Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Dajjal

Avy amin'i Wikipedia
An image from a Falname made in India around 1610-1630, depicts Isa fighting the Dajjal. Behind, the Mahdi with a veiled face. Sary natao tanyIndia manodidina ny taona 1610-1630, mampiseho an' iIsa miady amin' ny Dajjal. Ao ambadika, nyMahdi misaron-tava.

NyDajjal naAl-Masih ad-Dajjal dia olona ratsy resahina ao amin' nyeskatôlôjia silamo izay hilaza ny tenany ho ilayMesia nampanantenaina ary avy eo dia milaza ny tenany hoAndriamanitra, miseho alohan' nyandro fitsarana araka ny fitantarana eskôtôlojia silamo. Atao hoe ٱلْمَسِيحُ ٱلدَّجَّالُ /al-Masīḥ ad-Dajjāl, izany hoe "Mesia mpamitaka" na "Mesia sandoka" izy amin' nyteny arabo. Ny teny hoeDajjal dia tsy voatonona ao amin' ny Kor'any, fa voatonona sy voalaza ao amin' nyhadita. Mifandraika amin' nyAntikristy ao amin' ny kristianisma ny Dajjal izay voalaza fa hipoitra any Atsinanana, na dia miovaova aza ny toerana misy azy arakaraka ny loharanom-pahalalana samihafa.

Ny Dajjal dia haka tahaka nyfahagagana nataon' iJesoa, toy nyfanasitranana ny marary sy nyfananganana ny maty, ny farany dia natao tamin' ny fanampian' nydemony. Olona maro toy ny mpanenona sy ny mpanao ody ary ny zanaky ny fijangajangana no hofitahiny.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Dajjal&oldid=1073786"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp