Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Fianakavia-mpanjaka lagida

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'nyDinastia ptôlemaika)
Ptôlemaiosy I

Nyfianakavia-mpanjaka lagida nadinastia lagida nadinastia ptôlemaika dia fianakavia-mpanjaka helenistika nipoitra avy amin' ilay mpitari-tafika makedôniana atao hoePtôlemaiôsy I, zanak' iLagôsy (grika:Λαγός /Lagós) (niavian' ny teny hoelagida), izay nanjaka taoEgipta tamin' ny taona 323 tal. J.K. hatramin' ny taona 30 tal. J.K. Atao hoebasileôsy (grika:Βασιλεύς /Basileús) nafarao (grika: φαραώ /pharaō) ny andriamanjaka lagida. Nanapaka an' iKirenaika sy iPlestina ary iKiprôsy koa ireo Ptôlemaiôsy tamin' ny fotoana sasany.

Ny faharesen' iKleôpatra VII mbamin' iMarko Antônio raha niady tamin' i Ôktavio (atao hoeAogosto) tao Aktioma tamin' ny taona 31 tal. J.K. no namarana ny dinastia ptôlemaika sy namarana koa ny fisian' nyfaraon' i Egipta, ary koa namarana ny vanimpotoana helenistika, amin' ny mpahay tantara sasany. Fianakaviana grika sady nitonon-tena ho izany ny Lagida ka tsyniteny egiptiana, afa-tsy iKleôpatra VII izay nahay fiteny maro.

Tantara

[hanova |hanova ny fango]

Fiantombohany

[hanova |hanova ny fango]

I Ptôlemaiôsy Lagôsy, iray tamin' ny jeneraly na diadôka (grika:διάδοχος /diádokhos) telon' iAleksandra Lehibe, no nanorina ny dinastia ptôlemaika. Ny jeneraly roa hafa dia iSeleokôsy (izay nanorina ny dinastiaSeleokida nifehy an' iSiria teo anelanelan' ny taona 312 tal. J.K. hatramin' ny taona 163 tal. J.K.) sy iAntigônôsy Mônôftalmôsy (izay nanorina ny dinastiaAntigônida tao Makedônia tamin' ny taona 294 hatramin' ny 168 tal. J.K.). Notendren' i Aleksandra Lehibe ho governora nasatrapan' i Egipta sy i Libia izy. Taorian' ny nahafatesan' i Aleksandra Lehibe, 22 taona taty aoriana, tamin' ny taona 305, dia nanambara tena ho mpanjak' i Egipta sy nanao ny anarany hoePtôlemaiôsy I Sôtera izy.

Fitontonganan' ny fanjakana ptôlemaika

[hanova |hanova ny fango]

Nihalefy hery ny dinastia lagida tamin' ny fanapahan' ireo mpanjaka tamin' ny taonjato faha-2 sy voalohany tal. J.K. tamin' ny nanombohan' ny Rômana nitsabaka tamin' ny fanjakana lagida. Tapitra tamin' ny fiafaran' ny andro nitondran' iKleôpatra VII ny fanjakana sy ny dinastia lagida, tamin'ny ady nifanaovany tamin' nyEmpira Rômana tamin' ny taona 30 tal. J.K.

Ny kolontsaina sy ny toekarena

[hanova |hanova ny fango]

Ny tanàna sy ny renivohitra

[hanova |hanova ny fango]

IAleksandria ao Egipta no renivohitry ny fanjakana lagida. Tanàna nahitana vahoaka avy amin' ny firenena maro samihafa izy, ka ny maro anisa dia nyGrika sy nyJiosy. Tamin' ny andron' ny Lagida dia lasa anisan' ny foiben' ny raharaham-barotra sy ny fahalalana tao amin' ny tamin' nyAndro Taloha i Aleksandria.

Kolontsaina

[hanova |hanova ny fango]

Niroborobo ny fahalalàna tao amin' ny renivohitry ny fanjakana ptôlemaika ka ohatra amin' izany ny nanorenana ny tranom-boky lehibe tao Aleksandria. Tao Aleksandria koa no nandikana nyBaiboly hebreo ho amin' nyteny grika, ilay atao hoeSeptoajinta, tokony tamin' ny taona 270 tal. J.K. araka ny fanirian' ny mpanjakaPtôlemaiôsy II.

Na dia tsy manam-piaviana egiptiana aza ny Ptôlemaiôsy dia nitandrina ny ankamaroan' ny fomba amam-panaon' ny Egiptiana. Ohatra amin' izany ny nampanamboarany ny sarivongan' izy ireo araka ny fomba egiptiana, izay nanao fomba fitafin' nyfarao, ka nametraka ireo sarivongana ireo tamin' ny toerana natokana ho hitan' ny vahoaka rehetra. Nandray anjara tamin' ny fanompoam-pivavahana egiptiana koa izy ireo sady nanamboatra tempoly ho an' ny andriamanitra egiptiana, indrindra ny fanamboarana ny tempolin' ny andriamanitraHôrosy tao Edfo sy ny fanarenana ny tempolin' ny andriamanitraHatora taoDenderà. Tsy novany ny maritrano egiptiana tranainy.

Ny toekarena

[hanova |hanova ny fango]

Nandroso ny fanjakana lagida tamin' ny fotoana nanapahan' iPtôlemaiôsy I Sôtera sy tamin' ny fanapahan' ireo dimbiny, indrindra iPtôlemaiôsy II Filadelfôsy (taona 283 hatramin' ny 246 tal. J.K.) sy iPtôlemaiôsy III Evergetesy (taona 246 hatramin' ny 222 tal. J.K.), izay nifaninana tamin' nydinastia makedônianan' nySeleokida tanySiria, tamin' ny fifehezana ny faritra atsinanan' iMediteranea.

Nanamboatra fotodrafitrasa ho an' ny fandraharahana ny asam-panjakana ary ny raharaham-barotra izy ireo, ka ny fisian' ny trano fitehirizam-bola izay nandroso indrindra tamin' nyAndro Taloha no nanamora izany. Ny ankamaroan' ny tany dia nalain' ny fanjakana izay nampanofa izany amin' ny vahoaka indray. Ny fanjakana no manome ny masomboly (varimbazaha, sns) hovolena ary tsy maintsy mamerina indray izany amin' ny fotoam-pijinjana sy fanangonam-bokatra. Tsy nankasitrahan' ny vahoaka izay mbola miaina ao amin' ny fitiavan-tanindrazana tanteraka izany fanaraha-maso hentitra ny fiainan' ny mponina izany, ka matetika misy ny fikomiana.

Ny mpanjaka nifandimby

[hanova |hanova ny fango]

Nitondra ny anarana hoePtôlemaiosy (grika:Πτολεμαῖος /Ptolemaios) avokoa ny mpanjaka lahy fa ny mpanjakavavy dia nisy nantsoina hoeBerenike (grika:Βερενίκη /Berenikê) naKleôpatra (grika:Κλεοπάτρα /Kleopatra) naArisnôe (grika:Ἀρσινόη /Arisnoê). Misy ny fotoam-pitondrana mifanindry vokatry ny fiaraha-manjaka, sy ny fahatapahana sy ny fitohizan' ny fotoam-panjakana indray vokatry ny ady eo amin' ny samy mpandova fanjakana.

Indreto ny mpanjaka nifandimby tao amin' ny fanjakana lagida.

Ptôlemaiôsy I (323-283 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy II (283-246 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy III (246-222 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy IV (222-204 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy V (204-181 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy VI (181-145 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy VII (145-144 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy VIII (144-116 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy IX (116-107; 88-80 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy X (107-88 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy XI (80 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy XII (80-58; 55-51 tal. J.K.),Berenike IV (58-55 tal. J.K.),Kleôpatra VII (51-30 tal. J.K.),Arsinôe IV (49-47 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy XIII (51-47 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy XIV (47-44 tal. J.K.),Ptôlemaiôsy XV (44-30 tal. J.K.).

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Tantaran' i Ejipta tamin' ny Andro Taloha

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fianakavia-mpanjaka_lagida&oldid=1075410"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp