IEjipta naEgipta na nyRepoblika Arabon' i Ejipta dia firenena ao amin' ny faritra atsinanan' iAfrika Avaratra. Manana morontsiraka amin' nyRanomasina Mena izy ao atsinanana ary amin' nyRanomasina Mediteranea ao avaratra. IKahira (arabo: القاهرة /al-Qāhira) no renivohiny sady tanàna lehibe indrindra atyAfrika. Ireo firenena manodidina azy dia iIsraely ao avaratra-atsinanana sy iSodàna ao atsimo ary iLibia ao andrefana. Mivelatra mankany amin' ny tendro atsinanan' i Afrika Avaratra i Ejipta sady mitohy mankanyAzia noho ny fisian' iSinay. Izany toerana misy an' i Ejipta izany no iheverana azy ho isan' ny faritraAtsinanana Akaiky (na Azia Andrefana). Atao hoe مصر /Miṣr i Ejipta amin' nyteny arabo, fa مصر /Maṣr kosa amin' nyteny arabo egiptiana (fiteny ifaneraserana). Manana velarana mirefy 1001450 km2 izy izay misy mponina miisa 76117421 tamin ' ny taona. Atao hoeEjipsiana naEgiptiana ny vahoakan' io firenena io.
INily (na Neily), izay isan' ireoony lava indrindra maneran-tany dia avokavoka ho an' i Ejipta: ao amin' ny lohasahan' i Nily sy amin' ny vinaniny ao amin' nyRanomasina Mediteranea no ahitana ny ankamaroan' ny haren' i Ejipta. Ny 10%n' ny tanin' i Ejipta monja anefa no misy mponina sady ahitana fambolena, ny sisa rehetra dia faritra karankaina.
Laharana faharoa aty Afrika ny toekaren' i Ejipta sady manana ny akony lehibe dia lehibe ao amin' ny faritraAtsinanana Akaiky. Malalaka sady sahanin' ny sehatra tsy miankina ny toekaren' i Ejipta ankehitriny raha nampanarahin' ny fanjakana teti-pampandrosoana izany tany aloha. Nyfambolena no seha-pihariana lehibe indrindra any. Nysolitany syetona voajanahary no loharanon-karena mampidi-bola be indrindra, toraka izany koa nyfizahan-tany, vokatry ny fisian' ny toerana manan-tantara ahitana ny fasan' ireofaraôna taloha (piramida).
Ny 99%n' ny mponina dia miangona ao amin' ny 4%n' ny velaran-tanin' i Ejipta. I Ejipta no firenena be mponina indrindra ao amin' nyTontolo Arabo. Ny 90%n' ny mponina diamiozolmana fa ny 10% kosa dia manaraka ny fivavahana kristiana kôpta (Fiangonana Kôpta Ôrtôdôksa, Fiangonana Katôlika Kôpta, Fiangonana Evanjelika Kôpta).
Nyfiteny arabo no fiteny ôfisialin' i Ejipta. Ny fiteny arabo egiptiana dia fiteny ifaneraserana am-bava ihany.