Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Empira Rômana

Avy amin'i Wikipedia
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny Empira Rômana

NyEmpira Rômana dia nyempira lehibe indrindra tamin'nyAndro Taloha. Ny renivohiny dia iRôma ary mifototra amin' ny tany manodidina nyRanomasina Mediteranea ilay empira. Nitoetra nanomboka tamin' ny 27 tal. J.K. hatramin'ny fanonganana ny emperora farany tamin'ny taona 476 ny Empira Rômana. Amin'nyteny latina izy dia atao hoeImperium Romanum.

Ny empira no dingana fahatelo teo amin'ny tantaran'iRôma Taloha. Ny vanimpotoanafaha mpanjaka ny voalohany,faha repoblika ny faharoa ary faha empira ny fahatelo.

Nyfiteny ôfisialin' ny Empira Rômana dia nyfiteny latina. Na dia izany aza, nitazona nyfiteny grika taloha ho fiteny ôfisialy miaraka amin' ny fiteny latina ny faritra atsinanana ao amin' ilay empira.

Naharitra dimanjato taona ny tapany andrefan'ny Empira Rômana. Ny faritra atsinanana izay ahitana an'iGrisy sy iTorkia ankehitriny dia mbola naharitra mihoatra ny arivo taona. Taorian' ny fitontonganan' nyEmpira Rômana Andrefana diaEmpira Bizantina no anaran'ilayEmpira Rômana Atsinanana, ary iKônstantinôpla no renivohiny.

Tantara

[hanova |hanova ny fango]
     Repoblika Rômana     Empira Rômana     Empira Rômana Andrefana     Empira Rômana Atsinanana

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Empira_Rômana&oldid=1120974"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp