Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Danube

Avy amin'i Wikipedia
I Danube anyBratislava (renivohitr' iSlôvakia)

IDanube noony faharoa lava indrindra anyEorôpa (aorian' iVolga izay mikoriana manontolo manerana an' iRosia). Ao amin' ny Ala Mainty anyAlemaina no loharanon' izy io rehefa mihaona ao Donaueschingen ny renirano roa, dia i Brigach sy i Breg. Ao Donaueschingen no manomboka mitondra ny anarana hoeDanube ilay ony.

Ny halavan' i Danuba dia miankina amin' ny toerana iaingana: 2 852 km raha ho an' ny fihaonana ao Donaueschingen fa 3 019 km kosa raha avy amin' ny loharano Breg. Mikoriana miantsinanana izy ary manondraka renivohitra maromaro anyEorôpa Afovoany syAtsinanana aryAtsimo:Vienna (aoAotrisy),Bratislava (aoSlôvakia),Budapest (aoHôngria) aryBelgrade (aoSerbia). Nyvinanihefak' i Danube dia misokatra amin' nyRanomasina Mainty: mizara eo anelanelan' iRomania sy iOkraina.

I Danube dia lalana an-drano lehibe nandritra ny taonjato maro. Izy no sisin-tany avaratra amin' nyEmpira Rômana. Mamakivaky firenena folo izy:Alemaina (7,5 %),Aotrisy (10,3 %),Slôvakia (5,8 %),Hôngria (11,7 %),Krôasia (4,5 %),Serbia (9,4 %),Bolgaria (5,2 %),Romania (28,9 %),Môldavia (1,7%) aryOkraina (3,8 %).

Faritanin-dranon' i Danube

Mandrakotra firenena sivy hafa ny faritanin-dranony:Italia (0,15 %),Pôlônina (0,09 %),Soisa (0,32 %),Tsekia (2,6 %),Slôvenia (2,2 %),Bôsnia-Herzegôvina (4,8 %),Môntenegrô,Makedônia Avaratra,Albania (0,03 %) aryKôsôvô.

Izao ny anaran' i Danube ao amin' ny faritanin-dranony:

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Danube&oldid=1083275"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp