Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Ejipta

Avy amin'i Wikipedia

IEjipta naEgipta na nyRepoblika Arabon' i Ejipta dia firenena ao amin' ny faritra atsinanan' iAfrika Avaratra. Manana morontsiraka amin' nyRanomasina Mena izy ao atsinanana ary amin' nyRanomasina Mediteranea ao avaratra. IKahira (arabo: القاهرة /al-Qāhira) no renivohiny sady tanàna lehibe indrindra atyAfrika. Ireo firenena manodidina azy dia iIsraely ao avaratra-atsinanana sy iSodàna ao atsimo ary iLibia ao andrefana. Mivelatra mankany amin' ny tendro atsinanan' i Afrika Avaratra i Ejipta sady mitohy mankanyAzia noho ny fisian' iSinay. Izany toerana misy an' i Ejipta izany no iheverana azy ho isan' ny faritraAtsinanana Akaiky (na Azia Andrefana). Atao hoe مصر /Miṣr i Ejipta amin' nyteny arabo, fa مصر /Maṣr kosa amin' nyteny arabo egiptiana (fiteny ifaneraserana). Manana velarana mirefy 1 001 450 km2 izy izay misy mponina miisa 76 117 421 tamin ' ny taona. Atao hoeEjipsiana naEgiptiana ny vahoakan' io firenena io.

(Antsipirihany)
Sarintany
Fitenyarabo
RenivohitraKairo
PraiminisitraHazem Al Beblawl
Filoham-pirenenaAdly Mansour
Velarantany1 001 450km²
Mponina
 - Manontolo (2004)
 -Hakitroka
Lisitra tanàna araka ny mponina
76.117.421 mponina
1120 mpo/km²
Anarana
Fahaleovantena26 Jolay1952
Finoanasilamo : 90%;kôpta;katôlika
Sandam-bolasterlina ejipsiana
Faritra oraUTC +2
Faritra Internet.eg
Antso an-tariby20










Ejipta

INily (na Neily), izay isan' ireoony lava indrindra maneran-tany dia avokavoka ho an' i Ejipta: ao amin' ny lohasahan' i Nily sy amin' ny vinaniny ao amin' nyRanomasina Mediteranea no ahitana ny ankamaroan' ny haren' i Ejipta. Ny 10 %n' ny tanin' i Ejipta monja anefa no misy mponina sady ahitana fambolena, ny sisa rehetra dia faritra karankaina.

Laharana faharoa aty Afrika ny toekaren' i Ejipta sady manana ny akony lehibe dia lehibe ao amin' ny faritraAtsinanana Akaiky. Malalaka sady sahanin' ny sehatra tsy miankina ny toekaren' i Ejipta ankehitriny raha nampanarahin' ny fanjakana teti-pampandrosoana izany tany aloha. Nyfambolena no seha-pihariana lehibe indrindra any. Nysolitany syetona voajanahary no loharanon-karena mampidi-bola be indrindra, toraka izany koa nyfizahan-tany, vokatry ny fisian' ny toerana manan-tantara ahitana ny fasan' ireofaraôna taloha (piramida).

IEjipta tamin' nyAndro Taloha dia nandrosoan' ny sivilizasionan’ iEjipta taloha. Taty aoriana dia nyArabomiozolmana no nanjakazaka tao. Tamin' ny taona 1869 dia vita nylakandranon' i Suez izay nampitohy nyRanomasina Mediteranea amin' nyRanomasina Mena sady lasa lalana falehan' ny raharaham-barotra mampitohy nyTontolo Tandrefana amin' ny faritraAtsinanana Akaiky. Tamin' ny taonjato faha-20 dia teo ambany fahefana sy fiarovan' nyBritanika i Ejipta. Tamin' ny taona 1953 no nanambaràna ny fahaleovan-tenan' i Ejipta. Taorian' izany ireo disadisa maro nifanaovany tamin' iIsraely.

Ny 99 %n' ny mponina dia miangona ao amin' ny 4 %n' ny velaran-tanin' i Ejipta. I Ejipta no firenena be mponina indrindra ao amin' nyTontolo Arabo. Ny 90 %n' ny mponina diamiozolmana fa ny 10 % kosa dia manaraka ny fivavahana kristiana kôpta (Fiangonana Kôpta Ôrtôdôksa, Fiangonana Katôlika Kôpta, Fiangonana Evanjelika Kôpta).

Nyfiteny arabo no fiteny ôfisialin' i Ejipta. Ny fiteny arabo egiptiana dia fiteny ifaneraserana am-bava ihany.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo -Alzeria -Angôla -Benîno -Borkina Fasô -Borondy -Bôtsoana -Ejipta -Eritrea -Esoatiny (Soazilandy taloha) -Etiôpia -Gabôna -Gambia -Ganà -Ginea -Ginea Bisao -Ginea Ekoatôrialy -Jibotỳ -Kamerona -Kapvera -Kenia -Kômôro -Kôtidivoara -Lezôtô -Liberia -Libia -Madagasikara -Malaoy -Malỳ -Maorisy -Maoritania -Marôka -Môzambika -Namibia -Nizera -Nizeria -Oganda -Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika -Repoblika Demôkratikan' i Kôngô -Repoblikan' i Afrika Afovoany -Repoblikan' i Kôngô -Roanda -Saô Tôme e Prinsipe -Seisely -Senegaly -Siera Leôna -Sodàna -Sodàna Atsimo -Sômalia -Sômalilandy -Tanzania -Tôgô -Tonizia -Tsady -Zambia -Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany

Samihafa

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Ejipta&oldid=1059727"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp