Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Eorôpa

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tanin' i Eorôpa sy ny tany manodidna azy

IEorôpa diakôntinenta hita manontolo ao amin' nyila-bolantany avaratra sady manana ny ampahany be amin' ny taniny ao amin' ny ila-bolantany atsinanana, izay voafaritry ny kôntinentan' iAzia avy ao atsinanana, nyRanomasina Mediteranea avy ao atsimo, nyRanomasimbe Atlantika sy nyRanomasin' i Nôrvezy avy ao andrefana, ary nyRanomasimbe Arktika avy ao avaratra i Eorôpa. Matetika dia zaraina ho faritra efatra i Eorôpa ka ahitana an' iEorôpa Avaratra, iEorôpa Andrefana, iEorôpa Afovoany, iEorôpa Atsinanana ary iEorôpa Atsimo.

I Eorôpa eo anivon' izao tontoloo izao

Lazaina matetika fa anisan' ny kôntinenta enina misy eto an-tany i Eorôpa. Izy no tapany andrefana amin' iEorazia na tapany avaratra ao amin' ny kôntinentaAfrô-Eorazia, arakaraka ny fomba fijery. Ny solon' arany dia hoe "Tontolo Tranainy", satria mifanohitra amin' ny "Tontolo Vaovao" (izany hoe iAmerika). Ao Eorôpa dia misykolontsaina maromaro manana fianjadiana sy lova iraisana. Kôntinenta faharoa kely indrindra eto an-tany i Eorôpa amin' ny lafiny velaran-tany (10,18 tapitrisa km2), na 2 % amin' ny velaran' ny tany maina na 6,8 %n' ny velaran' nyTany, raha atambatra ao ny velaran' nyranomasina rehetra. Misyfirenena dimampolo ao Eorôpa, ka iRosia no ngeza indrindra amin' ireo na amin' ny lafiny isan' ny mponina na amin' ny lafiny velaran-tany, ary iVatikàna no fanjaka kely indrindra amin' ireo, na amin' ny lafiny isan' ny mponina na amin' ny lafiny velaran-tany. I Vatikàna koa no firenena kely indrindra eto an-tany. Araka ny voalazan' nyFirenena Mikambana dia mety hihena 7 % ny tahan' ny isan' ny mponina ao Eorôpa amin' ny taona 2050 raha 25 % izany tamin' ny taona 1900.

Ny Tempolin'i Apollo

Any Eorôpa dia iGrisia Taloha no toerana nahaterahan' ny kolontsaina eorôpeana. Nahazo lanja ny firenena eorôpeana tamin' ny taonjato faha-16, indrindra taorian' ny fiantombohan' nyfanjanahan-tany. Teo anelanelan' ny taonjato faha-16 sy faha-20, ny firenena eorôpeana dia nanana zanatany tanyAmerika (indrindra tamin' ny taonjato faha-17 sy faha-18), tao amin' ny ampahany be amin' iAfrika, taoÔseania, ary tao amin' ny tapany avaratra sy atsimon' iAzia. NyAdy Lehibe rehetra dia niainga avy ao Eorôpa, ka nampahazo lanja an' iEtazonia sy nyFiraisana Sôvietika teo antenatenan' ny taonjato faha-20. Nandritra nyAdy Mangatsiaka dia nizara roa i Eorôpa: ny faritra andrefana ao amin' nyOTAN sy ny faritra atsinanana tao amin' nyDinan' i Varsôvia, nampihidy ny Fiaro Vy ("Rideau de Fer" amin' nyteny frantsay).

Fizaràm-paritra ao Eorôpa

[hanova |hanova ny fango]

Mizara faritra lehibe dimy i Eorôpa, dia iEorôpa Andrefana, iEorôpa Avaratra, iEorôpa Atsimo, iEorôpa Afovoany, ary iEorôpa Atsinanana.

Eorôpa Andrefana

[hanova |hanova ny fango]

Faritra mamondrona ny firenena mananana morontsiraka ao amin' nyRanomasimbe Atlantika iEorôpa Andrefana. Amin' ny lafiny ara-tantara, i Eorôpa Andrefana dia fikambanan' ny firenena nanana fifandraisana diplômatika tamin' iEtazonia nandritra nyAdy Mangatsiaka, fa naitatra izy mba ho tafiditra ao nyfirenena tsy momba ny atsy na ny aroa toa an' iSoisa; manomboka mifafa izany sary izany tamin' ny fanitarana nyVondrona Eorôpeanina. Ireto avy ny firenena anisan' i Eorôpa Andrefana: iAlemaina, iAotrisy, iBelzika, iDanemarka, iEspaina, nyFanjakana Mitambatra, iFinlandy, iFrantsa, iIrlandy, iIslandy, iItalia, iLiektenstaina, iLoksemborga, iNederlandy, iNôrvezy, iPôrtogaly, iSoeda, ary iSoisa.

Eorôpa Avaratra

[hanova |hanova ny fango]

IEorôpa Avaratra dia faritra ao amin' ny tapany avaratra amin' i Eorôpa izay ahitana ny firenena manana kolontsaina syfiteny skandinaviana (Nôrvezy,Danemarka,Soeda syIslandy) aryfiteny fenika (Finlandy syEstônia).

Eorôpa Atsimo

[hanova |hanova ny fango]

Faritra ara-jeôgrafia na ara-jeôpôlitika mahafaoka ny ampahany atsimo amin' i Eorôpa iEorôpa Atsimo. Anisan' izany ny firenena sy fanjakana hita ao amin' nysaikanosymediteraneana telo (nySaikanosy Iberika sy nySaikanosy Italiana ary nySaikanosy Balkanika). Ireto avy ny firenena ao Eorôpa Atsimo: iAlbania, iAndôra, iBôsnia-Herzegôvina, iEspaina, iGresy, iItalia, iKrôatia, iMakedônia Avaratra, iMalta, iMôntenegrô, iPôrtogaly, iSan-Marîno, iSerbia, iSlôvenia, ary iVatikàna.

Eorôpa Afovoany

[hanova |hanova ny fango]

Faritra ao Eorôpa eo anelanelan' iEorôpa Atsinanana sy iEorôpa Andrefana iEorôpa Afovoany. Indreto ny firenena azo sokajina ao aminy: iAlemaina, iAotrisy, iHongaria, iPôlônia, nyRepoblika Tseky, iSlôvenia ary iKrôasia. I Krôasia sy iRomania koa tsindraindray dia sokajiana ho anisan' ny firenen' i Eorôpa Afovoany, i Krôasia izay ao amin' ny faritraBalkana.

Eorôpa Atsinanana

[hanova |hanova ny fango]

IEorôpa Atsinanana dia ny faritra atsinanana ao Eorôpa izay faritan' nytangoron-tendrombohitraOraly, iKaokazy, nyRanomasina Kaspiana, nyRanomasina Mainty, nyRanomasina Marmara ary nyRanomasina Egea avy ao atsinanana.

Firenena ao Eorôpa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena eken' ny fianakaviambe iraisam-pirenena

[hanova |hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny firenena sy fanjakana ao Eorôpa izay eken' ny rehetra ny fanananyfiandrianana syfahaleovan-tena:

Ny firenena izay mbola misy tsy mankato

[hanova |hanova ny fango]

Ireto ny firenena ao Eorôpa izay mbola misy tsy mankato ny maha firenena mahaleo tena azy:Abkazia (misy tapany aoAzia) -Karabaga Ambony (misy tapany aoAzia) -Kipra  Avaratra (naSipra Avaratra) -Kôsôvô -Ôsetia Atsimo -Transnistria

Vahoaka sy kolontsaina ao Eorôpa

[hanova |hanova ny fango]

Ny mponina ao Eorôpa

[hanova |hanova ny fango]

Ny ankamaroan' ny mponina any Eorôpa amin' izao fotoana izao dia heverina ho teratany any amin' ny fireneny na ny faritra misy azy. Tombanana ho 105 tapitrisa ny fitambaran' ny vahoaka vitsy anisa ao Eorôpa, na 14 % amin' ny Eorôpeana miisa 770 tapitrisa tamin' ny taona 2002 izany. NyRosiana, izay miisa 120 tapitrisa eo ho eo, no betsaka indrindra amin' ny Eorôpeana.

Fiteny

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' nyfianakaviam-piteny indô-eorôpeana ny ankamaroan' nyfiteny ao Eorôpa, manarakaraka azy ireo ny fiteny ao amin' nyfianakaviam-piteny finô-ogriana. Ahitana fiteny ao amin' nyfianakaviam-piteny torkika koa ao. AoKaokazy dia mitana anjara toerana lehibe nyfianakaviam-piteny abkazô-adigiana, nyfianakaviam-pteny nakô-dagestaniana ary nyfianakaviam-piteny kartveliana.

Fiteny indô-eorôpeana

[hanova |hanova ny fango]

Mitsinjara ho fianakaviam-piteny efatra nyfiteny indô-eorôpeana tenenina ao Eorôpa, dia nyfiteny jermanika (fiteny anglisy,fiteny alemàna,fiteny neerlandey,fiteny soedoà,fiteny danoà,fiteny nôrveziana, sns), nyfiteny rômana (fiteny romaniana,fiteny italiana,fiteny espaniôla,fiteny pôrtogey,fiteny frantsay sns), nyfianakaviam-piteny balta (fiteny litoaniana,fiteny letôna, sns) ary nyfiteny slava (fiteny rosiana,fiteny bielôrosiana,fiteny okrainiana,fiteny tseky,fiteny slôvaka,fiteny pôlôney,fiteny serbô-krôatiana,fiteny bolgariana,fiteny makedôniana,fiteny slôvena, sns), nyfianakaviam-piteny seltika (fiteny ekôsey,fiteny irlandey,fiteny galoà,fiteny bretôna, sns), fiteny manirery (fiteny albaney,fiteny armeniana,fiteny grika vaovao,fiteny rômany).

Fiteny tsy indô-eorôpeana

[hanova |hanova ny fango]

Ampiasain' ny olona monina ao Eorôpa koa ny fiteny maro tsy anisan' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, dia ny fiteny maro ao amin' nyfianakaviam-piteny kaokaziana, ao amin' nyfianakaviam-piteny oraliana (fiteny hongariana,fiteny finoà,fiteny estôniana,fiteny môldaviana, sns), ao amin' nyfianakaviam-piteny semitika (fiteny maltey), ao amin' nyfianakaviam-piteny torkika (fiteny tiorka,fiteny kazàka, sns) ary ao amin' nyfianakaviam-piteny môngôliana.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Ny kôntinenta

Ny faritra ao Eorôpa

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Eorôpa&oldid=1115017"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp