Nyfahotana naota dia fandikana an-tsitrapo na tsy an-tsitrapo ny didin'Andriamanitra ka heloka eo anatrehan' Andriamanitra izany. Ny fahotana dia mety ho ny tsy fanoavana na ny fandavana na ny fisakanana nyfamonjena, na mety ho ny antony itrangan' ny fahafatesanan' nyfanahy. Mety hiseho amin' ny alalan' ny asa azo tsapain-tanana ny fahotana na koa amin' ny alalan' ny eritreritra manimba ny fifandraisan' ny olombelona amin' Andriamanitra.
Fahotana ny zavatra rehetra misakana ny fahatratrarana ny tanjona tsara tokony ho tratra araka ny fampianaran' ny fivavahana iray (mety ho ny famonjena izany tanjona izany na zavatra hafa). Tsy fahotana ny fandikana ny lalàna nataon' olombelona.
Ny olonatsy mino an' Andriamanitra dia tsy mino koa ny fisian' ny fahotana. Tsy amin' ny fivavahana rehetra anefa no ahitana ny atao hoefahotana fa amin' ny sasantsasany ihany. Ny tontolon' nyfinoana jiosy sykristiana arysilamo no tena iresahana betsaka ny amin' ny fahotana.