Mizara ho vondrona fito ny Daiaka, araka ny fomba itenenany ny fiteny malaiô-pôlineziana. Ireo fizaràna ireo dia mbola mizara zana-bondrona maro dia maro indray. Ireto ny vondrona fito:
ny Ngajo;
ny Apô Kaiàna (tafiditra ao ny Ôragna Olo);
ny Ibàna (Daiaka an-dranomasina na Hivàna);
ny Bidaioha (na Daiaka an-tanety) na Klemantàna;
ny Kadazàna sy ny Dosona ary ny Moroty;
ny Ponàna;
ny Ôty Danoma
Ny Ponàna sy ny Klemantàna ary ny Keniaha no vahoaka tranainy indrindra ao Bôrneô. Ny Kaiàna sy ny Moroty ary ny Ibàna no tonga taty aoriana.
Ny Ibàna, izay atao hoe Diakan-dranomasina, dia jiolahin-tsambo taloha sy mpaka tany malaza, ary mety izy ireo no Daiaka tonga farany tao Bôrneô. Izy ireo ihany no vondrona daiaka monina amin' ny faritra amorontsiraka. Mitovy fomba aman' endrika amin' ny Maley izay tonga tao Bôrneô tamin' ny taonjato faha-12 izy ireo. Nanova ny finoan' ny Ibàna ho amin' ny fivavahana silamo ny Maley, nefa tsy nanary ny fomban-drazany sasany; manao fanabadian' ny tsy mitovy finoana izy ireo, sady nisy fianraikany lehibe tamin' ny fiteny maley ny fiteniny.
Ny vondrona daiaka hafa, indrindra ny Kaiàna sy ny Ponàna, dia nitahiry kokoa ny fomban-drazany. Mivavaka amin' andriamanitra maro izy ireo.
Fapisehana karandoha sy fitaovam-piadiana azo tamin' ny fihazana lohan' olona tany aloha
Malaza ho mpihaza lohan' olona ny Daiaka taloha, araka ny finoany ara-pivavahana, nefa efa tsy misy intsony izany ankehitriny na dia misy fampisehoana an' izany ho hitan' ny mpizaha tany. Ny Ibàna no nandao ity fomba ity talohan' ny foko daiaka hafa rehetra angamba noho izy ireo monina amorontsiraka ka nandray ny fomba amam-panao indiana sy miozolmana. Nalaza koa ny Daiaka amin' ny fampiasany karandoha notapahina atao fisotroan-drano na zavatra hafa.
Ny fivavahana kristiana sy silamo dia nanapotika ny kolontsaina nentim-paharazana ka niteraka fikorontanana ara-toekarena. Maro amin' ny mponina ao amin' ireo vondrona daiaka ireo no mbola mino sy mivavaka amin' ny fanahy isan-karazany (animista) sady nanaisora ny ravaka mavesatra fanao amin' ny sandry sy ny ranjo ary ny sofina (izay nalaza tamin' ny taonjato faha-19) izay nosoloany fihaingoana hafa toy ny bigody.
Ny Daiaka dia miteny amin' ny fiteny isan' ny sapana malaiô-pôlinezianan' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana, izay mitsinjara ho vondrom-piteny toy izao:
Ny Repoblikan' ny Fanjakana Mikambana ao Indônezia
Ny Daiaka Lehibe (Dayak Besar) dia anaran' ny tany federaly tao amin' nyRepublik Indonesia Serikat ("Repoblikan' ny Fanjakana Mikambana ao Indônezia") izay niserana ihany, nekana fisiana tamin' ny 27 Desambra 1949 taorian' ny Konferensi Meja Bundar ("Kônferansan' ny Latabatra boribory"), izay nosoloana nyNegara Kesatuan Republik Indonesia ("Fanjakana Tokan' ny Repoblikan' i Indônezia") tamin' ny 17 Aogositra 195. Izany tany izany dia mifanandrify amin' ny faritani' i Kalimantàna afovoany ankehitriny.