns.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fifandraisana_iraisam-pirenena&oldid=1121388"

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp