Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Demônôlôjia

Avy amin'i Wikipedia
Dictionnaire Infernal, nataon' i Collin de Plancy, 1818

Nydemônôlôjia dia fandalinana, fampianarana, finoana aryangano momba nydemony na nydemonia sy ny antanantohatra na ambaratonga misy ao aminy.

Arakaraka ny zava-misy manodidina dia azo ilazana fandalinana ao anatin' nyteôlôjia, ao amin' nyfoto-pampianarana ara-pivavahana, na ao amin' nyôkoltisma. Ao amin' ny fivavahana maro dia mahakasika ny fandalinana ny ambaratongan' ny demony izany. Ny demony na demonia dia mety hofanahy nisaraka amin' ny vatan' olombelona, na fanahy tsy mbola nipetraka na oviana na oviana tanaty vatana azo tsapain-tanana.

Matetika no misy manavaka ireo sokajy roa ireo, indrindra fa nyMelaneeiana sy ny vondrona afrikanina maro ary ny hafa. Nyjiny ao amin' nyslamo, ohatra, dia tsy azo ampitovina amin' nyfanahin' olombelona niova. Ireo sokay ireo koa dia matetika no heverina ho misy vokany mitovy, ohatra. nyaretina.

Fiforonan-teny

[hanova |hanova ny fango]

Ny teny hoedemônôlôjia dia avy amin' nyteny grika hoe δαίμων /daimōn ("andriamanitra", "fahefan' andriamanitra") sy ny hoe λογία /logia ("firesahana", "fandalinana", "siansa").

Demônônôlôjia tamin' ny Andro Taloha

[hanova |hanova ny fango]

Demônônôlôjia mesôpôtamiana

[hanova |hanova ny fango]

Nino nyMesôpôtamiana tamin' nyAndro Taloha fa nytontolo ambanin' ny tany (Kur) dia fonenan' nydemony maro, izay antsoina indraindray hoe "taranak' i Arali". Indraindray ireo demonia ireo dia mety handao ny tontolo ambanin' ny tany ary hampihorohoro ny olona eto ambonin' ny tany. antatra amin' ny anrarana hoegalla ny kilasin' ny demony izay ninoana fa mipetraka any amin' ny tontolo ambanin' ny tany; ny tanjon' izy ireo voalohany dia toa ny hitarika ny olona maty ho anyKur. Matetika izy ireo no resahina ao amin' ny lahatsoratra majika, ary misy amin' ireo lahatsoratra ireo no milaza azy ho fito. Tononkalo maro voatahiry no milaza ny fitondran' nygalla ny andriamanitra Dumuzid ho any amin' ny tontolo ambanin' ny tany. Sahala amin' ny demony hafa anefa dia mety ho tsara fanahy koa nygalla ary, ao amin' ny Hira fiderana avy amin' ny mpanjaka Gudea tany Lagash (tokony tamin' ny taona 2144 – 2124 tal JK), dia nisy andriamanitra madinika iray antsoina hoe Ig-alima izay lazaina ho "galla lehiben' i Girsu". Tsy nanaovana fanompoam-pivavahana tao amin' nyfivavahanamespôtamiana ny demony satria "tsy mahalala na hanina na zava-pisotro, tsy mihinana fanatitra koba ary tsy misotro fanatitra aidina".

Demônôlôjia abrahamika

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' ny jodaisma

[hanova |hanova ny fango]

Ny jodaisma dia tsy manana demônôlôjia na karazana fampianarana momba nydemony na demonia. Ny fampiasana ny anarana hoe 'Losifera' dia avy amin' nyBokin' i Isaia (14:3–20), andalan-teny izay miresaka momba ny faharesen' ny mpanjakababilôniana manokana, izay omeny anarana an' ohatra izay mampahatsiahy ilay antsoina amin' ny teny malagasy hoe "kintana fitarik' andro" (amin' ny teny latinina,lucifer, midika hoe "mpitondra hazavana", avy amin' ny teny hoelucem ferre).

Misy ohatra mihoatra ny iray ao amin' nyfedrà sy nylovantsofina jiosy tamin' nyAndro Antenatenany izay voalaza fa niresaka momba ny fisehoan' ny demonia, araka ny asehon' ny anjely Grigori, iLilith (לִילִית /Līlīṯ) izay nandao an' iAdama, demonia toy nyvampira, ny fanahy mikorontana ao amin' ny lovantsofina jiosy toy nydybbuk (דיבוק).

Demônôlôjia kristiana

[hanova |hanova ny fango]

Tao amin' ny kristianisma, hatramin' ny fiafaran' ny taonjato faha-13 dia tsy dia nisy mpiraharaha firy ny resaka demony. Nanomboka nifantoka tamin' ny fandalinana nyRatsy nyteôlôjiana. Namporisihin' ny fitondrana ambony ao amin' nyEglizy katôlika sy nyPapa tenany ny demônôlôjia.

Ao amin' ny Testamenta Vaovao

[hanova |hanova ny fango]

"Ary nony hariva ny andro, dia nentin' ny olona tany aminy nydemoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany nyfanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa" (Matio 8:16,Ny Baiboly).

"24Raha mivoaka amin' ny olona nyfanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.25Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.26Ary dia mandeha izy ka mitondrafanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran' izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany." (Lioka 11:24–26,Ny Baiboly).

"13Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin' i Kristy.14Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka nyanjelin' ny mazava.15Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon' ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany." (2 Kôrintiana 11:13-15,Ny Baiboly).

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Demônôlôjia&oldid=1115932"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp