Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Fôsfôro

Avy amin'i Wikipedia
Fôsfôro mena

Nyfôsfôro diasinga simika mananaisa atômika 15, nomena ny evaP. Ao amin' ny tabilaon-tsingerina dia hita ao amin' ny vondrona lehibe fahadimy, na vondrona IUPAC faha-15 na vondrona azôta izy. Mpikambana ao amin' ny vondron' ny pniktôzenina izy io. Miseho amin' ny endrika tena samy hafa ny zaka tsotra fôsfôro, indrindra fa maka loko manomboka amin' ny volomparasy-mainty, mena, fotsy-mavo hatramin' ny fotsy. Ny fôsfôro "fotsy" izay tena madio dia mangarahara.

Amin' ny ankapobeny dia fotsy vandavandana, somary mora volavolaina sady ahenoana fofonatongolo gasy malefaka ny fôsfôro. Mety hiseho amin' ny endrika vovoka nakristaly ny fôsfôro mena sy mainty. Ny fôsfôro fotsy, izay ahitana môlekiola P4, no endrika mora vokarina indrindra, saingy azo antoka fa tsy ny marin-toerana indrindra amin' ny lafiny termôdinamika, izany no ampiasana azy amin' nybalan' nyfitaovam-piadiana.

Tena ilain' nyzavamananaina rehetra eto an-tany ny fôsfôro, amin' nyolombelona dia zava-dehibe indrindra izy io amin' ny fiasan' nyatidoha. Ny taharony dia mandray anjara amin' ny firafitra sy ny fiasan' ny zavamananaina any amin' ny sehatra afovoany, toy nyADN sy ny famatsianaangovo nysela. Mitranga ao anatin' ny tsingerin' ny fôsfôro ny fiovana biôjeôsimikan' ny fôsfôro.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fôsfôro&oldid=1117571"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp