Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Esoatiny

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Esoatiny
Sarin-tanin' i Esoatiny
I Esoatiny ao Afrika

IEsoatiny dia firenena kely ao amin' nyfaritra atsimo ao Afrika, tsy manana morontsiraka, saika voahodidin' ny tanin' iAfrika Atsimo izy ary iMôzambika no miray sisin-tany aminy ao atsinanana. Manana velarana mirefy 17 363 km2 izy. IMbabane no renivohiny. Atao hoeEsoatiniana naSoatiniana ny vahoak' i Esoatiny izay nahatratra 1 104 479 tamin' ny taona 2020.

Atao hoeEswatini ity firenena ity amin' ny tenyanglisy faeSwatini kosa amin' ny tenysoaty.Soazilady no anarany talohan' ny taona 2018. Ny teny hoeeSwatini dia midika hoe "tanin' nySoazỳ". Indraindray koa izy antsoina hoeNgoane (anglisy:Ngwane).

Ny tapany andrefan' i Esoatiny dia tangoro-mbohitra mifanila amin' ny tapany avaratra amin' ny tangorom-bohitr' i Drakensberg, mihaiva ny vohon-tany mankany amin' nyRanomasimbe Indiana izay mamorona faritra be havoana sy tany lemaka anirian' ahitra. I Pigg's Peak no tendrombohitra avo indrindra any, izay mahatratra 1 900 m. I Komati sy i Grand Usutu ary i Umbeluzi no renirano telo lava indrindra any.

Nyfiteny soaty, izay ao amin' nyfianakaviam-piteny banto, sy nyfiteny anglisy no fiteny ôfisialin' i Esoatiny. Miteny soaty ny 90 %n' ny Soazy fa ny 0,6 % ihany no miteny anglisy. Misy fiteny banto hafa koa tenenina ao amin' io firenena io. Mpikambana ao amin' nyCommonwealth i Esoatiny.

NySoaty na Soazy (vahoaka banto) no maro anisa any Esoatiny. Misy mpitsoa-ponenana avy anyMôzambika syBritanika vitsy anisa koa ny any. Ny ankamaroan' ny Esoatiniana diaKristiana (80-88 %) fa misy koa nyMiozolmana (5-10 %), misy nyHindo sy nyBahay ary ny mpanaraka nyfivavahan-drazana afrikana.

Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Esoatiny: midadasika ny toeram-pambolena sady manaraka fomba môderna. Ny ampahan' ny tany ambolena any anefa fananan' ny Britanika na an' ny kômpania vahiny; ny antsasaky ny tany izay eo ambany fiantohan' ny mpanjaka no atokana ho an' ny Soazy. Nykatsaka sy nylandihazo sy nyparaky ary nyvoasary no tena volena any. Maro koa ny olona misahana ny asa fiompiana. Firenena manan-karena an-kibon' ny tany betsaka i Esoatiny, ka isan' izany nyamianta sy nyvy sy nyvolamena sy nyarintany ary nyfirapotsy.

Miara ho distrika efatra i Esoatiny, dia ny distrikan' i Hhohho, ny distrikan' i Lubombo, ny distrikan' i Manzini ary ny distrikan' i Shiselweni.

Prôtektôrata britanika taloha i Esoatiny. Tamin' ny 6 Septambra 1968 no nahazoany ny fahaleovan-tenany. Ankehitriny dia fanjakà-mpanjaka ity firenena ity ka ny mpanjakany amin' izao (2021) dia i Mswati III. Ny mpanjaka no manendry ny praiminisitra sy ny mpikambana ao amin' ny governemanta.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo -Alzeria -Angôla -Benîno -Borkina Fasô -Borondy -Bôtsoana -Ejipta -Eritrea -Esoatiny (Soazilandy taloha) -Etiôpia -Gabôna -Gambia -Ganà -Ginea -Ginea Bisao -Ginea Ekoatôrialy -Jibotỳ -Kamerona -Kapvera -Kenia -Kômôro -Kôtidivoara -Lezôtô -Liberia -Libia -Madagasikara -Malaoy -Malỳ -Maorisy -Maoritania -Marôka -Môzambika -Namibia -Nizera -Nizeria -Oganda -Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika -Repoblika Demôkratikan' i Kôngô -Repoblikan' i Afrika Afovoany -Repoblikan' i Kôngô -Roanda -Saô Tôme e Prinsipe -Seisely -Senegaly -Siera Leôna -Sodàna -Sodàna Atsimo -Sômalia -Sômalilandy -Tanzania -Tôgô -Tonizia -Tsady -Zambia -Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Esoatiny&oldid=1059729"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp