Nyfamakiloha natsipeko diabibikely isan-karazany mitovitovy habe amin' ny valala, izay lava vatana kokoa, mpihaza bibikely hafa, henjana ny elany ambony ary manify makarakara ny elatra ambany. Lava ny tendany. Mamorona filaharana atao hoeMantodea, izay misy karazana 2 400 mahery mitsinjara amin' ny vondron-karazana 460 eo ho eo sy amin' ny fianakaviana 33. Ny fianakaviana lehibe indrindra dia nyMantidae. Miparitaka eran-tany amin' ny toerana mananatoetany antonony sy mafana ny famakiloha. Manana loha telozoro sy maso mivongana eo amin' ny vozona afaka milefitra. Mety manana elatra na tsia ny vatany lava, fa ny famakiloha rehetra kosa dia manana tanany eo alohany izay lehibe kokoa sady mety tsara amin' ny fisamborana sy famikirana remby; ny fijoroan' izy ireo mahitsy, raha mijanona amin' ny toerana iray sady miforitra ny sandriny, dia toa mivavaka.
Ny havan' ny famakiloha akaiky indrindra dia nyaboaly navitsikazo (Termitoidea) sy nykalalao (Blattodea), izay ao anatin' ny renilaharanaDictyoptera avokoa. Ny famakiloha indraindray dia afangaro amin' ny fasma (Phasmatodea), bibikely lava lava toy nyvalala (Orthoptera), na bibikely hafa havana lavitra kokoa manana rantsam-batana mpisavika toy nyMantispidae. Mpihaza miotrika ny famakiloha amin' ny ankapobeny, saingy misy karazana monina an-tanety vitsivitsy izay mazoto manenjika ny rembiny. Mazàna izy ireo dia miaina mandritra ny herintaona eo ho eo. Amin' nytoetany mangatsiatsiaka kokoa dia manatody ny famakiloha vavy efa lehibe amin' nyfararano, ary maty avy eo. Voaaro amin' ny kitapo kely mafy ny atody ary foy amin' ny lohataona. Ny vavy indraindray dia mihinana ny lahiny aorian' ny fanaovana firaisana ara-nofo.